♦ Niampy iray indray ny olona matin'ny Coronavirus teto Madagasikara, 10 izany izao ireo namoy ny ainy vokatr'izany valan'aretina izany... ♦ Tany Tchad, 34 ireo olona narary mafy nitondra ny tsimok'aretina Cornavirus, sitrana soa aman-tsara noho ny fampiasana ny Covid Organics fotsiny... ♦ Tsy mbola tonga any amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, na ny Birao mahatitra aloha hatramin'ny androany ny amin'ny hoe fiksaana fandravana na fanonganana azy ireo...
10 jona — I Landry resahana eto dia ilay eveka tao Paris. Talohan’ny nifidianana azy ho evaka dia voalaza fa hoe mpiasam-panjakana tao amin’ny lapan’i Clovis II tany amin’ny taona 640 i Landry. Izany hoe tany amin’ny taonjato fahafito tany.
Alahady 14 jona 2020 — Vatana aman-dRan'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 51-58 — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo ; izay mihinana amin'ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.
♦ I Mompera Bizimana Innocent no voatendry hitantana ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny nosy Maurice manomboka izao ary haharitra enin-taona... ♦ Tokony hametraka paik'ady hitsinjovana ny sosialim-bahoaka eto amintsika ny fitondram-panjakana manoloana ny fahavoazava ateraky ny ady amin'ny Covid-19 hoy ny CFM...
♦ Nitombo 44 indray ny isan'ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika, araka ny tarehimarika omaly... ♦ Mitohy hatrany ny tatitry ny asa vita ataon'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta eo anoloan'ireo Solombavambahoaka... ♦ Miara-miasa amin'ny orinasa JIRAMA amin'ny fanamorana ny fahafahan'ny mpanjifa mandoa ny faktiorany ny banky BOA Madagasikara...
♦ 44 indray ny tranga vaovao nahitana ny tsimok'aretina Coronavirus raha ny tatitry ny CCO Covid-19 androany... ♦ Isan'ireo lalàna navaozina teto amintsika ny lalàna mifehy ny fifandraisan-davitra, ny lalàna mifehy ny serasera... ♦ Làlampirenena maromaro no amboarina amin'ity taona ity raha ny nambaran'ny Ministry ny Fanajariana ny tany sy Asa vaventy...
Marihana isaky ny 8 jona ny andro erantany ho an’ny ranomasina, araka ny nametrahan’ny Firenana Mikambana azy.
Manao adisisika amin’ny tokony hampihenana ny trosan’i Afrika amin’ireo firenena matanjaka, manoloana ny voka-dratsy ateraky ny covid-19 amin’ny fiainan’ny vahoaka afrikanina ireo Evekan’i Afrika mivondrona ao amin’ny SCEAM (Symposium des Conférences Episcopales d’Afrique et de Madagascar).
Sabotsy 13 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 33-37 — Araikao amin'ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka haneika ahy.
09 jona — Teraka tao Syrie tamin’ny 306 i Éphrem, ary nodimandry ny 09 jona 378 tao Édesse ao atsimon’i Turquie amin’izao fotoana izao. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no nibebaka ka lasa kristianina. Nandalina sy niofana ho an’ny sakramentan’ny filaharana izy fa nijanona teo amin’ny maha-diakra noho ny fanetren-tenany na dia fanta-daza aza izy tamin’ny maha teôlôjianina azy.
Zoma 12 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 27-32 — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
♦ Nahena ny isan'ireo vatamiaramila handray anjara amin'ny matso, hanamarihana ny faha-60 taona niverenan'ny fahaleovan-tena amin'ny 26 jona izao... ♦ Mila manova fomba fiasa ny fitondrana, amin'ny fanarenana ny ara-toe-karena eto Madagasikara, hoy ny firaisa-monim-pirenena Vohifiraisana... ♦ Hisy fifaninanana fandraharahana ho an'ireo mpianatry ny Oniversitem-panjakana, tafiditra anatin'ny pôlitikan'ny Governemanta hanarenana ny toe-karena ao aorian'izao krisy ara-pahasalamana izao...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco