♦ Ho eny ampelan-tanan'ny parlemantera mialohan'ny faran'ny volana ôktôbra izao ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna taona 2023. Nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Hahetsika hanampy ny tranom-pirintim-pirenena noho ny tsy fahafahany mamaly n filàna manontolo amin'ny taratasim-panjakàna ilaina amin'ny fitsaràna mitety vohitra hisitrahana ny kopia nahaterahana ho an'ireo tsy manana izany ny trano pirinty tsy miankina eto amintsika... ♦ Nirehitra ny tsenan'Anosibe ao Antananarivo Renivohitra. Toeram-pivarotana 100isa eo ho eo no kilan'ny afo androany maraina...
♦ Nifanakalo hevitra momba ireo antokom-pivavahana samihafa omaly ny Evekan'i Madagasikara manao ny Visite ad limina any Roma. Noresahana niaraka tamin'ny sampan-draharaha miandraikitra izany koa ny fiainan'ny pretra sy ny fitoriana ny Vaovao mahafaly... ♦ Nanapa-kevitra hiverina hiasa manomboka amin'ny alarobia izao ny mpiraki-draharaham-pitsaràna taorian'ny fampitandremana hampihatra fanapahan-karama nataon'ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Tokony hisy ny mangarahara sy ny fampahafantarana ny vaovao misy sy marina momba ny fitrandrahana fasi-mainty ao Toliara mba tsy hampiroroa saina ny mponina, hoy Profesora Razakamanana Théodore...
27 ôktôbra — Vehivavy masina niditra ho relijiozy tao amin'ny fikambanana Cistercien tao Boulancourt tao amin'ny diôsezin'i Troyes tany Champagne i Émeline. Tany amin'ny taonjato faharoa ambin'ny folo tany izy no niaina. Io trano fitokana-monina io dia fanta-daza tokoa tamin'izany fotoana izany.
Andriamanitra Ray no nifidy ny vahoakany sy ireo olona tiany manokana ary ireo nataony hitondra ny vahoakany. Raha ny Testamenta Vaovao no jerena dia i Jesoa Kristy no antony voalohany anaovana ilay fandanjalanjana satria ao aminy no ahatanterahan'ny zava-drehetra, ao no ahitana ny fahasoavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco