♦ 58,56% ny tahan'ny fisoratana anarana ao anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny CENI androany. Hiroso tsy ho ela amin'ny fanisàna ireo voafonja heverina ho tsy very zo ny CENI... ♦ Nitokona nanomboka androany ny mpiasa ao amin'ny sampandraharaha miandraikitra ny lafiny maha-olona, eo anivon'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena. Tsy eken'izy ireo ny fanalàna tamin'ny toerany ny lehiben'ny sampandraharaha iray eo anivon'ity ministera ity... ♦ Miisa 7 ny fakàna an-keriny nisy tany Anjozorobe tamin'ny taon-dasa ka 155 ireo olona voasambotra tamin'izany...
♦ Tsy ilaina ny fikaonandoham-pirenena, raha hiteraka korontana hoy ny Profesora Ange Andrianarisoa, avy amin'ny AREMA. Manamafy ny tokony hisian'izany ny SFDM, hanovàna ny lalàna hifehy ny fifidianana amin'ity taona 2023 ity... ♦ Voakasiky ny fanalefahan-tsazy, noho ny taom-baovao, ny ministry ny serasera teo aloha, Rolly Mercia. Mety hivoaka ny fonga eo anelanelan''ny tapaky ny volana jolay sy desambra ity gadra pôlitika ity, araka ny filazan'ny gazety iray mpiseho isan'andro androany... ♦ Niteraka resa-be ilay zava-nitranga teny amin'ireo doany eny amin'ny vohitra Ambohimanga. Namoaka fanambaràna ny Ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina fa tsy tokony hisy ny fifanitsahana fomba ara-pinoana...
♦ Hisy rahampitso ny Sorona Masina hitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI, eny Antanimena... ♦ Olona roa indray no namoy ny ainy, vokatry ny aretina Covid-19 teto Madagasikara tamin'ny herinandro faran'ny taona 2022 teo. Mbola misy 67 ihany koa ireo trangana Coronavirus "Cas actifs" hatramin'izao... ♦ Mpianatra 50 no tra-boina amin'izao vokatr'ilay firehetan'ny tranon'ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Ireo mpianatra lasa niala sasatra ny ankamaroan'ireo may fananana tao...
Ny Sakramenta dia fitaovana ampiasain'ny Eglizy hanampy antsika hanamasin-tena ary hahafahantsika mahalala bebe kokoa ny misterin'Andriamanitra Fanahy Masina. Ny Eglizy mihitsy no Sakramenta satria ny Eglizy dia famantaram-pamonjena mitarika antsika mankany amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo mpitarika ao aminy.Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco