Manana anjara raharaha ny mpino tsirairay eo amin'ny fiangonana misy azy, isan'izany ny fitondrana am-bavaka ny olombelona rehetra. Tokony hiezaka ny olona rehetra indrindra ny Kristianina hanao izay hahatonga izao tontolo izao hikatsaka fihavanana mafy orina eran-tany. Antso ho antsika rehetra ilay maniry fihavanana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Alahady 05 jolay 2026. Alahady faha-14 mandavantaona — A — I Jesoa : Be fitiavana sy malemy fanahy ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny harerahana dia mpahazo ny olombelona : ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, izay vokatry ny ahiahy isan'andro, ireo olana maro samihafa. Maro ireo mitsiky ety ivelany fa manana olana lalina anaty, anefa mbola eo Jesoa, efa nilaza fa hanamaivana ireo izay mahavesatr'entana. Tsy mamaly herisetra Andriamanitra fa ny manala ny fototry ny herisetra no ataony. Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po i Jesoa...
Misy dikany sy lanjany ny fanadinana hatao eo anivon'ny sekoly katôlika satria ny fanabeazana eo anivon'ny Eglizy katôlika no mari-drefy mpandrefesana (Baromètre) ho an'i Afrika, hoy ny eo anivon'ny Firenena Mikambana.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina. Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana! Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao, Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO.
Ny hafaliana sy fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjo ny olombelona amin'izao fotoana izao dia hafaliana sy fanantenana ary fahoriana sy ahiahin'ny mpanatr'i Kristy. Miainga amin'ny fotom-pampianaran'ny Fiangonana dia mikendry sy te hampiseho ny zava-misy marina eo aminy ny Fiangonana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Adidy ny fitiavana ny Tanindrazana, ary zavatra voajanahary izy io, porofon'izany dia nitia ny Tanindrazany i Jesoa, nitomany izy nilaza hoe : "Ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina ho ao aminao, impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao toy ny hanangonan'ny reny akoho ny zanany, eo ambany helany fa tsy nety nihaino ianao. Adidy ny fihainoana ny tenin'ireo ray aman-dreny izay manamafy ny rariny sy ny hitsiny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 21 jona 2026 - Alahady faha-12 mandavantaona — A — : Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Teny miverimberina anatin'ny Evanjely ny hoe "Aza matahotra" fantatr'i Jesoa fa io no sakana tsy afahantsika manaraka ny diany (tahotra ho very asa, tsy fahombiazana, aretina, very fananana, haneho sy hanoehoan'olona hevitra, fanenjehana, fiainana sarotra, tahotra hijoro amin'ny marina) Kanefa ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany....
Didy fahadimy amin'ny Didin'Andriamanitra ny hoe "Aza mamono olona". Ny mamono olona tsy amin'ny rariny, na mamono tena no voarara amin'io didy io, izany hoe famonoana olona noho ny fankahalana, na managadra olona noho ny valifaty, managadra olona noho ny tombontsoa, ny famonona ireo marary ho fampitsaharana ny fanaintainany, ny manala zaza sy ny mikapoka vehivavy mitondra vohoka. Fahotana lehibe ny famonona olona satria misandoka ny fahefan'Andriamanitra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny Fanjakàn'i Jesoa Kristy no iankinan'ny asa mampandroso ny toe-karena sy ny fiaraha-monina. Ny Kristiana mazoto hampandroso ny toe-karena sy ny fiaraha-monina ary hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiava-namana dia tsy maintsy mahalala marina fa hahavita be izy ireo amin'ny fampandrosoana ny taranak'olombelona sy ny fandriam-pahaleman'izao tontolo izao... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Matetika hita any amin'ny faritra na firenena tsy mandroso ara-toekarena loatra ny fisian'ny tany midadasika be tsy ampiasain'olona kanefa dia tokony ampiasaina hampitomboana harena. Mazàna dia olona vitsy mpikarama na mpanofa sombin-tany no mikarakara azy eo. Ireo miasa tena mifototra eny an-kianja anefa tsy mahazo karama ara-drariny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Manampy amin'ny fivelaran'ny maha-olona hoy ny Eglizy ny fananan-javatra manokana ary ahazoany mampiasa ny andraikitra ao amin'ny tany ama-monina. Manan-jo ny olona hanana fananana manokana satria miantoka ny fizakan-tenany sy ny ankohonany izany, anefa tokony ho amin'ny antonony sy anaty fandanjalanjàna izany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Misy adidy mavesatra tokony ho tsapan'ny mpampiasa na tompon'ny renivola na olon-tsotra na vondron'olona na fanjakàna dia : voalohany dia mitsinjo izay ilaina hananana fiainana mendrika, faharoa dia mitsinjo ny vodiandro ho merika ka mandanjalanja tsara ho fitsinjovana izay ilain'ny taranaka ho avy, fahatelo dia ny fitsinjovana manokana ireo faritany na firenena osa kokoa ara-toekarena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Na manao ahoana na manoa ahoana ny endriky ny maha-tompon-javatra dia tsy tokony hihevitra na oviana na oviana ho tompony samirery ny olona amin'izay heveriny ho fananany ka hanasoavany ny tenany fotsiny fa tsy maintsy hanasoavany ny hafa ihany koa izany fananany izany. Zo ny hanana anjara fananana manokana fa ilaina ihany koa n fiahiana ny mahantra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco