Nangala-pihinana ka nanara-po tamin'ireo sakafo nomanina ho an'ny vahiny ny tovolahy iray antsoina hoe Viglietti tao amin'ny Oratorio. Narary kibo mafy vokatr'izany izy. Nibaboka ny helony izy, ary nikonfesy tamin'i Don Bosco fa nihevitra fa efa saika ho faty.

Nataon'ilay ray nanangana an-kilabao sy ilay anadahy indramina an-jorom-bala i Line Bordas. Nentina ara-bakiteny amin'ny maha zaza natsangana azy tokoa ny fitondrana azy tao an-tokantrano.

Ravan'ny rivo-doza ny trano naorin'i Don Bosco sy ireo tovolahy taizany ao amin'ny Oratorio. Tsy kivy izy ireo fa nanorina vaovao indray. Mitombo andro aman'alina ny sedra nolalovan'izy ireo, indrindra fa i Don Bosco.

Tonga soa aman-tsara tao Mananjary i Line Bordas sy Noro. Mbola nanatitra azy tany amin'ny tranom-bahiny i Noro. Nitohy ny fitantaran'i Line ny tantarany: Line Bordas, tsy mba ninono tamin-dreny niteraka.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...