• Efa tonga any Vatican Roma, ireo Evekan'i Madagasikara hanatontosa fivahiniana masina. Hisy ny fihaonan'izy ireo amin'ny Papa Léon XIV, amin'ity dian'izy ireo ity... • Rahampitso no hifanatrika mivantana eny Tsimbazaza ireo mpikamban'ny Governemanta, hotarihin'ny Praiminisitra, sy ireo Solombavam-bahoaka... • Fanararaotra lehibe ho an'ireo mpandraharaha eto Madagasikara ny handraisan'i Madagasikara ny fihaonana an-tampon'ny SADC, afaka volana vitsy...
♦ Afahana mitondra ny hetahetan'ny vahoaka eny ifotony ny fihaonana mivantana hiarahan'ny mpanatanteraka sy ny députés manomboka rahampitso hoy Andriamatoa Imbiky Herilaza... ♦ Malagasy 2,3 tapitrisa no mivelona mivantana amin'ny fanaovana asa-tanana, nampidi-bola 32 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna izany ho an'ny taona 2024... ♦ Atsantsa milanja 16 taonina mahery, tra-tehaka tamina sambo mpanjono Sri-lankais ... ♦ Nankatoavin'ny Fiketrahana Masina tamin'ny volana marsa teo, ny fahamarinan'ny fisehoan'ny endrik'i Jesoa Kristy tamin'ny Hostia iray, nandritra ny Sorona Masina tao amin'ny Paroasy ambanivohitry ny Faritra atsimon'i Inde...
♦ Fivoriana nikaton-trano niresahana ny teti-bola natokana ho an'ny solombavambahoaka no nampanantsoana ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola teny Tsimbazaza omaly... ♦ Ampiratiana eny amin'ny Kianjan'i Barea Mahamasina ireo dingana sy sedra nolalovan'ny foloalindahy malagasy nandritra ny 65 taona nijoroany... ♦ Any Taiwan : olona ambony eo anivon'ny fitondrana no nomelohan'ny fitsaràna ho mpitsikilo avy amin'ny fitondrana Sinoa araka ny didy nivoaka omaly talata...
11 jona — Raha ny filazan’ny Asan’ny Apôstôly, i Barnabé dia Jody avy amin’ny fokon’i Lévi. Teraka tao Chypre izy io tamin’ny fotoana nanjanahana ny Jody tamin’ny vanim-potoanan’i Alexandre le Grand. Nobeazina tao amin’ny kolontsaina grika i Barnabé.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco