Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 14-21)

Mihaino antsika Andriamanitra na inona na inona angatahintsika aminy.

Ry malala, izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra:
raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika, dia mihaino antsika Izy.
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy,
dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Raha misy mahita ny rahalahiny manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana,
aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana,
dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana.
Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana;
tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra,
fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota,
fa miaro tena izay naterak’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika,
ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika,
mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina;
ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika,
satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5 sy 6a sy 9b

Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.

Aoka hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!

Ny mpivavaka aoka hientana ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am- bava fankalazana an’Andriamanitra
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 22-30)

Faly ny sakaizan’ny mpampakatra raha mihaino ny feony.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny tanin’i Jodea
ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batemy ny olona.
I Joany koa nanao batemy tany Enôna akaikin’ny Salîma, fa be rano tao,
ka nanatona ny olona sy nataony batemy;
fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany.
Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadiovana ny mpianatr’i Joany,
ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe:

“Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko,
ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra.”

Dia namaly i Joany ka nanao hoe:

“Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona
raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe:
Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy.
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra,
fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy,
dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra;
ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko.
Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 5-6. 8-13)

Misy telo no manambara: dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra.

Ry malala, iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no Ilay avy tamin’ny rano sy ny ra;
tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.
Fa misy telo no manambara, dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra;
ary mifanaraka tsara izy telo ireo.
Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika,
mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra izay lehibe lavitra;
ary ny fanambaran’Andriamanitra, dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra.
Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny;
fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an’Andriamanitra,
satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany.
Ary izany fanambaràna izany dia izao:
nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika,
ary ao amin’ny Zanany ihany izany fiainana izany.
Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana;
fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.
Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo,
fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo
izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna:
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao!

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto!
Mandefa ny didiny ho ety an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina.

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany:
ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 12-16)

Mety Aho, madiova ianao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha tao amin’ny tanàna anankiray,
dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy,
sy niankohoka nitaraina taminy nanao hoe:

“Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy.”

Dia naninjitra ny tanany Izy nanendry azy, sy nanao hoe:

“Mety Aho, madiova ianao”,

ka afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy.
Ary hoy Izy:

“Mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ka manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny olona.”

Fa mainka niely ny lazany,
ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino Azy sy mba hositraniny amin’ny aretiny;
Izy kosa anefa amin’izany dia nihataka nankany an’efitra ka nivavaka tao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 19 — 5, 4)

Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

Ry malala,
aoka ho tia an’Andriamanitra isika fa Izy no efa tia antsika taloha.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny rahalahiny,
dia mpandainga izy,
satria, raha ny rahalahiny hitany aza tsy tiany,
hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany?
Sady izao no didiny efa azontsika;
izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak’Andriamanitra;
ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa.
Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika,
dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra, sy ny fitandremana ny didiny.
Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra,
ary tsy mavesatra ny didiny,
satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao,
ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 14 sy 15bd. 17

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.

Andriamanitry ny fahamarinana ô!
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.

Izy hanala amin’ny herisetra,
fa ny rany sarobidy tokoa.
Ranombavaka anie homba azy,
rary soa mandritra ny andro.

Ny anarany ankalazaina sy haharitra toy ny masoandro!
Ary indro atao fitahiana
ireo foko manerana an-tany.
Ary izy no ho reharehan’ireo mponin’ny tany tontolo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 14-22a)

Androany no efa tanteraka ny Soratra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray,
ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.
Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra.
Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy,
dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia Mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:

“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo
sy ny andron’ny famaliana.”

Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:

“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”

Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 11-18)

Raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra.

Ry malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika,
dia tokony mba hifankatia koa isika.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.
Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra,
ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika,
ary Izy ao amintsika.
Ary efa nahita izahay,
ka manambara fa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.
Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra,
dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra.
Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.
Andriamanitra dia fitiavana;
koa izay mitoetra amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ao aminy.
Ary izao no maha-lavorary ny fitiavana ao amintsika;
hanan-toky marimarina isika amin’ny andro fitsarana,
satria nanahaka Azy tamin’itý fiainana itý.
Tsy mba misy tahotra ny fitiavana fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary,
satria milaza sazy ny tahotra;
koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 10. 12-13

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.

