Alahady 19 jolay 2026 - Alahady faha-16 mandavantaona — A — Mahandry Andriamanitra ary mamindra fo. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Nahoana Andriamanitra no mamela ny ratsy hisy, raha tena mahery tokoa Izy nahoana mbola misy ny tsy rariny, nahoana no mbola misy ny zava-dratsy mampahory? Andriamanitra anefa dia tsy maika hanasazy fa maika hamonjy, ary mitsara amin'ny halemam-panahy izy. Ny olona tena mahery dia izay afaka mamela heloka ; ny famindram-po no tena porofo maha Andriamanitra an'Andriamanitra...
Hafatr'i Kristy ny fifankatiavana : Didy vaovao no omeko anareo dia izao : Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. Ny porofom-pitiavana aza ho an'i Jesoa Kristy dia ny famoizany ny Ainy. Manana hasina ny aina, koa aoka mba hanaja sy hiaro ny aina isika. Andrandraina ny fifamelan-keloka sy fiombonana afahana manavao tanteraka sy mampandroso ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Tsy izay miantso hoe "Tompoko! Tompoko!" no hiditra any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra fa izay manao sitrapon'ny Ray sy izay miasa amin-kerim-po. Izao ilay sitrapon'ny Ray dia hifankatiavantsika samy isika, ary ny hahitantsika an'i Kristy eo amin'io namana akaikintsika io. Antsoina ho any amin'ny hasambarana sy fiatanana isika... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Md Joany 13, 35 : izao no hafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia. Ilay fiaraha-monina misy antsika io no hiainantsika ny fitiavana. Fiaraha-monina mirindra sy milamina. Hoy Papa Léon XIV : ny fitiavan'i Kristy dia miseho amin'ny fitiavana ny mahantra, izay hita amin'ny alalan'ny fikarakarana ny marary... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Alahady 12 jolay 2026. Alahady faha-15 mandavantaona — A — Nokendren’Andriamanitra hisy vokany eo amin'ny fiainantsika, ny Teniny. Aleloia. Aleloia. Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay. Aleloia. Tsy very maina ny tenin'Andriamanitra, efa nokendren'Andriamanitra hisy vokany amintsika ny Teniny, mety tsy ho hitantsika avy hatrany ny vokany sy ny fivoarana haterany, anefa miasa mangina Izy, efa mamelona sy manavao ny olona sy ny tantaran'olombelona Izy. Ny Tenin'Andriamanitra dia teny velona sy mahery, porofo ny nahariana an'izao rehetra izao...
Manoloana ny tranga misy ankehitriny dia miroaroa saina ny vahoaka ka ilaina ny vavaka ho fanalana ozona eto amin'ny firenena ; voahitsaka ny zo aman-kasin'ny olona sy ny fokonolona. Tokony hazava tsara ny fivezivezen'ny olona amin'ny alalan'ny fampiharana ny jado (couvre feu), indrindra manoloana izao fanakorontanana ny firenena amin'ny hala-jaza sy ny fakana ankeriny. Anjelin'Andriamanitra, mpiambina ahy sy nanankinan'Andriamanitra mpamindrafo ny aiko, hazavao aho anio, hambeno ary tahio, ary zakao, Amen! ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Samy miombona eo amin'Andriamanitra Ray Zanaka sy Fanahy Masina ihany ny olona nefa indraindray ary ao vao tena misy fizarana. Toa re manako foana ilay vavak'i Jesoa hoe : mba ho iray anie izy rehetra. Mila antsoina mandrakariva ny Fanahy Masina mba ho fiombonana tena izy no hitranga. Ny Konsily dia antso afahan'ny rehetra hifanakalo hevitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Tena tsy azo atao tsirambina ny fisian'ny Fanahy Masina ; ary hanaraka azy an-kafanam-po. Noho izany dia tsy ho vitan'ny sain'olombelona no hoe handeha hifandray, handeha hiresaka, handeha hifanakako hevitra raha tsy eo ny Fanahy Masina. Toa an'ireo Apôstôly sy mpianatra maro tamin'ny andro nidinan'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Tian'ny Konsily hambara fa Andriamanitra no fototra iombonantsika fa hoy izy hoe toa ny hazo ka mizarazara ny rantsany : Satria Andriamanitra RAY no fototra sy fiafaran'ny olombelona rehetra, noho izany dia antsoina ho mpirahalahy sy mpianadahy daholo ny olombelona rehetra. Rehefa tsy miray saina dia tonga ho azy ny fizarana sy fisarahana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Voaantsoa ho amin'ny fifankatiavana isika olombelona. Ny hafatry ny Evanjely no manentana sady mamporisika antsika hifankatia? Izay no toetra hahafantaran'ny olona fa mpianatra sy mpanaradia an'i Kristy marina isika. Tsy ho afaka amin'ny antson'i Kristy io isika, satria io no lalan-tokana mitondra antsika makany amin'ny fifandraisana araka an'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Ny Evanjely na ny Tenin'Andriamanitra izay nohenoina na zaraina tamin'ny alalan'ny toriteny dia tokony ho hita amin'ny fiainana andavanandro ny fampiharana azy. Tsy ampy fotsiny ary noho izany ny mihaino fa ilaina koa ny mampihatra azy eo amin'ny fiainana andavanandro. Ny asa eto an-tany dia toerana hanompoana an'Andriamanitra sy ny namana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Ny mpino tsirairay dia mila mijoro mitondra ilay fihavanana mafy orina. Mampitombo harena ao anatin'ny fahasamihafana. Tsy manaiky ho resin'ny kolontsaina tsy mitovy. Olona vonona hifankatia, olona vonona hiray saina ; ny fiaraha-monina kely misy antsika dia tokony ho môdely azo halaintahaka ho an'ny hafa noho ny fahaizantsika mihavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco