Vokatry ny zavatra maro tsy maintsy natrehan'i Dera irery, na tao an-trano na tany an-tsena, sy izay naterak'izany : nanofy mihitsy izy ny alina. Nanofy azy sy i Vola.

Nihatra tamin'i Dera ary tsaroany hoe : "any am-poto-tsofina ny aina". Fa io vatana io : raha tsy mahazo ny sakafo sahaza azy isan'andro dia malemy tsy afa- manao na inona na inona.

Natrehan'i Dera ihany koa izany hoe raim-pianakaviana irery ao an-trano : tsy tao avokoa ny vady aman-janany sy ny mpanampy roa fa samy nanana adidy hotanterahana avokoa. Ary ny an'i Dera dia ny miandry trano sy ny mikarakara ny tenany no tsy maintsy atrehany. Teo no nahatsapany fa tsy mandehandeha ho azy amin'izao ny fiainana : mifoha, misakafo, miasa, matory. Dia toy izany hatrany.

Tsy vitan'ny fitaizana zaza ao an-tokantrano ihany fa ny fitaizana azy hatrany am-piangonana, dia nirotsahan'i Dera an-tsehatra mandrakariva. Ary dia nahita sy nahatsapa tokoa, fa tsy zavatra mora akory ny adidy amin'ny fananan-janaka : manomboka amin'ny fitondrana azy any am-bohoka, amin'ny fiterahana, amin'ny fitaizana sy fanabeazana azy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...