28 janoary 2024 — Alahady Tsotra fahefatra Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)

Vakiteny voalohany

Boky Deterônômy (Det 18, 1. 5-20)

Hanangana Mpaminany iray Aho, ary hapetrako eo am-bavany ny teniko.

Tamin’izany andro izany,
i Môizy niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Hanangana Mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao,
eo amin’ny iray firenena aminao,
ny Tompo Andriamanitrao;
hohenoinareo izy.
Izany no nangatahinao tamin’ny Tompo Andriamanitrao tany Hôreba,
tamin’ny andro nivoriana, nataonao hoe:

‘Aoka tsy ho feon’ny Tompo Andriamanitro intsony no ho henoko,
ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho,
fandrao maty’”.

Dia hoy ny Tompo tamiko:

“Tsara ny voalazan’izy ireo.
Hananganako Mpaminany anankiray tahaka anao,
avy eo amin’ny iray firenena aminao izy;
hapetrako eo am-bavany ny teniko
dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy.
Ka raha misy tsy mihaino ny teniko,
izay holazainy amin’ny Anarako,
dia Izaho no hampamoaka azy ny amin’izany.
Fa ny Mpaminany izay entim-piavonavonana kosa,
ka manambara amin’ny Anarako ny teny tsy nodidiako holazainy,
na miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa,
dia ho faty izany Mpaminany izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 94, 1-2. 6-7. 8-9

Enga anie ianareo anio ka mba hihaino ny feony, fa aza manamafy fo!

Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo,
hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika;
andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra,
hankalaza Azy amin’antsa.

Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anoloan’ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika;
isika kosa, vahoaka, ondriny eo an-tanany.
Enga anie ianareo anio
ka mba handre ny feony!

Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra,
tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana,
raha naka fanahy Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asako aza.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 7, 32-35)

Izay tsy manambady dia miahy ny momba ny Tompo mba ho masina.

Ry kristianina havana,
tsy tiako ho maro ahîna ianareo.
Izay tsy manambady, dia miahy ny momba ny Tompo,
mba hahafaly ny Tompo;
fa ny lehilahy izay manambady kosa,
miahy ny momba izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy,
ka voazara izy.
Toy izany koa ny vehivavy;
izay tsy manambady sy ny virjiny,
dia miahy ny momba ny Tompo,
mba ho masina ny vatany amam-panahiny;
fa ny vehivavy izay manambady kosa
dia miahy ny momba izao fiainana izao,
mba hahafaly ny lahy.
Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany,
fa tsy ny hamadika anareo e!
natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)

Nampianatra azy ireo toy ny manana fahefana Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany nankany Kafarnaôma,
ka ny sabata voalohany ihany,
dia niditra tao amin’ny Sinagôga Izy ary nampianatra ny olona.
Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany,
satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy,
fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
Ary tao amin’ny Sinagôgany
dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto,
ary niantso mafy izy nanao hoe:

“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa avy any Nazareta?
Tonga hampahita loza anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra”.

Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe:

“Mangina,
ary mivoaha amin’io lehilahy io”.

Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy,
dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Gaga ny olona rehetra, ka nifampilaza hoe:

“Inona ity?
Fampianarana vaovao inona re ity?
fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy”.

Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Efa nisafidy marina ve isika mba hisian'ny fampandrosoana sy ny fahatsaram-piainana? Ny safidy dia miainga amin'ny isam-batan'olona: izany hoe ny olom-pirenena tsirairay dia manana adidy handray an-tanana ny fampandrosoana ny firenana, eo amin'ny sehatra misy azy avy.

♦ Tsenaina any Tolagnaro androany, ireo delegasiôna miaraka amin'ny Mgr Luc Olivier Razafitsimialona. Niainga tao Ambovombe, tao aorian'ny Sorona Masina izy ireo, ny maraina teo... ♦ Tsy miaro olon-dratsy ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, manoloana ny raharaha fanafihan-dahalo ka nahafaty ny Ben'ny Tanàna tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Andranomiely, Distrikan'Ankazobe, nahavoatonotonona miaramila avy amin'ny DAS...

