Manana ny fomba mampiavaka azy ny foko Vezo, isan'izany ny "soron'anaka" fomba iray afahan'ny ray hanana fahefana amin'ny zanaka vavy. Misy karazany telo ilay fomba araka ny tranga misy, raha mbola anaty vohoka dia Soron-troka, raha efa tekaraka dia soron'anaka, fa kosa rehefa mahaleo tena (lehibe) dia soro-bata no ilazàna azy. Ny toerana fanaovana ity fomba ity dia eny amin'ny mpitan-kahomanga ; ity fomba ity dia heverina manankery ho an'iny zanaka vavy maro, iray reny, rehefa vita fomba ny iray voalohany. Ny soron'anaka dia azon'ny ray, ny anadahin-dreny na ny raibe tontosaina amin'ny zanaka vaviny...
Ny foko "Vezo" ara-tantara dia misy fiaviana avy any ivelany sy eto an-toerana : Indonesie, Arabe, Austronesia. Ity foko ity efa nisy teto Madagasikara tamin'ny taon-jato faha-5 hatramin'ny faha-12. Ny hoe "Vezo" dia azo heverina ho avy amin'ny teny hoe "Bajau" midika hoe mponina an-dranomasina. Ny foko Sakalava sy ny Mahafaly no nipoiran'ny foko "Vezo". Ny Vezo dia foko mpifindra monina, fa niara-nonina tamin'ny Vazimba. Rehefa tera-bao ny vezo dia atao anaty ankorandriaka ny tadipoitra dia alefa an-dranomasina...
Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana entina hisarihana ny olona hiresahana hifantoka amin'ny dinika hatao. Ireo tanora mifampiresaka momba ny fitiavana no matetika tena manao azy ity. Andiam-pehezan-teny tsy mifampiankina fa entina misarika fifantohana fotsiny. Ohatra : Ganagana tsy mba gisa, manontany tsy mahadiso... Lahabolana Betsileo no nipoiran'ity lahabolana ity ary ny "kalita" no mitovitovy amin'ny, izay somary misy ady rima...
Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana mifototra amin'ny tsilalaon-teny aman-kevitra. Ampiasaina rehefa hampita hafatra fohy izy io ka eo alohan'ilay fehezanteny na andiam-pehezanteny mirakitra ny tena hafatra dia andrafetana fehezanteny na andiam-pehezanteny tsy manana hevitra mifandraika mihitsy amin'ny votoatin'izay hafatra hampitaina amin'ilay itenenana. Ny foko Betsileo no tena mpiangaly ny kipotsaka, indrindra ireo tanora mifampilaza fitiavana. Ny lahabolana "kalita" no mitovitovy amin'ny "kipotsaka" fa iry voalohany dia somary misy rima...
Taorian'ny fitondran'ny Mpanjaka Ratsimilaho dia nisy ireo nandova ny fitondrany dia ny zanaka amam-parany ; 1- Zanahary, 2- Iavy, 3-Zakavola, 4- Sasy ary 5- Tsimirilaza. Ny Miaramila nandeha niantafika notarihin-dRatsimilaho dia nanana fitaovana arifomba tamin'izany fotoana izay toy ny basy sy ny antsy lava. Isan'ireo anarana niantsoana an'i Ratsimilaho ihany koa ny hoe : Ramaromanompo. Noho ny ady fahefana nisy teo amin'ireo taranany dia nikisaka nanjaka tao amin'ny Nosy Borà, i Betia, izy izay natao batemy tao amin'io toerana nanjakàny io...
Ratsimilaho dia mpanjaka sy mpitari-tafika tao amin'ny Faritra Betsimisaraka, nizara telo ny foko tao amin'iny faritra iny dia ny Antavaratra, ny Tsikoa na Betanimena ary ny Antatsimo. Noho ny fiadiana ny harena izay nisy tao Toamasina sy Fenoarivo dia nanangana tafika i Ratsimilaho, nahitana miaramila 200 lahy ka ireo no nantsoina sy nomena anarana hoe "Betsimisaraka". I Ratsimilaho dia maty ny taona 1745 ary nalevina ao amin'ny Nosy Sainte-Marie. Ratsimilaho dia zanaka jiolahin-tsambo anglisy sy Rasoa na Rahena, avy amin'ny foko Zafiramisoa...