Andriamanitry ny fahamarinana ô!
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.

Ireo mpanjaka rehetra any Andrefana
dia hanoa ka hanefa ny hetrany;
toy izany ny avy any Atsinanana,
dia hanatona hanolotra hasina.

Izy hanafaka ny malahelo
mitoloko tsy manan-kanampy.
Ny mahantra, ny ory: hovonjeny;
hotsimbininy hatrany ny osa.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 45-52)

Hitan’izy ireo nandeha teny ambony rano Izy.

Tamin’izany andro izany, rahefa nampitombo ny mofo i Jesoa,
dia notereny hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida,
ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa avy nanao veloma ny olona Izy,
dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka.
Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina,
ary i Jesoa irery no teny an-tanety.
Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain’ny rivotra,
ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina,
dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy,
ka saika handalo azy.
Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy,
fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý.
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe:

“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.”

Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra,
ka talanjona fatratra izy ireo,
fa tsy azony an-tsaina ity fahagagana tamin’ny mofo teo
noho ny hadonton’ny fony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Hisy ny lamina sy fandrindrana atao mba hifehezana ny fidangan'ny vadim-bary tafahoatra, raha ny nambaran'ny Ministra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra...
  • Mandray anjara amin'ny fampivoatra ny toe-karena Malagasy ny orinasa Royal Spirit amin'ny alalan'ny fampidirana vola vahiny ao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna. Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ity orinasa ity...
  • Miaina fahasarotana maro ny amin'ny fanatanterahana ny asany ny vehivavy mpanao gazety, isan'izany ny fanitsakitsahana zony ara-tsosialy, na ara-tsaina na araky ny lalàna. Misy ny fandaharan'asa A-VIAVY hiarovana azy ireo amin'izany...
  • Sazy 30 taona an-tranomaizina no miandry ny mpiasan'ny ministera iray, izay tratra nanao fanodikodinam-bolam-panjakàna amina miliara tany Burkina Fasso...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-10)

Andriamanitra dia fitiavana.

Ry malala, aoka hifankatia isika,
fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra,
ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra,
satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahitokana ho eo amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 3-4ab. 7-8

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenen-drehetra.

Andriamanitry ny fahamarinana ô!
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.

Ka ny vohitra hitrotro fiadanana,
ny havoana hivimbina ny hitsiny;
ny mahantra sy ny ory hotsimbininy,
ny mpamoritra kosa hofongorana.

Amin’ny androny hamony ny rariny,
ary mandra-pahafatin’ny volana;
ranomasina no ho sisin-taniny,
ary ny ony no ho valam-parihiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 34-44)

Teo am-pampitomboana ny mofo dia niseho ho toy ny mpaminany i Jesoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nahita vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo;
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Ny tany efitra;
ny andro efa hariva, ka alefaso ny olona handeha hividy hanina
any amin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina.”

Fa izao no navaliny azy ireo:

“Omeonareo hanina izy.”

Ka hoy ireo taminy:

“Handeha hividy mofona denie roanjato va izahay ka homenay azy hohaniny?”

Ary hoy Izy taminy:

“Manana mofo firy ianareo? Mandehana hoe zahao.”

Ary rahefa nozahany, dia hoy izy:

“Mofo dimy sy hazandrano roa.”

Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra
hatao antokotokony eny amin’ny ahi-maitso izy ireo;
ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo.
Dia noraisiny ny mofo sy ny hazandrano roa,
ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitsodrano.
Rahefa izany novakìny ny mofo dia nomeny ny mpianany
mba harosony eny anoloan’ny olona,
ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa.
Dia nihinana izy rehetra ka voky;
ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany
nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody.
Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Nahatsikaritra tsy fanarahan-dalàna sy tsy fahatomombanana samihafa ny KMF/Cnoe tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny 11 desambra teo...
  • Tsy marina ny filazana fa vola-panjakàna no hividianana ny fiara tsy mataho-dalana ho an'ny solombavambahoaka hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin...
  • Hamorona asa mivantana maherin'ny 1 tapitrisa ny tetik'asa izay vita sonia teo amin'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny FAO...
  • Mitaky ny hisian'ny tetezamita andraisan'ny rehetra anjara any Syrie ny firenena mikambana, eo koa ny fifidianana marina sy malalaka aorian'ny fitondrana tetezamita...

I Jesoa dia mivavaka no sady mampianatra hivavaka ; araka izay voalza ao amin'ny Matio 9-13 koa mivavaha toy izao ianareo : Rainay any an-danitra". Mivavaka izy araka ny Lioka 6,12 : "Ary tamini'zany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra izy mba hivavaka, ka nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina". Vavaka tsara indrindra no vavaka nampianarin'i Jesoa... Katesizy momba ny Eglizy reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Raha jerena dia ohatran'ny hoe Moizy no mampahatsiaro an'Andriamanitra ny tokony hataony. Tsy hoe mibaiko an'Andriamanitra akory Moizy, sanatria izany, fa hilazana hoe rehefa tena mifanakaiky am-po sy mifankahazo am-po tsara dia lasa toy ny tsy misy elanelana na antsana manasaraka fa sahy mifampizara mahitsy ny ao am-po... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

  • Amboletra nataon'ny mpitondra hampandaniana ny kandidàm-panjakana no nisy nandritra ny fifidianana, hoy Ramatoa Ravololomanana Lalatiana...
  • Mihatra indray ny fifandimbiasan'ny fahatapahan'ny herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina, hoy ny JIRAMA...
  • Mandrahona ny hihetsika indray ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo, manoloana ireo olana tsy ahitam-bahaolana maharitra...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 3, 22 — 4, 6)

Zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia.

Ry malala, na inona na inona angatahintsika amin’Andriamanitra dia ho azontsika,
satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika.
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany,
sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ho ao aminy;
ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy,
dia ny Fanahy izay nomeny antsika.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra,
fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia;
satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.
Izao no ahafantarana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra:
ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo i Jesoa Kristy dia avy amin’Andriamanitra.
Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesoa, dia tsy mba avy amin’Andriamanitra,
fa fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy,
sady efa tonga eo amin’izao tontolo izao sahady aza ankehitriny.
Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny,
satria lehibe izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
Avy amin’izao tontolo izao izy ireny,
ka izany no anaovany fitenin’izao tontolo izao, sy ihainoan’izao tontolo izao azy.
Fa izahay kosa dia avy amin’Andriamanitra, ka izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay;
fa izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay;
izany no ahafantarantsika izay Fanahin’ny fahamarinana,
sy izay fanahin’ny hadisoan-kevitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 2, 7-8. 10-11

Homeko ho lovanao ireo firenena.

Ambarako ny didin’ny Tompo:
“Zanako ianao, hoy Izy tamiko:
Izaho niteraka anao androany!
Angataho amiko fa omeko ho lovanao ireo firenena,
sy ho fanananao ny faran’ny tany.”

Mahafantara, ianareo mpanjaka,
mahalalà, ry mpitsara ny tany!
Tompoy amin-tahotra ny Tompo,
orohy amin-kovitra ny tongony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 4, 12-17. 23-25)

Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany,
dia lasa Izy nankany Galilea;
ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma,
tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy Neftali ka nonina tao,
mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe:

“Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftali,
ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, Galilean’ny Jentily:
ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe,
ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana
no niposahan’ny mazava.”

Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe:

“Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo,
nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona,
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany,
ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra
izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa,
dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea
ary avy tany an-dafin’i Jordany, no nanaraka Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 60, 1-6)

Miposaka eo aminao ny voninahitry ny Tompo.

Mitsangàna, ka mamirapirata, ry Jerosalema,
fa miposaka ny fahazavanao;
ary miposaka eo aminao ny fahazavan’ny Tompo.
Indro ny haizina fa manarona ny tany,
ary ny haizim-pito manarona ny firenena;
fa ny Tompo kosa no miposaka eo aminao;
ary ny voninahiny miseho eo aminao.
Mandroso eo amin’ny fahazavanao ny firenena
ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo,
izy rehetra mivory mankaty aminao;
ny zanakao lahy tamy avy lavitra;
ny zanakao vavy entina an-trotroana.
Hahita izany ianao amin’izay, ka ho miramirana;
hibitaka sy hiravoravo ny fonao,
fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina;
ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.
Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany
mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efah ianao;
ny any Sabà rehetra ho avy,
hitondra volamena sy emboka manitra
ary hitory fiderana ny Tompo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 71, 2. 7-8. 10-11. 12-13

Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.

Andriamanitra ô, omeo ny fahefanao ny mpanjaka,
omeo ny fahamarinanao ity taranak’andriana:
ka ny olonao hotsarainy ara-drariny,
ny malahelonao araka ny hitsiny.

Ny rariny hamony amin’ny androny,
ny fiadanana hiroborobo mandavantaona.
Ny fifehezany dia hatramin’ny Ranomasina
ka tonga amin’ny Ranomasina; manomboka amin’ilay Ony
ka mipàka amin’ny faran’ny tany.

Ny mpanjakan’i Tarsisa sy ireo nosy
ho tonga eo aminy handoa hetra;
ny mpanjakan’i Saba sy Sèba kosa
ho avy hitondra hasina aminy;
ny mpanjaka hiankohoka avokoa,
ny firenena rehetra hanompo azy.

Izy hanafaka ny ory mitoloko
sy ny madinika tsy manan-kanampy;
ny osa, ny mahantra hotsimbininy;
ny ain’ny malahelo hovonjeny.

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an'ny krisitianina tany Efezy (Efez 3, 2-3a. 5-6)

Tonga iray lova sy iray tena ary miombona amin’ny fampanantenana amin’ny Jody ny Jentily.

Ry kristianina havana,
aoka ho renareo ny fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra
izay nomena ahy ho anareo,
izany hoe,
ny fanambaràna nampahafantatra ahy ny zava-miafina,
izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona
tamin’ny taranaka tany aloha,
toy ny nanambaràna azy ankehitriny
tamin’ny apôstôliny masina sy ny mpaminaniny
ao amin’ny Fanahy Masina, dia izao:
Ny Jentily dia tonga iray lova sy iray tena
ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody
ao amin’i Kristy Jesoa,
noho ny ninoany ny Evanjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 1-12)

Tonga avy any Atsinanana izahay mba hitsaoka ny Mpanjaka.

Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa
tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka,
dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana
tonga tany Jerosalema nanao hoe:

“Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka?
fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay,
ka nankaty mba hitsaoka Azy”.

Raha nahare izany i Herôda mpanjaka,
dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra,
ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra,
sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy,
ary nanontany azy hoe:

“Aiza no hahaterahan’i Kristy?”

Ary hoy ireo taminy:

“Ao Betilehema any Jodea,
fa izao no voasoratry ny mpaminany:

Ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà,
tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà,
fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka
izay hifehy an’i Israely oloko”.

Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy,
ka nohadihadîny fatratra
ny andro nisehoan’ny kintana taminy.
Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe:

“Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza;
ary rehefa hitanareo,
dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy”.

Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa.
Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana,
fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.
Faly dia faly izy nony nahita ny kintana,
ary rehefa tafiditra tao an-trano izy,
dia nahita ny Zazakely sy i Maria Reniny,
ka niankohoka nitsaoka Azy;
ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny,
dia nanolotra fanatitra ho Azy izy,
dia volamena sy emboka manitra ary mira.
Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo
tsy hiverina any amin’i Herôda,
dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...