Tsapa miharihary eo amin'ny fiainana kristiana fa arakaraky ny fanekentsika ny fahasoavana no hitombon'ny fahavononantsika hiatrika fisedrana. Mifikirà tanteraka amin'Andriamanitra fa ny fifikirana amin'Andriamanitra dia ahazoana fahasoavana vavaka. Ny fahasoavana no mampiray antsika amin'i Kristy sy mankahery antsika. Amin'ny alalan'ny fahasoavana no hanabeazan'ny Fanahy Masina antsika... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Tsy voatery ho amin'ny fiainana milamina no midera an'Andriamanitra fa amin'ny fiainana manontolo, mety misy mantsy ny fitsapana. Ny herim-panahy faherezana no ahafahana mandresy ny tahotra, eny fa na ny fahafatesana aza. Eo anatrehan'ny sarotra sy ny fahadisoam-panantenana dia ilaina ny mihira ny fanantenana toy ny nataon'i Jesoa, izay hira firavoravoana nataony ary koa vavaka... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Ny fivavahana dia fanandratana ny fanahy ho amin'Andriamanitra na fangatahana amin'Andriamanitra. Ankoatra ny fanetren-tena dia ilaina ihany koa ny fanoloran-tena sy fiderana. Ny famindram-pon'Andriamanitra no mialoha antsika mba hivelona araka ny fitiavam-bavaka isika, ary mbola manaraka ao afarantsika izany mba ahavelona antsika mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra, raha tsy misy Izy tsy mahavita inona isika... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Ny fanamafisana ny fifankatiavana eo amin'ny mpianakavy dia ny vavaka. Manampy amin'ny fiombonan'ny fianakaviana ny vavaka : vavaka alohan'ny sakafo, alohan'ny hatory, fanolorana ny andro... Azo hitarina amin'ny mpiray tanàna ny fiaraha-mivavaka, mampivelatra ny fifandraisana sy ny fifankatiavana, tsara ny mifanentana amin'ny fitiavam-bavaka... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady faha-29 mandavantaona - B : Ny fijaliana : Azo ampiasaina ho fanavontana ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Rehefa atolotra hosoro-pifonana ny fijaliana dia tonga ho famonjena, raha entina miverina amin'Andriamanitra ny fijaliana ary matoky azy dia mody hasambarana ireny. Ny fijaliana dia azo ampiasaina ho fanavontana, ary mitondra famonjena ho an'ny hafa sy ny olona maro. Toa an'i Kristy dia afaka mitondra famonjena ho an'ny hafa ihany koa isika na ao anaty fijaliana aza...
Ny fibanjinana an'Andriamanitra dia midika fa manakaiky Azy, miezaka ny hahita Azy sy hihaino. Ny fibanjinana dia mitaky fepetra : manaiky hiasan'ny Fanahy Masina, manaiky izay sitrapon'Andriamanitra, manaiky am-pinoana izay miseho. Rehefa vita ireo dingana mikasika ny vavaka dia mandrisika antsika haka fanapahan-kevitra ho vavolombelona, hampifanaraka ny fiainana amin'ny Evanjely... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
Ny fampianaran'ny Eglizy dia vina misy dingana maro : fiomanana, famakiana ny tenin'Andriamanitra, fandinihana izay teny novakiana, ny vavaka atao, ny fibanjinana sy ny asa hikatrohana vokatry ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra. Mba hanampy antsika dia tsara raha manaraka izay vaki-teny aroson'ny Eglizy hatrany, mifanaraka amin'ny litorjia... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
26 ôktôbra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)
25 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)
24 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)
23 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)
22 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 35-38)
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco