Alahadin'ny sampan-kazo : fahatsiarovana ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema sy fandinihana ny nijalian'i Jesoa Kristy. Ho antsika dia nanolon-tena i Kristy, nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana, ho valin'izany dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy ary nomeny anarana ambony mihoatra ny anarana rehetra. Zavatra roa mifanohitra no hita taratra amin'ity fankalazana ity dia fifaliana, fiombiana ary fanamelohana, fivadiham-pitokisana. Misy ny tsy fahamarinana hita taratra tamin'ny fitsarana an'i Jesoa, mbola mitohy ny fijalian'i Jesoa isaky ny mandika izay voalazan'ny Evanjely, isika. Ho antsika izay hiaran'ny tsindry hazo lena dia ohatra ho antsika i Jesoa, banjino izy, raha mino isika dia hiara-velona aminy...

Alahady fahadimy amin'ny karemy : Te hihavana amintsika Andriamanitra ; raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko. Miantefa amintsika Kristiana ankehitriny ny fanirian'Andriamanitra, te ho Andriamanitsika Andriamanitra. Mila mandini-tena isika ka mametraka fanontaniana hoe : efa mifanaraka amin'ny antson'Andriamanitra ve ny atao rehetra, ekeko ve ny fitantanan'i Kristy, mitombo ve ny fifandraisako amin'Andriamanitra?. Ny famonjena dia tsy natao ho an'ny Jody irery fa ho an'ny firenena rehetra. Ny fitiavana sy ny fanoloratena dia mety hitondra fijaliana sy fahafatesana, izay mitia na tiavina dia mahatsapa sambatra sy faly, izany no maha voambary nafafy antsika, maty vao velona...

Alahady fahaefatra amin'ny karemy : tia antsika mpanota ny Ray ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Ny farisianina dia olona tsy nifankahazo tamin'i Kristy anefa niantso azy hoe Mpampianatra, ho an'ny olona misokatra amin'i Jesoa dia hambarany aminy ny tsiambaratelon'ny famonjena sy ny batemy, ny misterin'ny fijaliana sy ny fitsangana-ko velona ary ny fitsarana farany. I Jesoa no fanomezana lehibe indrindra avy amin'ny Ray, mba hitondra famonjena ho an'ny olombelona sy hananana ny fiainana mandrakizay.

alahady fahatelo amin'ny karemy : tsy mamela hipetra-poana ny fitiavana an'Andriamanitra ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra an' izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy. Ny tena tenimpoly dia i Jesoa izay misy ny Ray ; tsy azo vidim-bola Andriamanitra, nitondra ny tenin'Andriamanitra Rainy i Jesoa, miantefa amintsika ihany koa izany ka arovy mba tsy ho fitadiavam-bola ny fiangonana fa mba fampandrosoana araka ny tokony ho izy sy araka ny finoana no hatao ao. Mila miezaka isika mba tena fanamasinan-tena sy vavaka no haleha any am-piangonana, mila meneho finoana isika rehetra amin'izay hatao sy ny fihetsika. Mila manao ezaka isika mba hanadio ny fo sy ny vatana ary ny fanahy.

Alahady voalohany amin'ny karemy : te hiavana amintsika Andriamanitra ; tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona fa ny teny rehetra haloakan'ny vavan'Andriamanitra. Miditra amin'ny vanim-potoana karemy izay maharitra 40 andro isika ary ny alarobian'ny lavenona no nanombohantsika izany. Mila manao dingana isika ho amin'ny fihavanana amin'Andriamanitra : manao ezaka hiala amin'ny fahazaran-dratsy, manao asa fivalozana sy asa soa, hifady anina sy hifehy tena. Andriamanitra dia manao dingana voalohany mba hiavanany amintsika olombelona : izy Andriamanitra dia nanao fanekem-pihavanana tamin'ny olombelona sy amin'ny taranaka mandimby, tahaka ny tantaran'ny safo-drano.

Alahady fahaenina tsotra mandavan-taona : Sitrana ny boka ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Tompo, tsy misy olona makany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Evanjely masina nosoratan'i Md Marka 1, 40-.45 : Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao... Ny vakin-teny anio dia miresaka ny lalàna sy ny momba ny boka izay tsy maintsy miseho amin'ny mpisorona manamarina fahasitranany...  Maro ireo haboka ara-panahy mahazo ny olombelona ka izay no ezahina tsaboina ao amin'ny Tompo.

Alahady fahadimy tsotra "B" : Misy antony ambony ny fijaliana. Ao ambadiky ny tsy takatry ny sain'ny olombelona dia Andriamanitra no tokony hianteherana, tahaka izay niainan'i Jôba. Ny olona tsy mahazo ny dikan'ny fiainana dia mametram-panontaniana amin'ny tenany, lalana iray hikarohana an'Andriamanitra ny loza amam-pijaliana eto antany. Mila miady sy mandà ny fahadisoam-panantenana ny olona, ary mitodika amin'Andriamanitra fa miaro ny ory sy ny mahantra izy. Maneho ny Eglizy trano ny tranon'i Piera, izay nisy an'i Kristy, ny Eglizy olona kosa dia ireo mpianatr'i Jesoa ; hita taratra amin'ny Evanjely novakiana teo ny fanompoan'ny olombelona ny Eglizy. Samy manana anjara toeram-panompoana ao amin'ny Eglizy isika rehetra... 

Alahady fahatelo tsotra taona-B : Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna ; akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra, minoa ny Evanjely. Alahady fahatelo amin'ny volana Janoary dia natokan'i Papa Ray Masina ho amin'ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra, fotoana natao handiniana ny anjara toeran'ny Soratra Masina eo amin'ny fiainantsika. Ny tsy fahalalana ny Soratra Masina dia tsy fahalalana an'Andriamanitra. Nanohy ny fitoriana ny Evanjely efa nataon'i Joany ihany koa i Jesoa, miantso amin'ny fibebahana. Namela ny maha-izy azy, ireo mpianatr'i Jesoa nantsoiny hanaraka azy ary nihofo araka izay nampianarin'i Tompo... 

Alahady faharoa tsotra mandavan-taona : samy nantsoin'Andriamanitra tsirairay isika. Ny hafatry ny vakin-teny telo : Miantso antsika ho mpiara-miasa aminy Andriamanitra. Hoy Md Augustin : Andriamanitra ilay nahary antsika, tsy nisy antsika, dia tsy afaka mamonjy antsika raha tsy misy antsika. Izay manaiky an-tsitrapo sy am-pitiavana honina ao amin'ny Tompo dia aheno ny feony miantso azy ary sy ho ampitomboiny ao amin'ny fahasoavany. Isika olombelona rehetra no antsoina ho amin'ny fahamasinana... 

Izao tontolo izao no hirin'Andriamanitra ho fianakaviany. Ity alahady ity dia hankalazana manetriketrika ny nisehoan'ny Tompo ho amin'ny olombelona rehetra, ny famangian'ireo Majy an'i Jesoa Mesia, voateraka notantarain'ny Evanjely. Ny Majy dia tsy isan'ny Jody ary tsy mahafantatra ny faminaniana, sokajiana fa avy amin'ny hafa firenena, azo ambara anefa fa mpanjakan'ny tsy mpino sy ny mpanompo sampy. Toa an'i Abrahama ny Majy izay nantsoin'ny Tompo hiala amin'ny taniny ho any amin'ny tany nampanantenaina ho azy izay nentanin'ny finoana. Raha te hahita sy hihaona amin'ny Tompo isika dia mila mandeha lavitra ombam-pinoana, finiavana, herimpo... 

Fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany. Ny vakiteny voaloha sy ny faharoa amin'ity alahady ity dia mitantara ny fiainam-pinoana nananan'i Abrahama sy Sarah vadiny ary ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'izy ireo, mpivady efa samy antitra anefa dia nino ny Tenin'ny Tompo ka dia lasa fianakaviambe. Raha ny fiainam-pianakavina no tomombana tsara dia handroso ny fiaraha-monina. Ny Evanjely dia maneho ny fanarahan'i Md Joseph sy Masina Maria ny lalàna momba ny finoana sy ny lalam-panjakàna, ary io no endriky ny Fianakaviana Masina... 

Andron'ny Noely ny 25 desambra : Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Tompo ; miantso antsika mba ho iray tampo aminy ny zanak'Andriamanitra ; mamiratra amintsika ilay andro masina koa avia ry firenena rehetra mitsaoka ny Tompo satria nidina androany tety an-tany ilay fahazavana lehibe. Andriamanitra no mpanavotra izany hoe ilay manafaka ny rehetra anatin'ny fahantrana izay hisalotra fahafahana ka ho azo antsoina hoe navotan'ny Tompo, irina, tsy hafoy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...