Nanindry mandry an'i Line Bordas fa zaza natsangana izy fa tsy tena naterak'ireo ray sy reny mitaiza azy ankehitriny. Nangata-tsodrano tamin'izy ireo izy mba hanadihady izay loharano nipoirany. Ny finoany aloha dia tsy hamantana tany foana. Hitondra fitoniana ho azy ny mahalala fa efa niezaka ihany izy, saingy midona amin'ny vato : tsy misy nenina na tsy ananana fahafaham-po aza.

Na dia andro fikaramana aza no nanatanterahana ny hateloana amin'ny fiomanana amin'ny fankalazana ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra, dia tsy vitsy ireo fianakaviana nahafoy ny asa fanaony andavanandro hamonjena izany. Vokany : fahasoavana nirotsaka tamin'ny fiainan'izy ireo : avy ny orana.

Fantatr'i Alain fa mandefa fanampiana any amin'ny toby fitaizana zaza kambana any Madagasikara ireo ray aman-dreniny. Nanomboka nigafy tao an-tokantrano izy noho izany. Nianjera i Line Bordas ary notsaboina teny amin'ny hopitaly.

Tratra alina sady tratra ny orana i Don Bosco no nampandrosoin'ny tokantrano iray. Nokarakarainy tsara nomeny ody am-bavafo. Saingy rehefa fantany fa hoe i Don Bosco ity vahiny tratra alina dia vao mainka nanamboarany sakafo be mihitsy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...