♦ Ahiana hihena hatrany amin'ny 20% ny famokarana sy famatsiana rano eto amintsika amin'ny fotoanan'ny main-tany ho avy io. Milaza ny efa miomana amin'ny hanalefahana izany ny JIRAMA sy ny Minisiteran'ny Rano... ♦ Misy handoavana hatramin'ny 50.000 Ariay amin'izao ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekolim-panjakana. Manavesatra ny vola aloan'ny ray aman-dreny ny fahataran'ny "Caisse école" sy ny tambin-karaman'ny mpampianatra FRAM, hoy ny Talen'ny sekolim-panjakana iray... ♦ Anio no hiatrika ny lalao voalohany amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany Rugby à 7 i Madagasikara...
Maro ireo revio sy gazety-boky miresaka sy mamoaka ny voka-pikarohana sy fandalinana samihafa momba ny fiaraha-monina. Inona no fiantraikan'ireny asa-soratra fanadihadiana sy lahatsora-pikarohana ireny eo amin'ny fiaraha-monina malagasy? Ny hamaly izany fanontaniana izany no hifantohan'ny Fandaharan'asa Fikarohana & Fikirakirana tahirin-kevitra mandritra ity enim-bolana faharoa ity. Santarina amin'ny fandaharana radio izany ary ho arahina famelaberan-kevitra. Tanjona ny fampifandraisana ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny gazety-boky, fifampitaizana manodidina ny fikarohana sy ny asa-soratra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagascar.
♦ Namaly ny tsikeran'ny Vondrona Eorôpeanina nihatra taminy, ireo mpikamban'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana omaly, momba ny lalana fiatrehana ny fifidianana amin'ny taona 2023... ♦ Nandiso ny vaovao niparitaka momba ny maha tompon'antoka azy tamin'ny fanondranana volamena tratra tetsy Ivato, ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra... ♦ Miverina tsikelikely amin'ny teo aloha ny vidin'entana ilaina andavan'andro eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Tokony hisy fiantraikany eto Madagasikara ihany koa izany, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, omaly...
09 septambra — Teraka ny 26 jiona 1580 tao Verdú akaikin’i Alarida Espagne i Pierre Claver ary nodimandry ny 08 septambra 1654 tao Carthagène des Indes, Colombie. Marani-tsaina i Pierre Claver, nanao ny fianarany tao amin’ny zezoita izy talohan’ny faharoapolo taonany izay fotoana nidirany ny noviciat an’io fiakambanana io ihany tao Tarragone ny taona 1602.
• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco