Alahady fahaefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo hanoloran'ny Fiangonana ny hevi-dehibe hoe : ny hevitr'Andriamanitra, tsy hevitsika. Ny Evanjely Masina nosoratan'i Md Lioka 1, 26-38 dia azahoana fintina hoe : indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy. Soa kokoa ny hevitr'Andriamanitra noho ny hevitr'olombelona : te hanorina Tempoly ho an'Andriamanitra i David fa Andriamanitra te hanorina Fanjakana tsy manam-pahataperana ; ny Jody nanantena mpamonjy ho azy fa mpamonjy ho an'izao tontolo izao ny nomen'Andriamanitra...
Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo : Mifalia fa akaiky ny Tompo ; ato amiko ny fanahin'ny tompo, nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin'ny malahelo aho. Evanjely Masina nosoratan'i Md Joany 1, 6-8 ; 19-28 : Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany ; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy... Alahadin'ny hafaliana no iantsona ny alahady fahatelo amin'ny fiavian'ny Tompo. Ny hafaliana no tokony hanenika ny mpanara-dia an'i Kristy na amin'ny mora na amin'ny sarotra...
Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo : amboary ny lalan'ny Tompo ; ahitsiho ny alehany dia hahita ny famonjen'Andriamanitra ny nofo rehetra. Hoy i Izaia hoe : misava lalana any an'efitra ho an'ny Tompo, manorenana arabe any amin'ny tany lavavolo ho an'Andriamanitra, ao ny lohasaha rehetra hasandratra ; izany dia taratry ny fiomanana amin'ny Fiavian'ny Tompo, fa eto izy dia mihendrika sarin-teny. Ny fotoanan'ny Fiavian'ny Tompo dia hanomezan'Andriamanitra ny olon-drehetra ny fankaherezana...
Ny vatsim-panahy dia fandalinam-pinoana sy hizarana sori-dalana pastoraly. Tsy misy olona mamonjy tena samirery fa miara-dalana. Taona litorjika vaovao indray no atolotry ny Eglizy hiainantsika dia ny "fiavian'ny Tompo". 28 andro no hiomanana amin'ny noely izay fiavian'ny Tompo. Ny Evanjely vakiana amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana dia milaza ny fotoana hatongavan'i Jesoa eo anivon'ny olona indray, ka ny toetra tokony hananana hiatrehana izany no resahina betsaka ao : miambena izay midika hoe mivonona ara-panahy...
Arahabaina manokana ireo mitondra ny anarana hoe Sylvestre amin'ity faran'ny taona ity satria i Masindahy Sylvestre no tsaroana ny 31 desambra. Teraka tamin'ny taona 280 i Sylvestre. Mpisorona ny rainy, Rufinus no anarany, ary i Justa kosa no reniny. Romanina izy ireo. Ary nankinin'ny reniny tamin'ny mpisorona natao hoe Cyrinus ny fitaizana azy.
30 desambra — Teraka tao Cannes tokony ho tamin'ny taona 1060 i Masindahy Roger. Niaina tao anatin'ny faharavana vokatry ny ady tamin'ny fanoherana izay nataon'ireo barons normands tsy nanaiky ny fahefan'i Robert Guiscard izy.
29 desambra — Teraka ny taona 1117 avy amin'ny fianakaviana mpanan-karena tao London i Thomas Becket, ka noho ny fanohanan'ny fianakaviany dia afaka nanohy ny fianarany tany Paris izy. Niara-niasa tamin'ny Thibaut, arseveka tao Cantorbery izy, izay nandefa azy ho any Roma ny taona 1151 ka hatramin'ny 1153 sy tany amin'ny sekoly tao Bologne sy Auxerre izay nanofana azy ho mpahay lalana.
28 desambra — Efa hatramin'ny taonjato faharoa ny Fiangonana no namarika ny 28 desambra ho fahatsiarovana ireo zaza tsy manan-tsiny novonoin'i Hérode noho ny hatezerana, satria hoe hisy zaza teraka handray ny fahefana amin'ny maha mpanjaka azy.
27 desambra — Zanak'i Zébédée i Jean araka ny filazan'i Masindahy Matio sy i Marka ary i Lioka, ao amin'ny Evanjely. Mpanarato tao amin'ny farihin'i Tibériade izy, ary mpianatr'i Jean-Baptiste taloha, avy eo nanara-dia an'i Jesoa, Ilay Mpamianatra tiany.
26 desambra — I Masindahy Étienne dia iray amin'ireo diakra fito nofidian'ny Apôstôly, mba hanampy azy ireo tamin'ny asa fanirahana sy ny fitoriana natony. Ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly toko fahenina sy fahafito no ahitantsika ny tantaram-piainany amin'ny antsipiriany, amin'izany iraka nataony izany, na ny nifidianana azy ho diakra, na ny nisamborana azy.
25 desambra — Ankalazaina amin'ity andro ity ny nahaterahan'i Jesoa, Ilay Zanak'Andriamanitra, Mpamonjy izao tontolo izao. Ny Evanjelin'ny Masindahy Matio sy Lioka no mitantara io fahaterahan'ny Tompo io. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia i Maria, zanak'i Anne sy i Joachim avy ao Nazareth sy Galilée no renin'i Jesoa. Ary i Joseph, taranak'i Davida no nitaiza azy. Fofombadin'i Maria i Joseph.
24 desambra — I Masimbavy Adèle na i Adela de Pfalzel dia niaina tamin'ny taonjato fahavalo. Ny mpanjaka Dagobert II no rainy. Nanambady an'i Odon izy ary niteraka an'i Albéric. Io Albéric io no rain'i Grégoire d'Utrecht, ilay mpianatr'i Masindahy Boniface.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco