Ny Eglizy dia tsy voafehin'ny rindram-pandrosoana manokana (môdelim-pitantanana ekônômika, na pôlitika, na vondrom-pihaviana na firazanana) hany ka katsahiny ny firaisan'ny olombelona rehetra (tranobe iombonana ity tany onenantsika ity hoy ny Papa François) Ny Eglizy ao amin'i Kristy dia toy ny Sakramenta... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Resy lahatra ny Eglizy fa Andriamanitra ihany no hany afaka manome fahafaham-po ny faniriana lalina ao am-pon'ny olombelona na eo aza ny haren'ny tany izay manintona azy. Eo anatrehan'ny herin'ny fahotana sy ny halemena maha-olona dia i Kristy mihitsy no zary lalàna fototra mamerina ny hasina maha-olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny asan'ny olombelona eto amin'izao tontolo izao dia maro sy manana ny lanjany ; maro anefa ireo manao tsinotsinona ny asan'ny hafa toy ny asan'ny tantsaha sy ireo olombelona anaty fahasahiranana, indrindra ireo mpitondra. Tsy voahaja ny zon'ny olombelona, ny fitsipika mibaiko sy hitondrana ny asan'ny olombelona dia ny Didin'Andriamanitra (ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana). Misy rohy voary mifamatotra amin'ny asan'ny olombelona, tokony hajaina ny tontolo manodidina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Tsy misy mahalala izay iafaran'ny tany sy ny olombelona ary ny fiovan'zao tontolo izao isika fa ny hany fantantsika dia mandalo ny endrik'izao tontolo izao. Izany indrindra no tokony hiomanantsika mandrakariva ka : ny asa atao amin'ity fiainana mandalo ity no entina anomanana ny hasambarana maharitra mandrakizay... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny Eglizy dia sady fikambanana hita maso no fikambanana ara-panahy ka miara-mamindra amin'ny taranak'olombelona ary miara-mizaka ny anjaran'izao tontolo izao. Ny Eglizy dia eo amin'izao tontolo izao ka mifaningotra aina aminy. Ny Eglizy dia miorina avy amin'ny aina ao amin'ny Trinite Masina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Tamin'ny alalan'ny Teny no naharian'Andriamanitra izao tontolo izao sy ny zava-misy ao aminy. Mbola io Teny io no Tonga Nofo ka nonina teto an-tany dia i Jesoa Kristy, ilay olombelona lavorary indrindra ary niditra tao amin'ny tantaran'izao tontolo izao izy, mba hamerina ny hasin'ny maha-olombelona izay simban'ny fahotana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny fanembohana masina ao amin'ny Eglizy katôlika dia fomba litorjika mampiasa emboka manitra, ka arehitra sy entina manemboka ny olona, ny zava-masina toy ny sary masina, Otely/Altara, Evanjeliery, eo koa ny razana entina ao am-piangonana atao veloma farany. Ny dikan'ny emboka manitra natolotry ny Majy : Volamena manambara ny maha Mpanjaka ; emboka manitra maneho fa Andriamanitra ilay notolorana ; mira manambara ny fijaliany sy ny fahafatesany. Fandaharana "Finoana Aina" iarahana amin'ny P. Randriamanamahenina Robert Maria...
Marina fa zava-dehibe ho an'ny fiainantsika olombelona ny fandrosoana, nefa tsy azo lavina koa fa mitondra fakampanahy maro samihafa izany. Rehefa mikorontana ny ambaratongan'ny soatoavina ary mifangaro ny tsara sy ny ratsy dia lasa tsy mijery ny tombontsoan'ny hafa intsony ny ankamaroan'ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny zava-boary rehetra sy ny fiaraha-monina dia samy manana ny lalàny sy ny soatoaviny na ny hasiny manokana, izay tsy maintsy fantarina sy ampiasaina ary mila mifanaraka amin'ny sitrapon'ilay Mpahary ny fampiharana azy mba ho tena ara-drariny io fizakan-tena ny zavatra ara-nofo io. Andriamanitra dia Fitiavana, tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Hatrany ampihandohana dia efa voadidy hiasa isika olombelona, ka amin'ny alalan'ny fanaovana ny tsara sy ny asa araka ny tokony ho izy no handavorariana ny tena. Ireo fitsipika tokony hifehy ny asan'ny olombelona : memetraka fa ny hasarobidin'ny asa dia miankina amin'ny fanatsaràna ny maha-olombelona manontolo fa tsy amin'ny famokarana ara-nofo fotsiny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny asa sy ny fandrosoana dia mikendry hanatsara ny fiainana mba hifanaraka amin'ny lahatr'Andriamanitra. Noforonina araka ny endrik'Andriamanitra ny olombelona, nomeny andraikitra sy iraka, mba hizaka ny tany sy izay rehetra eo aminy, hitondra ny voary tontolo amin'ny fahamasinana sy amin'ny fahamarinana ary hanaiky an'Andriamanitra Mpahary... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Alahady 19 aprily 2026 - Alahady faha-3 - Taona "A" fankalazana ny Paka : Mitoera eto aminay, Ry Tompo ; Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao Azo zaraina efatra ny dingana nizoran'ireo roalahy vao nahalala an'i Jesoa : Ny fahadisoam-panantenana teo amin'izy roalahy, ny fahatongavan'i Jesoa niara-dalana tamin'izy ireo, Jesoa mampianatra ny Tenin'Andriamanitra, ary farany ny famakiana ny mofo nataon'i Jesoa. I Jesoa, Andriamanitra dia tsy miandry fotsiny antsika ao amin'ny Tabernakle fa manantona antsika eny amin'ny fiainana andavanandro, anaty ny sarotra, ary mihaino Izy....
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco