Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; lahabolana azo heverina fa mbola ampiasain'ny Foko Sakalava. Karazan-dahabolana nampidirina teo amin'ny fanjakàn'Imerina ny "Antsa" satria tao antin'ny fotoana nanjakan'Andrianampoinimerina. Ny lahabolana "RARY" no nampiasaina sy natao teto an'ivon-tany talohan'ny nidiran'ny ANTSA. Azo sokajiana ho lahabolana masina ny ANTSA, porofon'izany ireo sokajin'olona niangaly azy teo amin'ny fitondrana faha-mpanjaka dia ireo Tsiarondahy sy Tsiarombavy, tsy handairana vorika sy mosavy ; izy rahateo natao hanasinana...
Ny antsa dia karazan-dahabolana atao an-kira ; izy io dia tonom-bavaka firarian-tsoa, fanirian-tsoa sy fiderana ny mpanjaka fahizany. Karazan-dahabolana nampidirina teo amin'ny fanjakàn'Imerina ny "Antsa" satria tao antin'ny fotoana nanjakan'Andrianampoinimerina vao nisy ity lahabolana ity, fanao amin'ny mpanjaka. Ny tena anaovana ny "Antsa" dia ho fankalazana sy fiderana ny fiandrianan'ny mpanjaka, fa atao ihany koa ho fihobiana ny mpandresy an'ady avy niantafika...
Ny omby noho ny hasiny teo amin'ny Ntaolo Malagasy dia nasolo olona amin'ny sorona na fomba maro. Ny hena amin'ny omby iray dia voatsinjara araka ny voninahitry ny olona na ny toerany ara-piaraha-monina,na fifandrohina ara- pihavanana. Amin'ny ala volon-jaza dia ny nofo-kena sy ny trafony no hanatontosàna ny fomba, ; amin'ny fandevenana dia samy manana ny zara hena ny tompo-manjo sy ny fianakavian'ny maty, ny vehivavy sy ny lehilahy mpanotrona. Ny renim-bintana 12 dia misy lokon'omby mifanandrify aminy : Adaoro dia loko mainty misy fotsy ny handriny sy ny trafony, antsoina hoe vatoambo...
Jamoka no anarana niantsoana ny omby taloha ; ireo razamben'ny Malagasy "Vazimba" dia efa nihinana io biby io. ireo Aôstrôneziana tonga teto Madagasikara no tsy nihinana "omby", fa taty aoriana ny Malais dia nihinana tsikelikely?. Ny omby manga dia tsy misy ronono no sady tsy misy trafo. HELA - HENINA dia midika hoe "hena" amin'ny teny Aôstrôneziana. Ny HENA dia ilazana ny omby maty, ialàn'ny tongony sy ny rambony ary ny lohany. Omby vavy mainty na mena fa misy faritra fotsy @ lohany sy ny tongony aman-tanany miampy ny rambony no atao hoe omby volavita...
Ny "korambe" dia lahabolana entina hiresahana ny zava-misy amin'ny endrika kanto, mety ho hatsikana ihany koa. Ny "korambe" dia miainga amin'ny fanontaniana ary mety hiafara amin'ny fanontaniana ihany koa ; ny tantara fohy ao anatiny dia manakaiky kokoa ny marina sy ny zava-misy, mifandraika amin'ny fiainana andavanandro. Ny "korambe" dia karazan-dahabolana miendrika tantara fohy fanaon'ny foko betsimisaraka-avaratra. Ny fotoana fanaovana ny korambe dia rehefa miasa eny antsaha, rehefa mipetrapetraka an-tanàna amin'ny antoandro na hariva na koa rehefa miari-tory amin'ny alina...
Ny "korambe" dia karazan-dahabolana miendrika tantara fohy fanaon'ny foko betsimisaraka-avaratra, ao amin'ny faritra Analanjirofo sy ny manodidina. Lahabolana entina manalanala andro, izay mety hitarika ady hevitra na fampihomehezana. Mitovitovy amin'ny angano izy saingy fohy. Korana = resaka na resadresaka, ahazoana matoanteny hoe " mikorana - miresaka - mitafatafa". Matetika, manomboka amina fanontaniana ary miafara amina fanontaniana ny fitantarana mba hiteraka ady hevitra ; maharitra 3-5 minitra ny faharetan'ny tantara iray...
