Miaina fiovan-toetsaina lalina ihany koa ny olona ankehitriny, izay miseho amin'ny fanalavirana ny fomba fijery mahazatra, faniriana hahatakatra ny olombelona amin'ny fomba vaovao misokatra amin'ny fomba fijery maneran-tany. Ireo fiovana ireo dia mitaky ny olona hahay mandinika ary mandray fanapahan-kevitra amin'ny fomba mahaleotena, tsy miankina amin'ny fahazarana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Alahady 29 martsa 2026 - Alahady Sampankazo - Fandinihana ny fijalian’ny Tompo - Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Ny vola noraisin'i Jodasy tamin'ny takalon'ny fanoroana an'i Jesoa dia taratry ny famadihana ny hafa, amin'ny toe-piainana ankehitriny, no sady tsy firaiketana intsony amin'ny marina, ary miafara amin'ny fomonoana aina. Mila mivavaka isika indrindra anatin'ny sarotra ; i Jesoa zanak'Andriamanitra dia nanaiky ny hitondra ny hazofijaliana ho fanafahana ny olombelona...

I Madagasikara dia isan'ireo firenena mbola ahitana tranganà kolikoly betsaka indrindra, noho ireo tsy fahadiovana eo amin'ny fitondran-draharaha. Porofo mivainga, ny fanendrena tompon'andraikitra, amin'ny famitana tolo-draharaha eny anivon'ireo ministera sy ireo orinasa. Raha tiana ny handrosoan'ny Firenena dia atao ezaka ny fialana amin'ny kolikoly : aoka tsy ny vola na ny hafa no hanosika amin'ny fanapahan-kevitra, fanajana fotoana sy fanonerana ireny, fanajana ny hasin'ny hafa sy ny hasin'ny tena, fanaovana laharam-pahamehana ny tombontsoa iombonana, hiaino ny finoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny Gaudium et Spes dia foto-pampianarana ara-pastoraly momba ny Eglizy, manoloana ny vanim-potoana ankehitriny ; eny ny hafaliana sy ny fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjoa ny olombelona amin'izao fotoana izao, manjo indrindra ireo mahantra sy mijaly dia hafaliana sy fanantenana, fahoriana sy ahiahin'ny mpianatr'i Kristy rehetra. Voaresaka ao anatin'ity fotom-pampianarana ity ny lafiny ara-pinoana sy ny ara-pitondrana, ireo toetra amam-pihetsika, araka ny toer'olombelona sy ny fivoarana misy eto an-tany amin'ny lafiny maro... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Manoloana ny fiovana, ny Konsily dia miantso ny Fiangonana mba ho mailo sy manam-pahendrena ka handinika lalina ny zava-misy vaovao anefa tsy handao ny Evanjely. Tsy tokony hatahotra ny fiovana ny Fiangonana fa kosa hanavaka izay manaja ny maha-olona sy izay mety hanimba azy. I Kristy ihany no ahitana ny fototra mafy orina afaka mitarika any amin'ny  fiovana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ao anatin'ny Gaudium et Spes n°4 dia mandinika ny toe-javatra iainan'ny olombelona amin'ny tontolo ankehitriny, izay voamariky ny fandrosoana lehibe nefa koa anaty fikorontanana sy tebiteby lalina, ny Eglizy. I Kristy no fanantenana marina afaka mandresy ny tebiteby lalina indrindra ao am-pon'ny olona. Ao Aminy no ahitàn'ny olombelona ny valin'ny fanontaniana fototra momba ny ho avy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ny fiovana ara-tsôsialy sy ara-kolontsaina dia miseho amiin'ny fanovana ny rafitra ara-pianarana, asa, sy ny fitantanana, fanitarana ny fahalalana sy ny fidirana amin'ny vaovao, fivoaran'ny fomba fiainana sy ny soatoavina, fiovan'ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona sy ny vondrom-piaraha-monina. Ireo fiovana ireo dia mitaky fahatsiarovan-tena sy fanabeazana vaovao... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ny Fiangonana dia mahita fa tsy afaka misaraka ny famonjena ara-panahy sy ny fandrosoana maha-olona. Ny Fiangonana dia maniry ny hanampy ny olombelona hahalala ny fahamarinana momba ny tenany sy ny fiainany, hiaro ny hasin'ny maha-olona, hiady amin'ny tsy rariny,ny fanandevozana ary ny fanilikilihana, hanangana fiaraha-monina mifototra amin'ny rariny sy ny fitiavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Ny Gaudium et Spes n°2 dia manambara fa ny Fiangonana dia manana iraka mazava : mitory an'i Kristy amin'ny olombelona rehetra, amin'ny fomba mifanaraka amin'ny zava-misy iainan'ny tontolo maoderina. Tsy midika izany fa manilika ny kolontsaina na ny fandrosoan'ny Fiangonana fa maniry ny hifampiresaka amin'ny siansa sy ny kolontsaina, hanaja ny fahafahan'ny olona misaina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Manambara ny Gaudium Et Spes n°2 fa ny Fiangonana dia tsy faly noho ny hery na ny fahefana ananany fa satria Kristy velona no ao aminy ; Izy no fahazavana sy fahamarinana atolotry ny Fiangonana ho an'izao tontolo izao. Ny hafalian'ny Fiangonana dia miorina amin'ny finoana dia Andriamanitra tonga nofo, niara-nonina tamin'ny olombelona, ary namonjy ny olona tamin'ny alalan'ny fahafatesany sy ny fitsanganan-ko velona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Tsy misy zavatra maha-olombelona marina izay tsy mampihetsi-po ny fon'ny mpianatr'i Kristy ; ity fanambarana ity dia manasongadina ny hasin'ny maha-olona. Ny Gaudium Et Spas dia manasa ny Fiangonana sy ny Kristianina rehetra hanana fijery misokatra sy feno fitiavana amin'ny olombelona sy ny tontolo iainany, ka tsy hijanona amin'ny fitoriana fotsiny fa hiditra lalina amin'ny zava-misy ... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Alahady 22 martsa 2026 - Alahady faha-5 - Taona A Karemy - I Kristy no fiainana sy fananganana ho velona. Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izay mino Ahy. Ny isa "efatra" dia manambara izao tontolo izao : ny avaratra sy atsimo, ny atsinanana sy ny andrefana ; mba hanehoan'Andriamanitra ny voninahiny ary mba handresen'Andriamanitra Zanaka an'izao tontolo izao no nananganany an'i Lazara. Izay naterak'Andriamanitra dia maharesy an'izao tontolo izao. Mamakivaky izao karemy izao isika ka miezaka mandresy ny fahotana fa izany no fandresena an'izao tontolo izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...