♦ Namoizana ain'olona iray tany Maroantsetra, raha ny fantatra aloha hatreto, ny rivodoza Eloïse. Tafakatra 2804 kosa ireo olona traboina... ♦ Olona 33 tamin'ireo 44 natao fitiliana no voamarina fa tratran'ny Coronavirus, teny amin'ny tranon'ny mpianatra teny Ankatso...

Zoma 22 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo ; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19

♦ Olona telo amby telopolo no voamarina fa tratran'ny Coronavirus eny amin'ny tranon'ny mpianatra eny Ankatso. Efa nisy tranga hafa koa hita eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, raha ny fanazavan'ny filohany, androany... ♦ Nitondra fanazavana misimisy kokoa momba ilay fe-potoana 48 ora nomen'ny fitondrana ny Jirama ny mpitondra tenin'ny governemanta androany...

Cradec : Mila fiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ny tanora miasa na maniry hisehatra ao anatin'ny tetikasa fampandrosoana, isan'izany ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny tetikasa dia vahaolana amin'ny olana misy amin'ny faritra na fiaraha-monina izay lasa fitaovana. Ny babakoto na ny amboanala dia hita any amin'ny faritra Andapa, Maroantsetra, manampy amin'ny fambolen-kazo. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tany Manantantely faritra Anosy ny fambolen-kazo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...