Rehefa tafiditra tao am-po sy ny fiainan'ny mpianatra ny "fitiavana sy ny fahamarinana", vao mahazo miteny fiadanana sy miaina izany. Ny fiadanana dia fampanjakana ny fitiavana marina sy ny fahamarinana eto an-tany na inona toerana misy anao : na mpitondra Fanjakàna ianao, na mpitondra Fiangonana, na ray na reny, na zanaka na mpianatra na mpiasa sns. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc. 

Alarobia 22 febroary 2023 — Fanosorana lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6, 16-18)

♦ Hiditra ao amin'ny Distrikan'i Mananjary, afaka ora vitsy ny foiben'ilay rivodoza Freddy. Tany amin'ny 70 km avaratra atsinanan'i Mananjary ny nisy ny foibeny tamin'ny 6 ora hariva teo... ♦ Niroso tamin'ny famindram-pitantanana ireo Minisitra vaovao sy ireo teo aloha, tao aorian'ny fanovana mpikambana vitsivitsy teo anivon'ny Governemanta... ♦ Ahiahiana hiverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy i Fitovinany indray ilay valan'aretina FVR mpahazo ny omby aman'osy ary ny ondry. Misy aretin-koditra mahazo ny omby ihany koa any amin'ny Faritra Diana...

♦ Manomboka mihena ny herin'ilay rivo-doza Freddy, mialohan'ny hidirany an-tanety eto Madagasikara... ♦ Misy ny fepetra noraisina momba ny fifamoivoizana an-tanety, manoloana ny fiavian'ny rivo-doza Freddy. Mitsahatra avokoa manomboka anio ny fitanteran'olona sy entana mihazo ny Faritra atsimon'ny nosy, indrindra ny anio alina... ♦ Nitrangàna fifamonoana tany amin'ny Kaominina Esira, Distrikan'Amboasary atsimo. Olona miisa 06 no namoy ny ainy, am-polony no naratra, vokatry ny fifandonana teo amina fianakaviana roa avy amin'ny fokontany samihafa...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...