♦ Nanazava ny fizaràna asa eo amin'ny Filohan'ny repoblika sy ny Praiministra, ny lehiben'ny governemanta  Ntsay Christian, tsy misy olona ny fifandraisana eo amin'izy ireo... ♦ Nody mandry teo amin'ny faha-60 taonany ny Radavidson Andriamparany B, Ministra teo aloha nandritra ny fitondrana Ravalomanana... ♦ Ho tonga ara-potoana eny amin'ireo ivon-teoram-panadinana manerana ny nosy ny taratasim-panadinana rehetra ho an'ny CEPE sy ny BEPC... 

♦ Mbola mikatona ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy. Mitohy kosa ny fihibohana ny sabotsy alahady ho an'ny distrika efatra eto Analamanga... ♦ Fivoaran'ny valanaretina Covid-19, ny sabotsy 15 mey lasa teo : Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, 136 tamin'ny filiana 907 natao ; 150 ireo sitrana ary 9 ireo lavon'ny aretina...

Alatsinainy 17 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33

Alahady 16 mey 2021 — Alahady fahafito fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...