Niteraka fikorontanan-tsaina ho an'i Dera ny fiantrany an'i Soa zanak'Ambatomainty tratra hariva teo am-piandrasana taxi-brousse hody any an-tanànany, noho ny fiara simba ka tsy afaka ny hanainga io andro io. Nampiantranoany tany an-tokantranony i Soa, satria tsy afa-nanoatra izy. Ny reniny no niandry an'i Vola tany amin'ny hopitaly. Lalina nefa ny adin-tsainy mandrapahatongan'ny fotoana nampahafantarana an'i Vola ny zava-nitranga rehetra, izay tsy niafina tamin'ireo mpanampy azy ireo sy ny rafozam-baviny.

Tsy hitan'i Dera izay horaisina sy izay hoatao rehefa tafiditra tany amin'ny trano fiterahana i Vola. Nanampy trotraka ny nahazo azy ny vazivazy zary tenany nataon'ilay mpampivelona nifanindran-dàlana taminy teny amin'ny làlan-tsaran'ny trano fiterahana. Niatrika ary toy ny niara-niteraka tamin'i Vola mihitsy i Dera rehefa nasain'ny mpampivelona nandroso.

Tsy zavatra moramora koa, indrindra fa tamin'i Dera ny nahazoan'izy sy i Vola an'i Rivo zanak'izy ireo. Henatra sy fihetseham-po hafa no tsaroany tamin'ny nisehoan'izany toe-javatra izany. Tsapany fa mafy ihany koa ny zakain'ny raim-pianakaviana amin'io andro manokana iterahan'ny vehivavy io.

Tonga tao an-tokantranony ihany i Dera nony farany. Fifaliana no nihaonany tamin'ireo vady aman-janany. Namonjy fiangonana izy, na dia reraka tokony haka aina aza, ary dia tafahaona tamin'ireo olona nifankahita tava taminy farany, talohan'ny nandaozany ny tokan-tranony, noho ilay fahalemeny nanahirana azy. Hitan-dRasamy ihany koa ny poketrany very fony izy notorian'i Ramavo sy ny namany tany amin'ny paositry ny polisy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...