♦ Manaitra ny fitondram-panjakana ny Evekan'i Morondava, nanoloana ny zava-nitranga tato ho ato. Zava-doza ny misy any amin'ny Faritra Menabe, hoy izy, mihalalina ny haratsiana, noho ny tsy fandriam-pahalemana... ♦ Hangataka fahafahana vonjimaika ho an-dRaissa Razaivola, ilay renim-pianakaviana nohampangaina ho nikasa hifofo aina solombavambahoaka ny mpisolovava azy. Nanazava ny momba ity raharaha ity omaly, io mpisolovava azy io... ♦ Maro ireo mitaraina fa niakatra be ny hetran-trano ao an-drenivohitra takian'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo. Fampiakarana misy hatrany amin'ny 100% noho ny teo aloha, raha araka ny fitarainan'ireo tompon-trano nahazo izany taratasy fitakian-ketra izany...
15 nôvambra — Teraka ny 1193 tao Lauingen tao Souabe i Masindahy Albert. Albrecht von Bollstädt no anarany fa Albert le Grand no iantsoan'ny maro azy. Izy no nampiditra tao amin'ny oniversite tao Europe ny fahalalana sy ny fikarohana grika sy arabo.
Tsy mifanohitra ny fiainana andavanandro sy ny fiainana maha-kristianina fa mifameno tokoa ary tena mampivelatra ny maha-olona raha hita ilay lalam-baovao tokony hizorana. Ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra voalohany dia ny fanohizana sy fanatsarana ny asa-pahariana efa nataony. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
Talata 15 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco