Mandeha amin'ny toerana iray ny Kristiana mba hamonjy ny fiaraha-mivavaka hankalaza ny Eokaristia. Ny Tenan'i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben'ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Samy manao ny anjarany amim-pahavitrihana avokoa ny reheta amin'ny fankalazana : vaky teny, fizarana kôminio... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Maniry fatratra ny Eglizy Reny mba ho voatarika amin'izany fandraisana anjara feno, amim-pahatsiarovan-tena sy amim-pahavitrihana amin'ny fankalazana Litorjika izany ny mpino rehetra, izay angatahin'ny fomba ny litorjia. Kanefa tsy mitovy raharaha ny ratsambatana rehetra satria misy ireo natsoin'Andriamanitra ho amin'ny fanompoana manokana amin'ny alalan'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Miankina amin'ny Eveka ny andian'ondry any amin'ny Diôsezy, io moa no iraka napetraka taminy satria ny Eveka no mpiandriondry nanakinan'i Kristy ny ondriny. Vatan'i Kristy miray amin'ny filohany no miara-mankalaza ny Litorjia, ankohonan'Andriamanitra iray manontolo anefa ny vatan'i Kristy, noho izany tsy asan'olona iray ny Litorjia fa fankalazan'ny Eglizy ny sakramentan'ny fiombonana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy dia miankina amin'ny Eveka satria izy no mpisorombe. Asan'i Kristy manontolo ny Litorjia ary mandray anjara sy manaraka izany ny rantsana rehetra araka ny laharany avy, noho izany dia tsy azo ampiana araka izay itiavana azy ny Litorjia fa izay efa niainan'i Kristy azy no ezahin'ny Eglizy atao sy hampitaina amin'ny mpino... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy revôlisiôna fa fiverenana amin'i Kristy izay miasa amin'ny mistery, amin'ny vahoakan'Andriamanitra izay mandray anjara, amin'ny kolontsaina sy fiteny izay manampy amin'ny fanehoana ny finoana. Izay rehetra tanteraka taorian'ny Kônsily - toy ny lamesa amin'ny fiteny eo an-toerana, vahoaka mihira sy mamaky, fanovana ny teiandro litorjika... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny didin'Andriamanitra voalaza amin'ny didy faha-valo dia ny lainga araka izay voalaza hoe " Aza miampanga lainga, aza mandainga", izany hoe ny fandraràna ny miampanga lainga, ny mifosa, ny manendrikendrika, mitory olona tsy amin'ny rariny, mijoro ho vavolombelona tsy marina. Isan'ireo didy maro mpanitsakitsaka izy ity ; ny lainga dia heverin'ny maro ho maivana miohatra amin'ny halatra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Tokony halamina tsara ny fombafomba sy ny fiarahana amin'ny fankalazàna. Tokony hanaja ny fitovian'ny mpino rehetra eo anatrehan'Andriamanitra, tsy hijerena tavan'olona ny fankalazàna. Ny fombafomba dia manambara sy manampy amin'ny finoana fa tsy "teatra ara-panahy" ; amin'ny alalan'ny teny sy famantarana dia mampita ny misterin'ny famonjena ny Litorjia... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Tokony ho fohy sy mazava ary tsotra ny fombafomba anefa manankery ara-panahy. Tokony handray toerana lehibe ny Tenin'Andriamanitra amin'ny Litorjia. Ny Latina no fiteny fototra amin'ny Litorjia latina, saingy avela ampiasaina malalaka ny fitenin-drazana (langue vernaculaire) amin'ny ampahany sasany, amin'ny faneken'ny Eveka sy ny fiombonana amin'ny Ray Masina... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny mpandray anjara manokana amin'ny fombafomba (mpamaky, mpihira, mpanotrona...) dia tokony hiofana tsara ara-panahy sy ara-litorjika. Samy manana andraikitra : tsy hanasongadinan-tena fa hanasoavana ny vahoaka ny fandraisana anjara amin'ny Litorjia, fanompoana tsy mitaky valiny. Tokony ho feno amim-pahalalana ary mavitrika ny fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Samy manana ny toetra maha-izy azy ny fombam-pivavahana sy ny fankalazana tsirairay. Raha azo atao dia tokony atao amin'ny fiombonana (vahoaka sy pretra) ny fankalazana rehetra. Ny fankalazana manokana dia natao ho amin'ny antony manokana ihany. Tsara ny mivavaka miaraka, indrindra ny fijoroana vavolombelona eo anatrehan'ny vahoakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Asan'ny Eglizy iray manontolo ny Litorjia, izany hoe asa iombonana ataon'ny Kristy sy ny Eglizy fa tsy fombafomba ataon'ny pretra irery. Ny fandraisana anjara amin'ny lamesa dia asa fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, midika fa tsy mpijery na mpihaino fotsiny fa mpandray anjara amin'ny mistery. Ny fiangonana dia iray tsy mivaky izay manambara an'i Kristy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny Litorjia dia mampihaino sy manambara ny Tenin'Andriamanitra, alohan'ny hanatanterahana ny Sakramenta. Efa natomboka taloha ny fanavaozana satria tsy mitovy ny famakiana boky taloha sy ny ankehitriny (Missel - Bréviaire...) Tsy tokony hiandry ela amn'ny fanavaozana (mitohy) mba tsy ho lany andro ny teny am-piasaina. Olona manam-pahaizana no manova azy... Katesizy momba ny fanavaozana ny Litorjia, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco