Rehefa lavitra an'i Vola i Dera dia tsy mahatsiaro ny maha izy azy. Fa rehefa eo akaikiny dia mahatsiaro tena ho mihamatotra sy matoky tena ary manam-pahamendrehana kokoa. Ka na dia teo aza ny fikorontanan-tsaina tamin'ny nandalovan'i Soa tao an-trano tamin'ny fotoana naha tany amin'ny hopitaly an'i Vola, dia mba naneho ny maha izy azy i Dera rehefa tonga tao an-trano niaraka tamin'i Vola sy ny zazakely.

Naneho fahasarota-piaro amin'i Vola noho ity vahiny tsy nampoizina ireo mpanampy roa vavy ao amin-dry Dera. Noheverin'izy ireo fa fisoloana toerana an'i Vola mihitsy aza no anton'izao fiantranoana tampotampoka izao. Hany ka izay zavatra rehetra nitranga, nanaovan'izy roa vavy andrimaso tsy mikimpy, eny na dia efa hatrany am-pandriana matory aza.

Ny reniny no niandry an'i Vola tany amin'ny hopitaly iny alina nahaterahany iny. Lalina nefa ny adin-tsain'i Dera mandrapahatongan'ny fotoana nampahafantarana an'i Vola ny zava-nitranga rehetra tamin'ny fiantranoan'i Soa tao an-tokantranony, izay tsy niafina tamin'ireo mpanampy azy ireo sy ny rafozam-baviny.

Niteraka fikorontanan-tsaina ho an'i Dera ny fiantrany an'i Soa zanak'Ambatomainty tratra hariva teo am-piandrasana taxi-brousse hody any an-tanànany, noho ny fiara simba ka tsy afaka ny hanainga io andro io. Nampiantranoany tany an-tokantranony i Soa, satria tsy afa-nanoatra izy. Ny reniny no niandry an'i Vola tany amin'ny hopitaly. Lalina nefa ny adin-tsainy mandrapahatongan'ny fotoana nampahafantarana an'i Vola ny zava-nitranga rehetra, izay tsy niafina tamin'ireo mpanampy azy ireo sy ny rafozam-baviny.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...