Na dia nanararaotra ny zava-nitranga saika hitsoahana tao amin'ilay hotely aza i Dera dia tsy afaka fa nianjera teo an-tohatra ka nanaitra ireo natory rehetra tao, ary nahavory azy rehetra. Anisan'ireo mba tao ireo jamba roa lahy nomeny vola ny marainan'io andro io sy tafaraka nisakafo taminy tany amin'ny hotely ka nampitolagaga azy, ary niray trano fatoriana taminy.

Saika ireo karazana fihetseham-po rehetra iainan'ny olombelona no tsapan'i Dera hatrany amin'ny fara heriny indrindra, ka nampihaiky azy anakam-po ny zavatra rehetra nandalovany. Na dia mba niezaka nitandrina mafy aza izy tao anatin'izany rehetra izany.

Nandritra izay fivezivezeny eran'Antananarivo izay i Dera dia nahatsapa fihetseham-po maro : ny hatezerana, ny tebiteby, ny tahotra, ny fahatairana. Ary eto izy dia hahalala indray izany atao hoe henatra izany.

Rehefa nilazan'i Dera an-taratasy ireo ray aman-dreniny fa teraka i Vola, dia niakatra izy mivady, ary niaraka tamin'i Soa sy ny rainy. Tsy afa-pahasahiranana mihitsy i Dera fa nitombo indray aza. Nitohy indray ny fikorontanan-tsaina, saingy tamin'i Vola kosa, dia tsy nisy fiantraikany taminy izany, fa vao mainka nampisehoany ny maha renim-pianakaviana tompon'andraikitra azy.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...