Misy hafatra miisa folo notsoahina tamin'ny tantaran'i Rainandriamampandry. 1-Meteza ho fototrolona. 2-Tiavo ny ankohonana. 3-Manolora tena ho an'Andriamanitra. 4-Loloavy ny tanindrazana. 5-Mitozoa amin'ny fianarana. 6-Tandrovy ny fahamarinana. 7-Mandalà fihavanana (adidy amin'ny havana sy ny fiaraha-monina). 8-Manàna tanjan-tsaina. 9-Mijoroa amin'ny maha-malagasy. 10-Miankìna amin'Andriamanitra. Rainandriamampandry dia olona nampisongadina ny soatoavina malagasy indrindra ny fanaovana ho zava-dehibe ny "fihavanana". Aza mitady ho vazaha fa mitoera ho Malagasy mandra-pahafaty...
Rainandriamampandry dia olomangam-pirenena tena tia tanindrazana. Rabezandriny no tena anarany fa amin'ny fiaraha-monina anefa dia matetika takona ao ambadiky ny anaran-janaka ny anaran'ny ray, izy moa nanana zanaka natao hoe Andriamampandry raha teo. Rainandriamampandry dia evanjelistra, mpampianatra, mpahay tantara sy jeografia ary mpikaroka momba ny teny sy ny kolontsaina. Ity olomangam-pirenena ity dia efa governora tao Toamasina, izay vavahadin'i Madagasikara sy renivohitra diplômatika, mpitaritafika nampihaiky ny fahavalo izy, ary efa niandraikitra ny asan'ny ministry ny atitany...
Araka ny angona noraiketin'ny Pastora Ravelojaona dia karazana sakafo miisa 7 na mihoatra, miavaka amin'ny fihinana andavanandro ; sakafo atao amin'ny fanasàna sy lanonana. Ny karazan-tsakafo fahandro tamin'izany natao ho laoka dia ny karazam-borona, biby tongotra efatra, hazandrano, zava-maniry. Isan'ny zava-maniry tena niavaka ny olatra ; maro ny karazan-tsakafo tsy tera-tany dia teto Madagasikara toy ny bitro, gisa, kanakana. Ny ravin-tsaonjo dia natao ihany koa hoe hen'ondrin'ny malahelo...
Ny famaritana ny "hanim-pitoloha na hanina fitoloha" dia nivoatra nifanaraka tamin'ny fotoana, ka eo izay nangonin'ny Pretra misiônera Zezoita Georges Callet, fa eo koa izay araky ny firaiketana nataon'ny Pastora Ravelojaona. Nanodidina ny vanim-potoana nitondran'ny Mpanjaka Ranavalona-II dia noentina nanantanerahana fomba iray, ho an'ny vehivavy misantatra ny fanenomana landy, eo amin'ny zoro firariazana no hitsofan-drano io olona io ary hanomanana sakafo : Akoholahy mena, akondro vokatra, patsa, toho, sira, horirika, vary. Tara-kevitra avy amin'ny hoe fitoloha : fahavelomana, fahafenoana, fahatanterahana, fahatsaràna, fihavahana, famokarana ary fahavononana.
Ny Pôeta Radialph avy any Vatomandry, amin'ny Faritra Atsinanana no nipoiran'ny hai-famoronana "TÔKALO". Tamin'ny taona 1999 no namoronana ity tôkalo ity, taorian'ny fahatsapana fa somary latsa-danja amin'ny literatiora sy ny lahabolana rehetra ny tononkalo, nikaroka fomba hisarihana ny mpihaino ny mpamorona ka ny fampifandraisana ny Tôkatôka sy ny Tononkalo no vokatry ny saina ; misy antsikana ao anatin'ny sangan'asa tanteriny, misy mpiantsa sy mpiventy.
Ny tôkalo dia fifanosohan'ny tôkatôka sy ny tononkalo no niteraka io, izy ity dia miseho amin'ny endrika literatiora an-tsoratra sy am-bava miaraka ; ny tôkatôka dia lahabolana am-bava, ny tononkalo kosa dia literatiora an-tsoratra. Ny Pôeta Radialph avy any amin'ny Faritra Atsinanana (Vatomandry) no nipoiran'ity hai-famoronana ity. Tsy mifidy fotoana ny fanaovana azy ity, anefa tsy maintsy mifanaraka amin'ny sehatra hisehoany.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco