Tsy vitan'ny fitaizana zaza ao an-tokantrano ihany fa ny fitaizana azy hatrany am-piangonana, dia nirotsahan'i Dera an-tsehatra mandrakariva. Ary dia nahita sy nahatsapa tokoa, fa tsy zavatra mora akory ny adidy amin'ny fananan-janaka : manomboka amin'ny fitondrana azy any am-bohoka, amin'ny fiterahana, amin'ny fitaizana sy fanabeazana azy.

Nandraman'i Dera natao avokoa izay fanaon'ny renim-pianakaviana amin'ny zazakely, kanefa mandrakariva dia tsy mba ataon'ny raim-pianakaviana. Nisedra olana hatrany nefa izy teo am-panatanterahana izany, saingy tsy kivy fa niatrika lalandava.

Mandrakariva dia nijoro ho raim-pianakaviana mba manana ny maha izy azy i Dera noho ny amin'i Vola hatrany, ka nasehony izany na dia tamin'ny fomba izay tsy ampoizina velively aza, ary na dia tsy tanteraka araka izay naniriny azy aza.

Nitakoritsihina teny anivon'ny hopitaly ny vehivavy miteraka ny zanany voalohany, ny fanambadiana isehoana olana aorian'ny fampakarana...sy ireo hafa maro.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...