Ny voa mitsimoka sy mitombo ho Azy ; Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao. Kely amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany ny voan-tsinapy fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra rehefa voafafy. Ny Fanjakan'ny lanitra dia tsy fanjakan'ny mpanefoefo, na an'ny matanjaka fa fanetretena. Ny ahitana ny Fanjakan'Andriamanitra dia ao anatin'ny olona tsirairay. Miezaha mamolatena sy manova toetra fa izany no fanomanana ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny hoe mamolatena dia ireo vonona manao sesitany ny vatany, izany hoe sahy manambara sy miaina ny Fanjakàn'Andriamanitra, miady amin'ny fanangolen'ny fanahy na ireo mamono ny aina...
Alahady faha-10 tsotra mandavantaona-B : Ny fianakaviana miady an-trano dia tsy haharitra ; efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Isika tsy tokony ho gaga raha ohatra ka tsy hinoan'ny ao an-trano izay lazaina, tahaka izay niainan'i Jesoa. Ny hoe "devoly" dia avy amin'ny teny grika hoe "Diabolos" izay midika hoe "mpampizara" "mpampisaraka" "mpandrava". Tsy manohitra ny Fanahy Masina isika olombelona rehefa manatanteraka ny sitram-pon'ny Ray. Izay rehetra manaon'ny sitram-pon'ny Ray dia tonga fianakavian'i Jesoa, indrindra ireo manaraka ny didin'Andriamanitra...
Alahady fankalazàna ny sakramenta Masina sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia ; Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ao amin'ny vatantsika olombelona dia andraikitra lehibe ny asan'ny ra : hery, aina, sakafo, fiadiana hanoherana ny aretina ; sitraki Kristy no nanolorany ny rany nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana mba ho loharano hanovozantsika ny fiainana mandrakizay. Hoy Izy : raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny rako ianareo dia tsy mba hanana ny fiainana ao aminareo. Ny manao Kaominio dia mandray ra vaovao ao amin'ny fiainana, ra an'ilay nitsanga-ko velona, ra mpanasitrana, mpanadio...
Alahady fankalazana ny Trinite Masina : Antsoin'Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika ; Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Tian'ny Eglizy hamafisina amin'izao fankalazana izao ny Misterin'ny Trinite Masina. Hoy Md Anthanase : Raha Andriamanitra takitry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina ; hoy Md Tertullien : ny Trinite dia avy amin'ny teny roa "Tri" sy "Unité" izany hoe telo fa iray. Mila mpampianatra katesizy ny Eglizy, mila vavolombelona hampivelatra ny finoana. Andrasana amintsika Kristiana ny hitovizantsika amin'ny Andriamanitra ray, Zanaka, Fanahy Masina : mifameno, mifankatia...
Alahady fankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy Masina Maria : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana. Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Ny fidinan'ny Fanahy Masina dia tsy nijanona tamin'ny andro niainan'ireo Apôstôly sy Masina Maria fa mbola mitohy hatramin'izao, indrindra rehefa miantso ny Fanahy Masina isika amin'ny vavaka atao...
Alahady fahafito fankalazana ny Paka : Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik'i Kristy Fitiavana ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona. Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ny votoatin'ny Evanjely anio dia ny fisarahana mahamenatra eo amin'ny olona sy ny fiangonana ; misy koa ny fisarahana izay efa tsinjon'i Kristy mialoha dia ny fisarahan'ny mpianatra amin'ny fitoriana ny filazan-tsara, eo koa ny fahasimban'ny firaisana Aminy, ary anton'ny vavaka nataon'i Jesoa hoe : Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo...
Alahady fahaenina fankalazana ny Paka : Tsy mifidy olon-kotiavina Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Miresaka ny "fitiavana" ny vaki-teny telo amin'ity alahady ity : fitiavana Andriamanitra, fitiavana no iainan'ny rehetra (ray, zanaka, mpianatra, samy olombelona). Ny fitiavana ny namana dia mifototra amin'ny fitiavan'i Jesoa antsika olombelona. Andriamanitra no fototry ny fitiavana...
