♦ Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina Coronavirus miisa 249 tamin'ny fitiliana miisa 803, no hita ny 12 mey lasa teo. Olona sitrana 269, lavon'ny aretina kosa miisa fito... ♦ Nitsingerina omaly ny faha-49 taonan'ny fihetseham-bahoaka voalohany teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ao Analakely, Antananarivo Renivohitra, nanoherana ny tsindry hazolena nihatra tamin'ny mpiray tanindrazana tamin'izany fotoana izany...

Zoma 14 mey 2021 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evan jely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17

Maro ny vokatsoa azo avy amin'ny tontolo iainana eto amintsika indrindra ireo vokatra avy amin'ny fambolena. Isan'ny vokatsoa azo amin'izany ny sakafo sy ny zava-maniry hafa, afaka manamafy ny hery fiarovana ho an'ny vatana manoloana izao ady amin'ny valan'aretina covid-19 izao, hoy Dr Rakotohery Josette mpahay ara-tsakafo sy ny aretina manodidina ny fomba fisakafoana. Misy ohatra vitsivitsy ireo, sakafo manampy hery fiarovana: goavy, poivrons, persil, voasary... 

Alakamisy 13 mey 2021 — I Jesoa Krisy niakatra any an-danitra — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-20

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...