Toy ny reny niteraka mihitsy no andraisan'ireo ankizy ao amin'ny Oratorio an'i mama Marguerite renin'i Don Bosco. Na izany aza tapa-kevitra ny handao ireo ankizy i mama Marguerite noho ny ditran'izy ireo, saingy rehefa nibanjina ny hazofijalian'i Kristy izy dia niverina tamin'ny fanapahan-keviny: hijanona ho an'ireo ankizin'i Don Bosco.

Tonga ny fotoana nahalalan'i Line Bordas ny tena marina tamin'ny tantarany. Ireo tovovavy naman'i Alain zanak'ireo nanangana azy no nanarabiraby sy naneso azy tamin'ny filazana ny marina. Tsy anabavin'i Alain izy, ary tsy anadahiny i Alain. Tsy zanaky ny ray aman-drenin'i Alain izy fa zaza natsangan'izy ireo.

Na dia andehanana dia an-tongotra lavitra dia lavitra aza ny hahitana an'i Don Bosco, dia nataon'ireo ankiziny izany mba hahazoan'izy ireo mikofesy aminy.

Nihafihafy teo anilan-draikely sy nangasihasy tamin'ny fitiavan'anadahy notefitefena fa tsy tena izy i Line Bordas. Saika izany no nandrakotra ny androatokon'ny fahazazany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...