Na dia efa nifanatrika tamin'i Line Bordas aza i Tody vadin'i Noro, dia tsy nanam-po velively fa izy ilay vahiny notsenain'i Noro hatrany Antananarivo. Tsy nijanona tamin'ny fahagagany ihany izy fa niampita tamin'ny fanadihadiana bebe kokoa ny momba an'i Line Bordas sy ity anton-diany manokana aty Madagasikara.

Nampikofesy sy nampanao lamesa ireo tanora voafonja tamin'ny toerana iray i Don Bosco, ka reraka mafy noho izany. Rehefa handeha hody izy dia tsy tadidiny intsony ny varavarana ivoahana ny fonja ka tafatsofoka tsinahy tao amin'ny tokantranon'ilay tompon'andraikitra mpanameloka ho faty, ireo mahazo izany sazy izany. Rehefa nifanerasera tamin'i Don Bosco izy nanomboka teo, dia tapa-kevitra ny hiala amin'izany asa ratsy izany.

Nihanangatsiaka hatrany ny fifandraisan'i Line Bordas tamin'i Alain. Na izany aza tsy nataony ho tompon-tano mihono ity noraisiny ho toy ny tena anadahy mifanapa-tsinay aminy, fa nilazany ny fahatapa-keviny hitodi-doha ho any Madagasikara, ho any Mananjary.

Nandalo tany Asti i Don Bosco sy ny mompera iray niara-dia taminy, ary tsy hadinon'ireo mponina tao mihitsy izy satria tanàna nanakaiky ny toerana nahaterahany indrindra izany ; ary nahafaly ireo mponina tao ny fandalovany na dia teny amin'ny fiantsonan'ny fiaran-dàlam-by fotsiny aza. Ireo masera niara-dia taminy dia gaga sy talanjona nandinika an'i Don Bosco sy ny fandraisan'ny olona azy. Nihevitra mantsy izy ireo fa olona masiaka sy tsy dia azo ifandraisana i Don Bosco, kanjo hay ny mifanohitra amin'izany tanteraka.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...