♦ Namaivay ny tsikera sy ny fanakianana nahazo ireo mpikambana eo anivon'ny HCC, nandritra ny fikaranana ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo, hoy ny Filohany... ♦ Notanana am-ponja vonjy maika, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ireo olona valo isan'ny voarohirohy tamin'ilay raharaha nahafatesan'ny Ben'ny Tanàna tany Andranomiely, Distrikan'Ankazobe...

Anna lay nanokan-tena hanompo an'Andrimanitra, efa voky taona, 84 taona, nifady hanina sy nivavaka, mpaminany vavy no fanantenana ho an'ireo Israely. Noraisin'i Anna i Jesoa : nilaza ny zaza tamin'ireo niandry ny fanavotana izy fa io Jesoa io no fanavotana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

♦ Ho vita ao anatin'ny adiny telo ny famoahana ny 98%-n'ny entana miditra ao amin'ny Fandintseranana, rehefa vita ny tetikasa fanavaozana miisa 31. Ho vita ao anatin'ny minitra vitsy koa ny fitsirihana ny entana, hoy ny Tale jeneralin'ny Fadintseranana, Lainkana Zafivonona... ♦ Fanararaotra lehibe hisintonana ny mpampiasa vola vahiny, ny harena an-kibon'ny tany maro ananan'ny Malagasy ilaina amin'ny famokarana angovon'aratra. Tokony hanararaotra izany ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara, hoy ny BAD...

27 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 12, 1-7a. 10-17)

Nanota tamin’ny Tompo aho.

Tamin’izany andro izany:
Naniraka an’i Natàna ho any amin’i Davida ny Tompo,
ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe:

“Nisy olona roa lahy tao amin’ity tanàna anankiray;
ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.
Omby aman’ondry sesehena no an’ilay mpanan-karena;
fa ondrivavy kely anankiray novidiny no mba an’ilay mahantra.
Nompiany izy ka nitombo tao aminy niaraka tamin’ny zanany,
nihinana tamin’ny mofony,
nisotro tamin’ny kapoakany,
natory teny an-trotroany,
ary nataony toy ny zanany vavy.
Nanam-bahiny kosa ilay mpanan-karena,
nefa tsy nety naka tamin’ny ondriny na ny ombiny izy
hanamboarana sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy;
fa ny ondrivavin’ilay mahantra no nalainy sy namboariny,
ho an’ilay olona tonga tao aminy.”

Nirehitra fatratra tamin’izany olona izany ny fahatezeran’i Davida,
ka hoy izy tamin’i Natàna:

“Raha velona koa ny Tompo
dia marina raha tsy mendrika ny hovonoina izay olona nanao izany,
ary ilay ondrivavy honerany efatra heny,
noho izy nahavita an’izany sy tsy nanana antra.”

Dia hoy i Natàna tamin’i Davida:

“Tsy iza fa ianao izany olona izany.
Koa ankehitriny noho ianao nanamavo Ahy,
sy naka ny vadin’i Oria Heteanina, ho vadinao,
dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra.
Izao no lazain’ny Tompo:
Indro fa ny ankohonanao,
hananganako ny loza hihatra aminao;
ny vadinao hotsoahiko eo imasonao,
ka homeko ny mifanolo-bodirindrina aminao,
izay handry aminy eo anatrehan’izao masoandro izao;
fa ianao dia mangingina no nanaovanao izany,
ary Izaho kosa dia eo imason’i Israely rehetra
sy anatrehan’izao masoandro izao no hanaovako izany.”

Dia hoy i Davida tamin’i Natàna:

“Nanota tamin’ny Tompo aho.”

Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida:

“Navelan’ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Nefa nampanesoinao ny Tompo ny fahavalony
tamin’izany zavatra nataonao izany
ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao.”

Dia lasa nankany an-tranony i Natàna.
Ary nasian’ny Tompo ny zaza nateraky ny vadin’i Oria, tamin’i Davida,
ka nandraiki-narary mafy.

Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida
sady nifady hanina;
ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina.
Ka niangavy mafy taminy ny loholona tao an-tranony,
mba hampiarina azy amin’ny tany;
nefa tsy nety izy, ary tsy niara-nihinana tamin’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 12-13. 14-15. 16-17

Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.

Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.

Mba fafao amin’izay ny tomaniko,
hilazako fa Ianao no hany marina.
Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera tokoa izany vavako.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Iza ity no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomosina?

Tamin’izany andro izany, hariva ny andro,
ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:

“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.”

Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano
hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely
tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”

Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:

“Mangina, mitonia.”

Dia nitsahatra ny rivotra,
ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”

Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Iza moa io,
fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

26 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 11, 1-4a. 5-10a. 13-17)

Nanamavo Ahy ianao sy naka ny vadin’i Oria ho vadinao.

Tamin’ny fitsingerenan’ny taona,
nony mby tamin’ny fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady,
dia nalefan’i Davida i Jôaba mbamin’ny mpanompony sy i Israely rehetra,
ka nofongoran’ireo ny taranak’i Amôna, ary nataony fahirano i Rabà;
fa i Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriany iny i Davida
ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka,
dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro,
ary tsara tarehy erý ravehivavy io.
Nasain’i Davida nanontaniana hoe:

“Iza io vehivavy io?”

Ka izao no nolazain’ny olona azy:

“Io no i Betsebea, zanakavavin’i Eliama,
vadin’i Oria, Heteanina.”

Dia naniraka olona haka azy i Davida
ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy.
Ary nanana anaka ravehivavy,
ka naniraka nilaza tamin’i Davida hoe:

“Manana anaka aho.”

Tamin’izay, naniraka tany amin’i Jôaba i Davida handidy azy hoe:

“Alefaso hankatý amiko i Oria Heteanina.”

Dia nalefan’i Jôaba hankany amin’i Davida i Oria.
Ka nony tonga tany amin’i Davida i Oria,
dia nanontaniany ny vaovao momba an’i Jôaba sy ny tafika ary ny ady.
Izay i Davida vao nanao tamin’i Oria hoe:

“Andeha àry midina any an-tranonao, dia manasà tongotra.”

Nivoaka ny tranon’ny mpanjaka i Oria,
nampanarahina nahandro fanomezana avy amin’ny mpanjaka;
nefa niara-nandry tamin’ny mpanompon’ny tompony i Oria,
teo am-baravaran’ny tranon’andriana,
fa tsy nidina nody tany an-tranony.
Nolazaina tamin’i Davida izany natao hoe:

“Tsy nidina nody any an-tranony i Oria.”

Nasain’i Davida hihinana sy hisotro teo anatrehany izy ka nomamoiny.
Nony hariva dia nivoaka nandry teo amin’ny fandriany,
teo amin’ny mpanompon’ny tompony ihany i Oria,
fa tsy nidina nody tany an-tranony.
Nony ampitso maraina nanoratra taratasy ho any amin’i Jôaba i Davida
ka tanan’i Oria no nampitondrainy azy.
Izao no nosoratany tamin’ny taratasy:

“Apetraho amin’izay toerana iadiana mafy indrindra i Oria,
dia mihataha avy aoriany ianareo mba ho voavono ka ho faty eo izy.”

Nanao fahirano ny tanàna i Jôaba
ka napetrany tamin’ny toerana farany fantany fa nisy lehilahy mahery indrindra i Oria.
Nivoaka hamely an’i Jôaba ny olona tao an-tanàna,
ka maro tamin’ny vahoaka,
tamin’ny mpanompon’i Davida, no maty;
ary maty koa i Oria Heteanina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 50, 3-4. 5-6a. 6bd-7. 10-11

Iantrao, ry Tompo, fa diso taminao.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.

Efa niaiky hadisoana ny tenako,
eo imasoko hatrany ny otako.
Taminao aho no diso, Andriamanitro,
fantatrao avokoa ny kilemako.

‘Zay lazainao tokoa no hany marina;
raha mitsara ahy Ianao ara-drariny.
Fa tanaty heloka aho re no teraka,
tamin’ny ota aho no torontoronina.

Ampiravoravoy ny fanahiko
sy ny taolako voamontsamontsana.
Mba esory eo imaso ny otako,
dia koseho tsy ho hita ny heloko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Mamafy voa ny mpamafy ary matory; ny voa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra
dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo,
nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany,
ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka,
vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rahefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana.”

Ary hoy indray Izy:

“Amin’inona no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
ahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa
rahefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony.”

Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Noho ny vanim-potoana sy ny tontolo manodidina dia lasa misy antsana mampisaraka ny tanora sy olon-dehibe. Misy fomba fifandraisana tsy maintsy arafitra sy arindra, noho izany, mba hisian'ny fifampihainoana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...