♦ Ny tsy fandriampahalemana sy ny fifindra-monina aty Madagasikara. Anisan'ny voaresaka ireo nandritra ny andro faharoa amin'ny Visite ad Limina ataon'ireo Evekan'i Madagasikara any Roma... ♦ Tsy manana olana amin'ny fifandraisana ara-diplomasia amin'ireo firenena any ivelany i Madagasikara, hoy ny Ministra mpisolo toerana eo anivon'ny raharaham-bahiny malagasy, izay nandray ny asany nanomboka omaly... ♦ Manaitra ny malagasy tsy an-kanavaka sy ny mpitondra fanjakàna ary ireo rehetra mpisehatra amin'ny tontolo iainana, tao anatin'ny fanambarana, ny fikambanan'ny mpanao gazety misehatra amin'ny tontolo iainana ny AJE...

26 ôktôbra — Avy any antioche i Evariste, ary jody ny rainy. Tsy dia fantatra loatra ny fotoana nibebahany ho kristianina, sy ny hoe ahoana no nahatongavany tao Roma. Ny fantatra dia hoe pretra izy, ary nanohana ny mpino krisitianina tamin'ny oha-piainana sy ny fitiava-namana ary torolalana samihafa.

Ny fahaiza-mamantatra manokana ireo fironana na aingam-panahy ao anatin'ny tena hoe avy amin'Andriamanitra sa avy amin'ilay demony, mba hahafahana manaraka ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainana dia fandanjalanjana. Hoy Md Paoly Apôstôly : an'isan'ireo karisma na fanomezam-pahasoavana avy amin'ny Fanahy masina ny fahaizana mandanjalanja. Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alarobia 26 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 22-30

[Miara-dàlana] Alatsinainy 7 jolay 2025

• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...