Somary mifangaro amin'ny maro ny hevitry ny hoe "literatiora", betsaka no milaza fa am-bava sy an-tsoratra izy io. Ny Lahabolana dia rindran-kevitra, na rindra-teny entina maneho zavatra na toe-javatra iray, izay haseho amin'ny fomba kanto sy miavaka. Miseho amin'ny endrika tantara na fitanisàna. Lahabolana : tôkatôka, Sôva, Isa, Beko... Ny literatiora dia azo hadika hoe heo "haisoratra", izay rari-teny atao an-tsoratra ; Ohatra : poezia (tononkalo), sombin-tantara, tantara foronina, tantara tsangana. Ny "oraliture" no fihaonan'ny am-bava sy ny an-tsoratra, izay voambolana iray misy sosom-boanteny " oralité - literature"... 

Ny hasina maty na very dia amin'ny alalan'ny fomba sy ny riba no afahana mamerina azy. Mbola misy ny hasina amin'ny Malagasy. Ny hoe very hasina dia tsy misy hery intsony, ary ny fampodiana ny hasina dia maro fa ohatra ny fampiasana ranom-bolafotsy. Ny fifanajana nisy teo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka ary ny samy vahoaka dia isany nampisy hasina ny Malagasy teo aloha, anatin'ireny no fanajana ny lalàna, fitsipika, fady, ny rariny sy ny hitsiny. Ny Vola dia isan'ny fanomezana hasina ny vahoaka taloha, izay nozarain'ny mpanjaka tamin'ny vahoakany... 

Ny hasina amin'ny Malagasy dia ahatarafana fa mino ny Malagasy fa misy ny hery sy fahefana avy amin'Andriamanitra amin'ireo singa maro samihafa eto amin'ity nosy ity. Isan'ireo heverina fa manana ny hasina mampiavaka azy ny : rano, lanitra, biby, ny olombelona sy ny hasiny avy. Ny hasina dia hery ahafahana mandresy ny ratsy. Ny rano dia manana ny hasina ary azo adika ho aina izy io satria fototry ny niandohan'ny olombelona sy ny fahariana. Ny olona mitondra vohoka dia atao hoe "mitondra rano". Ny lanitra araka ny fahalalana azy dia fonenan'ny olomarina sy masina. Ny biby dia misy fifamatorana amin'ny olombelona ary izany dia mifamatotra aman-kasina ihany koa... 

Ny "ankitonona" dia karazan-dahabolana, lalao an-tsaina atao am-bava izay miendrika fanontaniana ; Ohatra : inona ary izany "akana vao mitombo" valiny "afo". Inona ary izany : tany ambanin'ny olona, olona ambanin'ny bozaka, bozaka ambanin'ny rano, ary ny rano hodidinin'ny tany ? valiny " mpantsaka mampiasa halana miloloha siny tany feno rano. Efa any an-tsain'ny mpanontany ny valin'ny ankamantatra ka rehefa afa-po avokoa ny anontaniana vao milaza ny valiny izy no sady manazavana. Misy fiakon'ny ankamantatra amin'ny karazana lahabolana hafa toy ny fombam-pitenenana sy ohabolana ary hainteny... 

Ny "ankitonona" dia karazan-dahabolana, lalao an-tsaina atao am-bava izay miendrika fanontaniana ; izy ity dia tsy maintsy ianarana ary tafiditra amin'ny sekolin'ny Ntaolo. Ny vanton-jaza eo amin'ny taona fivelaran'ny saina sy efa mahataka-javatra no mpanao "ankitonona", na izany aza dia misy olon-dehibe hatrany mba manoro sy manazava ny hevitra sasany. Ny endrik'ity lahaborana ity dia miendrika fanontaniana, ialoavan'ny fanontaniana hoe "Inona ary izany raha fantatrao...? Ny tanjona amin'ny fanaovana azy ity dia fandranintan-tsaina, famolavolana ny ankizy hahay maneho hevitra. Ny ankitonona sy ny ankamantatra dia iray ihany... 

Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao. Fomba dia azo rasaina hoe : F - omba, ka ny "omba" dia toetra sy endrikà na fihetsika. Ny fanaovana "hasovan-jaza" dia misy ireo mijery andro anefa misy ihany koa ireo tsy manao izany fa rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina dia ataony. Ny tadim-poitra dia homena ny omby ho an'ny fomba sasany, mba tsy ho very sy hody amin'ny hasiny iny loharanon'ny aina iny, izay nifandraisan'ilay zaza tamin'ny reniny. Ny fanalana satroka rehefa manoloana olona na amin'ny toe-javatra iray dia midika fanajàna... 

Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao, ny toetra sy ny fihetsika dia ny fanao mahazatra, fomba fiheverana mirakitra fahendrena, maneho ny maha izy azy ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny riba dia maneho zavatra sarobidy ao anatin'ny fiaraha-monina ; misy toetra sy fihetsika mifototra tamin'ireo hafatra napetrak'ireo razambe teo aloha, iombonan'ny besinimaro ary hifandovana. Ny Riba dia mivoatra araka ny vanim-potoana, izany hoe misy ny "riba tranainy na ela" sy ny "riba vao" ; ohatra ny famorana dia ny rain-jaza no nanatanteraka azy taloha fa ankehitriny dia efa mpitsabo nianatra manokana ; izany hoe hatarafana ny fomba taloha sy ny vao. Iray ihany ny RIBA sy ny FOMBA, KOLOTSAINA... 

Ankoatra ny maha mpitsabo nianatra tany Ivelany an'i Dokotera Rasamimanana Joseph, dia nahasaropiaro azy koa ny manodidina ny "raokandro", izany hoe ny fampiasana ho fitsaboana ireo zava-maniry toy ny ravina voafotsy sy ny aferon-tany. Ny voninkazo "iris" no tena nanaovany fikarohana lalina ka nahafahana nitsabo ny kohoka, ny taovam-pisefoana, tosi-dra, fery... Nanoratra tamin'ny gazety sy boky samihafa ity Dokotera ity ary nosoniaviny tamin'ny anarana hoe "iris" ireny lahatsoratra nataony ireny. Niaro ny teny Malagasy izy, nanefy voambolana ho an'ny tontolon'ny fitsaboana ihany koa... 

Ny zava-maniry "tangena" no nanaovan- Dokotera RASAMIMANANA Joseph fikarohana ary nampisongadina azy tany ivelany ; tamin'ny faha-25 taonany no nanaovany tohon-kevitra mikasaika izany, nahafahana nitily sy nampiasa ny singa atao hoe "tanghinine" ao anatin'io zava-maniry io, indrindra ny vokany amin'ny fo. Tsindry nataon'ireo mpitondra sy tompon'andraikitra no tsy nahafahan'io dokotera io naneho ny fahaizany tamin'ny sehatra lehibe. Rehefa lasa zanan-tany Frantsay i Madagasikara vao voatendry hiasa tamin'ny "hopital" ny  dokotera RASAMIMANANA Joseph. Ny fampiasana ny "lali-manga" ho solon'ny "Antibiotique" dia voka-pikarohana nampitolagaga ny maro ; havanana amin'ny fandidiana ara-pahasalamana koa izy... 

Ny Profesora Rakoto Ratsimamanga no tena betsaka olona mahafantatra no izy nahavita nanangana toerana afahany maneho ny asa-karoka nataony sy nanoratra boky. Ny Dokotera RASAMIMANANA Joseph anefa no nambaran'itsy voalohany fa nampianatra azy ary nambarany fa "SAVANT" lavitra noho izy "Rakoto Ratsimamanga". Vao 10 taona monja dia efa lina sy nahalalana ny rafi-batan'olombelona ny Dokotera RASAMIMANANA Joseph ; mpianatra nandranto fianarana tamin'ny sekoly misiona (prôtestanta sy katôlika) izy ; tamin'ny faha-20 taonany no nalefa nianatra tany ivelany izy. Mpampiavaka ity dokotera "savant" ity ny fihezahany nampianan-tena, liam-pahalalana, nitozo mafy tamin'ny fikarohana, tia manao soa indrindra fa fitsaboana... 

Ny fanandroana dia mety ho hain'ny olona rehetra. Ny mpanandro dia misy karazany telo : voalohany ny lovaina tamin'ny ray aman-dreny taloha, ny faharoa ireo nianatra, ary ny fahatelo dia ireo manandro an-kibo. Ireo manandro an-kibo dia ireo mahalala zavatra, ka ireo tsindrin'io hery io amin'ny alina dia antsoina hoe tsindrimandry ary ireo tsindrin'ny hery amin'ny andro mazava dia hitsakandro no ilazana azy. Ny vintana dia mifamatotra amin'ny finiavana satria ny vintana dia tsy miara-teraka amin'ny zaza fa tera-javatra hafa... 

Ny "ankifidy" dia kilalao amin'ny teny, itsapana ny fahaiza-maminany sy mitsara zavatra amin'ny alalan'ny fampifidianana amin-javatra anankiroa ka atao fanontaniana, teny mifonofono misy zavatra roa asaina ifidianana, nefa raha tsy mahay mifidy dia mahazo ny ratsy. Samy azo anaovana ankifidy avokoa : olombelona, biby, zavatra, zava-panao eo amin'ny fiaraha-monina. Ny sakan-jaza sy ny vanton-jaza no manao azy, fa afaka mandray anjara avokoa anefa ny sokajin-taona rehetra. Ohatra : Alao izay ho anao "avy tany, sa 'ndeha ho any?" ilazàna ny hoe avy nandevina sa "ndeha hamosavy". Alao izay ho anao : Be maso anaty vero, sa kely maso anaty vato? izay midika hoe omby sa kary... 

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...