♦ Asa no atao fa tsy fampanantenana, hoy ny Filoham-pirenena androany, raha nampahafantatra ny voarakitry ny Planina Enti-mampandroso an'i Madagasikara na ny PEM, tetsy amin'ny CCI Ivato. Tetikasa maro no nambarany fa hatomboka amin'ity taona ity sy amin'ny 2023... ♦ Tsy ao anatin'ny atonta eny amin'ny trano pirinty tsy miankina ny taratasim-panjakana fanaovana karapanondrom-pirenena, hoy ny Minisitry ny Atitany... ♦ Tsy misy mpividy ny lavanila na efa nisokatra ny 7 ôktôbra aza ny taom-piotazana, hoy ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka, androany...

♦ Hifantoka amin'ny akon'ny Visite Ad Limina, izay notanterahan'ny Evekan'i Madagasikara any Rôma, ny vaovao... ♦ Singa iray ilaina amin'ny fandanjalanjana, ny fangetanana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy andiany fahafito, momba ny fandanjalanjana tamin'ny alarobia lasa teo... ♦ Mahatratra 5363 ny isan'ny Eveka maneran-tany, araka ny fanisana nataon'ny Agence Fides, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fampielezam-pinoana, ny 23 ôktôbra 2022...

Nampihatra fomba fambolena voatabia nohatsaraina, ahazoana vokatra haingana ao anatin'ny fotoana fohy ary mandava-taona, mampihena ny vola mivoaka amin'ny fividianana masomboly ny fikambanana Lanja Miakatra... 

♦ Tao aorian'ny resabe momba ny "doublons", ifanilihan'ny CENI sy ny Ministeran'ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana indray, ny antontan'isa 3 tapitrisa voalaza fa vinavinaina hampidirina ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Antontataratasy fangatahana asa manodidina ny 300 isa, miaraka amin'ny taratasy tsiambaratelo maromaro, no narian'ny Colas tao amin'ny dabam-pako tao Ampotatra. Lasibatra amini'zany ireo mpitady asa amin'ny fanamboarana ny Lalam-pirenena faha-13... ♦ Raha tsy misy ny fiovana dia handalo fankatoavana eny amin'ny Antenimieram-pirenena anio, ny volavolan-dalana momba ny fanabeazana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...