Ny loko amin'ny tontolo isainan'ny Malagasy dia mifanahaka amin'ny toetra amam-pihetsika, amin'ny fomba fisainana, amin'ny filôzofia Malagasy ary ny kolontsaina. Ny Malagasy tsy mametraka ho zava-dehibe ny fitsimbinam-pihavanana, ny tsy fiziriziriana hany ka lasa manana fahazarana manao teny verindroa ireo voambolana manambara loko ; ohatra : menamena, mangamanga, fotsifotsy. Ny "mainty sy ny fotsy" dia entina ilazàna zavatra miiba, ny "manga" ilazana zavatra tsara, Ny "mena" fiandrianana na fitohizan'aina. Mety hiova isam-paritra ny hevitry ny loko (Mainty - Manga - Maitso)...
Andriamahazonoro dia anisan'ireo Mpanazary-Ombiasy nafarana ho eto Imerina tamin'ny vanim-potoana nitondran'Andrianampoinimerina, mba hanampy sy hanolontsaina ary niantafika niaraka tamin'ireo miaramila tamin'izany fotoana. Nampianatra sy nampita fahalalana maro avy amin'ny Foko Antemoro, indrindra ny sorabe teto Imerina. Andriamahazonoro dia isan'ireo masoivoho Malagasy voalohany tany Angleterre. Ireo Mpanazary-Ombiasy miisa dimy (Imosa, Ratsimezy, Andriambita, Ratsilikaina, Andriamahazonoro) dia samy maty novonina tamin'ny fomba tsy voafaritra ka iretsy telo voalohany no niara-maty...
Ny lahabolana "Kalo" na "kalokalo dia lahabolana atao an-kira, hirain'olon-tokana, fahatsiarovana sy fiventesana an-kira embona sy alahelo, mety ho fifaliana na alahelo. Ny teny hoe "kalo" dia mifanandrify amin'ny teny Malay hoe "Kalu" "kelu" midika hoe mitaraina na mitoloko ; "kalaw" midika ho "mpitsoka sodina". Ny teny "kalo" ankoatra ity enti-manondro lahabolana dia hanondrona " ody, na fiarovana, na famaritana na famantarana toerana na zavatra manan-tompo. Ny kalo dia lahabolana effa nisy sy fanaon'ny Malagasy talohan'ny nampidirana ny Literatiora teto Madagasikara...
Ny lahabolana "Kalo" na "kalokalo dia lahabolana atao an-kira, hirain'olon-tokana. Hira misy miolakolaka sy miangolangola mahaontsaontsa ; fahatsiarovana sy fiventesana an-kira ny embona sy alahelo ary hanina ny andro fahiny, mety ho fifaliana izany na alahelo atamberin'ny tadidy. Ny kalo madinika dia sombitsombin-tantara vetsoina, hirain'olon-drery, mampiseho alahelo sy embona ary hanina. Tsara ny manamarika fa ny karazan-kira mientanentana sy mampandihindihy ary tsy manetsika ny fo ho ontsaontsa dia tsy mba kalo na kalokalo...
Ny manjanaka Portugais dia nametraka paik'ady sy fanjanahana ara-tsaina, fa ny Frantsay dia fanjanahan-tany no nimasoany tamin'ny alalan'ny fandrobàna sy famonoana olona, fambaboana tany. 182 taona no nanjanahan'ny Frantsay ny mponina tao Taolagnaro. 376 taona lasa izany niorenana ny Egilse tao Taolagnaro. Tsy ny Frantsay rehetra nalefa namita iraka teto Madagasikara no ratsy fa nisy maromaro izy ireny no nitondra soa ho an'i Madagasikara. Nanombohan'ireo mpanjanaka ny fidirana teto Madagasikara ny fanorenana toeram-piantsonana lehibe teo amin'ny nosy...
Andriandramaka dia malagasy voalohany nandranto fianarana tany ivelany, ary ihany koa malagasy voalohany natao batemy. Ny Mpanjaka Tsiambany no rain'i Andriandramaka, nanjaka tao amin'ny nosy Fanjaira, Taolagnaro. Andriandramako dia zanaka lahiaivo, nalain'ny mpanjanaka Portugais am-pitaka ary nentiny nandranto fianarana tany Goa-Inde noho ny fifanarahana ara-taratasy nataon'ny rainy sy ilay Kapitenin-tsambo Paolo Rodriguez. Telo taona no faharetan'ny fianarana nataon'Andriandramaka tany Inde...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco