Alahady 14 desambra 2025 : Alahady fahatelo — Taona A : fiavian’ny Tompo - "ANDRASO AMIM-PITOKIANA NY TOMPO". Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho. Taratry ny fiainan'ny mpino maro ny niainan'i Joany Batista, maro no mihidy amin'ny tenany sy ny zava-boahary manodidina azy, toy ny olona ao an-trano maizina. Entanina isika kristianina mba ho fitaratra hahamora ny hidiran'ny hafa ao amin'ny Eglizy, ho fitaovana hitondra ny hafa ho ao amin'i Jesoa Kristy. Faherezana, fahatanjahana, faharetana, fialana amin'ny tahotra sy ny tebitebe no toetra tsara hananan'ny mpino manoloana ny fiainana feno ahiahy izao...
Lehibe ny fahaiza-miaina maneho fifankatiavana, fiombonana. Zava-dehibe ny fahatsapana fa Masina Andriamanitra, mendrika fanajàna ireo havana efa nodi-mandry dia ireo razana nandraisantsika sy nandovantsika ny fahendrena sy ny fiombonana ary indrindra ny fifankatiavana. Tokony kolina sy harovana ny firenena ka mila fahatongavantsaina izany ho an'ny mpino tsirairay sy ny mpiray tanindrazana ary hitandrina sy hanao ny rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny lovam-panahy momba ny mozika teo amin'ny Eglizy manerana ny tany tontolo dia nihary raki-tsoa tsy voavidy vola izay mampisongadina azy amin'ireo zava-kanto hafa, indrindra fa amin'ny maha-hira masina azy miaraka amin'ny tonony, dia manjary ampahany tena ilaina tsy azo esorina amin'ny Litorjia manetriketrika. Ny hira sy ny mozika dia manao ny anjara toeran'ny asa maha-famantarana azy... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Tsy azontsika Kristiana hodian-tsy hita ny loharano sy ny dingana aman'ezaka efa nirosoan'ny Eglizy ka izany no antony hamohafohazana ny fo amam-panahintsika sy ny finoantsika amin'ny alalan'ny katesizy mba tsy hanadinoana ny lasa fa misy ny zavatra tsy azontsika avela fa efa voafaritra ao amin'ny fampianarana na dia eo aza ny zava-misy iainantsika. Ny Eokaristia dia fiombonana... Katesizy momba ny Eokaristia, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Ny fiafaran'ny fanirahana ny Fanahy Masina ao amin'ny asa Litorjika manontolo dia ny mampiray antsika amin'i Kristry mba handrafitra ny Vatany. Ny vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ao amin'ny Litorjia dia tsy azo sarahina amin'ny firaisana amin'ny Trinite Masina sy ny firaisana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Ilaina ny vaomieran'ny Litorjia mba hampandroso ny finoana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Mba hahatanteraka ny fanirahana ny Eglizy dia ny Fanahy Masina no "mampitao sy mitari-dalana azy amin'ny alalan'ny fanomezana samihafa na araka ny ambaratongam-pitondrana na ara-pahasoavana manokana". Koa ny Eglizy, voavatsy amin'ny fanomezan'ny mpanorina azy sy mampihatra amim-pitokiana ny fitandremana ny didim-pitiavana amin'ny fanetren-tena... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Ny alahady no andro ambony indrindra amin'ny fiaraha-miangona amin'ny litorjia, izay hiangonan'ny mpino " ka amin'ny fihainoana ny Tenin'Andriamanitra sy amin'ny fandraisana anjara amin'ny Eokaristia no hanaovan'izy ireo ny fahatsiarovana ny fijaliana, ny Fitsanganan-ko velona ary ny Voninahitr'i Jesoa Tompo, amin'ny fisaorana an'Andriamanitra"... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Mankalaza ny misterin'ny Paka ny Eglizy, araka ny lovam-pampianaran'ny apôstôly efa hatramin'ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona mihitsy, isaky ny andro fahavalo, izay tena antsoina marina hoe Andron'ny Tompo, na alahady. Ny andro nitsanganan'i Kristy ho velona dia sady "andro voalohany amin'ny herinandro" no "andro fahavalo"... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Ny Eveka tsirairay amin'ny maha-vikeran'i Kristy azy dia manana fiadidiana ara-pastoraly ny Eglizy eo an-toerana izay nankinina taminy, nefa koa sady mizaka ao anatin'ny fiombonam-piadidiana miaraka amin'ny rahalahiny rehetra ao amin'ny laharan'ny maha-eveka, amin'ny fiahiana ny Eglizy manontolo. Ny Eveka dia voahosotra ho dimbin'ny apôstôly... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Isan'ny didy mahavery ny olona any amin'ny afobe fandikàna ny didy faha-7 "Aza mangalatra, aza maniry fananan'olona" izany hoe ny maka na ny mitana na ny manimba tsy ara-drariny ny zavatr'olona. Antony izany dia noho ny tsy fahavitan'ny fanonerana ny fahotana. Fahotana mahafaty ny mangalatra sy ny manao izany an-tsitrapo. Tsara kokoa ny miala amin'ny fikasana hangalatra satria ny fanirina ihany koa dia efa heloka... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra na araka ny ambaratongam-pitondran'ny Eveka sy ny Pretra, sy ny fisoronana iombonan'ny mpino rehetra, na dia "samy manana ny fomba manokana avy aza, ny andaniny sy ny ankilany dia mandray anjara amin'ny fisoronana tokan'i Kristy", kanefa sady miavaka araka ny maha-izy azy, no "nalamina hifameno" ireo... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Amin'ny alalan'ny andraiki-panompoan'ny mpandraharaha voahosotra, singanina manokana ny Eveka sy ny Pretra dia manajary hita maso eo anivon'ny ankohonan'ny mpino ny maha-misy eo an'i Kristy, amin'ny maha-filohan'ny Eglizy Azy. Araka ny fomba fiteny mahafinaritr'i Masindahy Ignace d'Antioche, ny Eveka dia toy ny sary velon'Andriamanitra Ray... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco