16 febroary 2025 — Alahady Tsotra fahenina Mandavantaona — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 17. 20-26)

Alahady faha-6 mandavantaona — D : Andriamanitra no tena mahasambatra fa tsy ny haren’ny tany ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Sambatra izay mitoky amin'ny Tompo fa tsy amin'ny olombelona, izay mitory fampitandremana ho an'ireo mpanompo sampy, anefa ihany koa fampaherezana ireo izay mitoky amin'izy Tompo. Manery antsika hanao safidy ny tenin'Andriamanitra izay omena antsika amin'ity alahady faha-6 ity : Hozana sa tso-drano, fanantenana sa famoizam-po, hasambarana sa loza. Ny sitrak'Andriamanitra dia ny lalana mitondra amin'ny famonjena...

Ny fahatsentsenan'ny lalan-dra dia aretina matetika mitranga sy mety hafaty tampoka olona iray. Ny tsy fikorinan'ny ra araka ny tokony ho izy, manerana ny vatana dia mety hiteraka fikorontanana amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Ireo mety hanentsina ny lalan-dra : 1- Ra mivaingana 2- Fisian'ny tavy na menaka anaty lalan-dra ka mahatery ny fikorinany. 3-Fisian'ny rivotra tafiditra amin'ny lalan-dra... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Hofantatra mandritra ny fivoriamben'ny Vondrona Afrika andiany faha-38 atao any Adis-Abeba renivohitr'i Etiôpia izay ho filoha vaovaon'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikanina. Manana kandidà mifaninana amin'izany i Madagasikara dia Andriamatoa Randriamandrato Richard...
  • Nampiasa fitaovam-panjakàna nandritra ny fampielezan-kevitra nataony ny kandidà ben'ny tanàna Joro tao Antanambao-Mahatsara, Distrika Vatomandry. Antony nanafoanana manontolo ny vato azony nandritra ny fifidianana hoy ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna ao Toamasina...
  • Mbola hitohy ny rotsak'orana mandritra ity faran'ny herinandro ity hoy ny Météo Malagasy. Ho betsaka izany ny alin'ny alahady ho an'ny faritry ny afovoan-tany, Analamanga, Itasy ary Vakinankaratra...
  • Vonona ny hifampiresaka amin'ny Rosia i Ukraine hoy ny filoha Okranianina...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...