Alahady fahadimy fankalazana ny Paka : Ny tena apôstôly dia matoky, mifankatia ary tsy matahotra ; mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be. Raha tsy mitoetra ao amin'i Jesoa isika dia ho noana, ary mety hofaty aza. Ny finoana tonga lafatra tamin'ny alalan'ny Batemy no mampiombona ny olona amin'i Jesoa. Ny tokony hataontsika mba hamokatra ny sampam-boaloboka dia ny firaiketana amin'i Jesoa kristy, ary manao ny ezaka mba haneho sy hitory azy eny amin'ny fiaraha-monina. Ezaka tsy maintsy hataon'ny tsirairay : fialana amin'ny fahazaran-dratsy, ny fitiavan-tena, fahotana...
Alahady fahaefatra fankalazana ny Paka : I Jesoa, Mpiandry ondry tsara ; Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa. Izy tenany Jesoa mihitsy no milaza fa izy no Mpiandry ondry tsara, dia izy izay mahafoy ny ainy. Tsy mpikarama ny Mpiandry ondry tsara fa ny mpikarama raha vao mahita amboa dia avy dia havelany hiahaka eo ny ondry, ny karama na vola no tanjony fa tsy ny ondry nankinina taminy. Ny takian'ny fiaraha-monina dia olona mpanasoa, mpitsimbona ny madinika, mpikatsaka ny soa iombonana fa tsy tia tena...
Alahady fahatelo fankalazana ny Paka : velona marina i Kristry ; voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo, ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao. Resaka finoana ny fitsangana-ko velona ka tsy maintsy mijery amin'ny masom-pinoana sy fihainoana amim-pinoana isika. Toetry ny olona maro ankehitriny ny fisalasalàna sy ny tsy finoana, mbola maro ny tsy miditra am-piangonana na manao ezaka lehibe aza ireo tompon'andraikitry ny Eglizy. Tena velona marina i Kristy ; tsy azo sarahina ao amin'ny tantaram-pamonjena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, efa voalaza ao ny tantara nisy sy ny ho avy izay iraka ho fitoriana ny Evanjely, hatramin'izao iainantsika izao...
Alahady faharoan'ny Paka sady alahadin'ny famindram-pon'Andriamanitra : mahery ny finoana omban’ny fanantenana sy fitiavana ; nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino. Isika Kristiana dia mitovy amin'ny Thomas, indraindray isika dia tsy mbola matotra amin'ny finoana, sarotra ho antsika ny mino tanteraka ny tenin'Andriamanitra. Ny toetra nananan'i Thomas amin'ny finiavana handalina ny marina momba ny finoana no tokony ho amin'ny kristiana ka mba hazoto handalina ny finoana amin'ny alalan'ny katesisy... Ilana ezaka maro ny maha olom-pinoana...
Alahadin'ny paka : Nitsanga-ko velona tokoa i Jesoa ; efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin'ny Tompo. Tsy zavatra efa lasa no ankalazaintsika amin'ny Paka fa tena miditra ao amin'ny Misterin'ny Pakan'i Jesoa isika olombelona, dia izy nijaly sy maty ary nitsanga-ko velona. Isaky ny manao ny Sorona Masina ny Eglizy dia mankalaza ny Pakan'i Jesoa. Isaky ny manatrika ny lamesa sy mankalaza ny Paka isika dia mihaona amin'i Jesoa tafatsangan-ko velona. Ny fijoroana vavolombelona dia mitaky fiovan-toetra, satria efa nodiovin'i Jesoa, rehefa resiny ny fahafatesana, dia ny toetra ratsy sy ny tsy mety natao teo aloha, ary izany no ezaka amin'izao Paka izao, ka mba ho hafaliana ho ao an-tokantrano...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco