Mila fahazarana ny famakiana ny Soratra Masina ; ao anatin'ny Soratra Masina no hakana ny teny vakiana sy ny toriteny noho izany dia tsy azo atao ambanin-javatra ny Soratra Masina ao amin'ny Litorjia. Ny Soratra Masina dia loharano fototra amin'ny Litorjia rehetra. Ny fankalazana rehetra dia tokony hanana laharana lehibe ho an'ny Tenin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Alahady 23 novambra 2025 : Alahady faha-34 mandavantaona — D — Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao. I Kristy Mpanjaka hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra. Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo; hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Mifarana anio ny taona litorjika ho an'ny Fiangonana ary hisantatra taona vaovao manomboka amin'ny alahady 30 novambra 2025, alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo. Ny fanjakan'i Jesoa dia miavaka satria izy no Mpanjakan'ny aina, Mpanjakan'i fahamarinana, Mpanjakan'ny fiadanana sy ny famindram-po, ary Mpanjakan'ny fitiavana...
Manana adidy lehibe izay olona sy mpikambana voatendrin'ny Fiangonana hiandraikitra ny "Justice et Paix" mba hiaro tanteraka ny rariny sy ny hitsiny ary ny fandriam-pahalemana. Ny zo aman'adidy dia izay voafaritry ny lalàna sy ny fitsipika ifampifehezana, mifamatotra ireo ; Ny rariny sy ny hitsiny dia tsy hoe izay voafaritry ny lalàna no hampiarina fahatany fa fanapahan-kevitra voalanjalanja... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny fiketrahana Masina irery no manana fahefana faratampony amin'ny fandaminana, fanovana Litorjia. Ny Eveka afaka manova araka izay lalàna manan-kery, izay voarakitra ao amin'ireo tahirin-kevitra maro misy eo amin'ny Eglizy. Omena fahefana ihany ko any CEM amin'ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana. Ny fanavaozana dia atao amin'ny fahefana ara-kanônika... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy atao noho ny lamaody fa amin'ny antony lalina sy fototra (fahasoavana, fiombonana, finoana). Tsy maintsy mitandrina amin'ny fahamarinam-pampianarana sy manaja ny fomban-drazana masina ; ny Eglizy no mitahiry ny lova-panahy, tahirin-kevitra voahangona manaja ny lalàna. Alohan'ny hanavaozana dia atao ny fandalinana maro lafy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny Fiangonana dia tapa-kevitra amin'ny fanavaozana ny Litorjia satria io no endriky ny Eglizy, manandanja ny fanavaozana sy ny fanatsaràna mba hifanaraka amin'ny vanim-potoana iainana. Tsy miova ny toetry ny Eokaristia, misteri-panahy, tsy midika hanova amin'ny tsy antony fa hanavao amin'ny fanajàna ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Aoka ny Eveka sy ny pretra hampianatra sy hanofana ny vahoaka mba hahalala sy handray anjara tsara amin'ny Litorjia. ohatra : Fanofanana ny vaomieran'ny Litorjia isa-paroasy. Mila katesizy Litorjika ho an'ny mpino, manaza ny dikan'ny Eokaristia sy ny vavaka isan-karazany, ny sakramenta ny taom-piangonana. Tokony ho fantatry ny mpino fa izy rehetra dia mandray anjara amin'ny asan'i Kristy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
Aoka ny fikambanana sy ny ivon-toerana momba ny fianarana litorjika hiorina sy hanampy amin'ny fanavaozana. Tokony hisy "centre de liturgie" isam-piangonana na amin'ny ambaratonga nasiônaly, hanomana sy hanofana ireo mpitarika. Ny fanabeazana litorjika dia andraikitra iraisan'ny Eglizy manontolo, tsy an'ny seminera na pretra irery... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
Aoka ny Eveka hikarakara mba hisy fiofanana litorjika ho an'ny pretra efa miasa amin'ny asa pastoraly. Mila fampahatsiahivana sy fanavaozana tsy tapaka ny pretra amin'ny fankalazana. Tokony hisy fivoriana, fianarana, retraites spirituelles ho amin'ny fanavaozana ny fahaiza-mitarika amin'ny Litorjia. Ny pretra dia miaina ao anatin'ny fanavaozana mitohy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
Ny fianarana momba ny Litorjia dia tsy amin'ny soratra fotsiny fa amin'ny fanazaran-tena sy fanatanterahana mivantana. Tokony hanana traik'efa amin'ny fankalazana ny seminarista, amin'ny vavaky ny Eglizy, amin'ny Eokaristia, amin'ny Sakramenta. Ny fiofanana Litorjika dia tsy fanazavana teôlôjika fotsiny fa fampianarana miaina ny misterin'i Kristy amin'ny fomba Litorjika... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
Alahady faha-33 mandavantaona — D — Ho avy ny farandro ary hotsarain’Andriamanitra isika - Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona ianareo. Mbola hifarana ny tantaran’izao tontolo izao, indray andro any, hanjakan’i Kristy mandrakizay amin’ny olona rehetra. Madiva hifarana ny taona litorjika izay mampitodika antsika amin'ny farandro. Andriamanitra dia tsy mandao amin'ny fotoan-tsarotra, ny faharetana amin'ny finoana no fanalahidin'ny famonjena, tsy amin'ny hery fa amin'ny fahatokiana an'Andriamanitra mitohy...
Ry Andriamanitra Rainay, manampy anay Ianao, ary ny herinao no mampitombo ny voa hafafinay amin'ny tany amin'izao fotoam-pamafazana izao ; fantatray fa tsy ampy asanay, ka enganie Ianao tompon'ny fanambinana mba hatonga ny vokatra ho feno fatra. Arotsahy amin'ny vahoakanao ny tso-dranonao fa rehefa Ianao no mitsimbina dia mahavokatra ny tany, ka hisy hiderainay ny anaranao sy hankasitrahanay.... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco