♦ Nisongadina tamin'ny fanambarana nataon'ny KMF/CNOE Fanabeazana Olom-pirenena, ny tokony hanentanana ny Malagasy ahafantatra sy handray anjara amin'ny fisoratana anarana amin'ny lisi-pifidianana ho avaozina tanteraka. Eo koa ny efa tokony hiomanana amin'ny fiatrehana ny fahavaratra... ♦ Vonona ny hiara-hiasa amin'i Madagasikara i Chine ka hifanindran-dalana amin'ireo fandaharan'asa sivy anatin'ny "Initiative Emergence Madagascar" izany... ♦ Manao antso avo, mba hojeren'ny filoham-pirenena, ireo mpiasa manao ny trano mora any Bemikizy Morondava, fa mijaly izy ireo noho ny tsy fanomezan'ny mpampiasa ny karaman'izy ireo sy ny fitaka nataony azy ireo...
♦ Ho vakiana ny lalana hampitohy an'Antsohihy sy Andapa, ka hatomboka amin'ity taona ity izany. Miara-dalana amin'ny fanamboarana ny lalana mampitohy an'Ambovombe sy Toliary. Ho vita afaka roa taona ny lalana Ambanja hatrany Antsiranana... ♦ Nizara ny zava-bita ary nanolotra ny paik'ady sy ny sehatr'asa hatao amin'ny taona 2023 ho an'ireo mpiara-miombon'antoka eny ifotony ny teo anivon'ny tetik'asa "Tontolo voajanahary lovain-jafy amin'ny ilany Atsinanan'i Madagasikara"... ♦ Mpilatsaka an-tsitrapo vaovao 22 avy amin'ny Peace Corps no tonga eto Madagasikara. Niverina ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny Peace Corps roa taona aty aorian'ny valan'aretina Covid-19...
10 septambra — Teraka tao Avrenche i Aubert zanak’olona fanta-daza tao izy io. Rehefa nozarainy tamin’ny mahantra sy ny relijiozy ny lovany dia nandray ny sakramentan’ny filaharana izy ary voafidy ho eveka faha-12 fantatra anarana tao Avranches.
Tempolin'ny Fanahy Masina ny vatantsika olombelona ka tsy tokony ho viraviraina amin'ny filàn-dratsin'ny nofo. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina : "izay nakamban'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olombelona". Tsy nitsahatra nampivoitra sy nanome lanja ny hasina maha-olona mizotra mankany amin'ny fahamasinana maha-kristiana i Md Paoly. Ny fiombonan'ny Ray sy ny zanaka ao amin'ny Fanahy Masina no endriky ny fianakaviana. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco