Alakamisy 11 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.
Alarobia 10 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.
Talata 09 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16 — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
08 jona — Teraka ny 27 novambra 1838 tao amin’ny tanana kely atao hoe Montlogis tao Polminhac ao amin’ny Cantal tao Auvergne i Jacques Berthieu. Mpamboly sy mpiompy ny ray aman-dreniny izy no zokiny indrindra tamin’ireo fito mianadahy velona notaizan’izy mivady. Tao amin’ny seminera zandriny tao Pau izy no niantra talohan’ny niofanany ho pretra tao amin’ny seminera zokiny tao Saint-Flour.
07 jona — Tany amin’ny faraparan’ny taonjato faha XI tany ho any i Gilbert no teraka tao Auvergne. Anisan’ireo mpanara-dia an'i Masindahy Norbert tao amin’ny fikambanana Ordre des Prémontrés moa izy. Miaramila mpitaingin-tsovaly tao amin’ny tafiky ny mpanjaka Louis VI i Gilbert ary nandray anjara ihany koa tamin’ny ady faharoa ho fanafahana ny Tany Masina ny 1147–1149, niaraka tamin’ny mpanjaka Louis VII.
06 jona — I Masindahy Norbert dia teraka tao Xanten, tanana kely ao Rhénanie, manodidina ny taona 1080. Taranaka amperora ny ray aman-dreniny avy ao Allemagne sy Lorraine. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra tao am-piangonana nefa tsy nahatohitra ny fironany tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraikitra noraisiny izany.
05 jona — I Masindahy Boniface resahana eto dia ilay arseveka tao Mayence, maty martiry tamin’ny 754. Teraka tao Crediton tao Angletera tamin’ny 680 i Masindahy Boniface fa mbola Winfrid moa no anarany tamin’izany. Nisy aretina nahery vaika nahazo azy tamin’izany fotoana izany. Izy anefa efa naniry handeha hiditra hitoka-monina fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny.
Alatsinainy 08 jona 2020 — Masindahy Jacques Berthieu — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21 — Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny amin'i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny fanahin'Andriamanitra.
Alahady 07 jona 2020 — Ny Trinite Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-18 — Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.
04 jona — Teraka tao Lyon tokony ho tamin’ny taona 447 i Clotilde. I Chilpéric II, mpanjakan’i Burgonde no rainy ary i Carétène kristianina no reniny. Nobeaziny tamin’ny hatsaram-panahy sy fanajana ny martiry tao Lyon i Clotilde indrindra fa ny fanajana an’i Masimbavy Blandine izany.
Sabotsy 06 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44 — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiamaratelon'ny fanjakanao.
Zoma 05 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37 — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo ; ny baikonao mazava manilo ny maso.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco