Andron'ny Noely ny 25 desambra : Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Tompo ; miantso antsika mba ho iray tampo aminy ny zanak'Andriamanitra ; mamiratra amintsika ilay andro masina koa avia ry firenena rehetra mitsaoka ny Tompo satria nidina androany tety an-tany ilay fahazavana lehibe. Andriamanitra no mpanavotra izany hoe ilay manafaka ny rehetra anatin'ny fahantrana izay hisalotra fahafahana ka ho azo antsoina hoe navotan'ny Tompo, irina, tsy hafoy...

Ny Papa François ao amin'ny Exhortation Apostolique Evangelii Gaudium n°54 dia milaza fa " Saika tsy tsikaritra fa lasa tsy mahay mangoraka isika manoloana ny fitarainan’ny hafa, tsy mitomany intsony eo anatrehan’ny fahorian’ny hafa, ny fiheverana azy ireo dia tsy mahaliana antsika, toy ny hoe ny zava-drehetra andraikitry hafa fa tsy andraikitratsika. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

Alahady fahaefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo hanoloran'ny Fiangonana ny hevi-dehibe hoe : ny hevitr'Andriamanitra, tsy hevitsika. Ny Evanjely Masina nosoratan'i Md Lioka 1, 26-38 dia azahoana fintina hoe  : indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy. Soa kokoa ny hevitr'Andriamanitra noho ny hevitr'olombelona : te hanorina Tempoly ho an'Andriamanitra i David fa Andriamanitra te hanorina Fanjakana tsy manam-pahataperana ; ny Jody nanantena mpamonjy ho azy fa mpamonjy ho an'izao tontolo izao ny nomen'Andriamanitra...

Isaky ny fety dia maro ireo olona na vondron'olona mety ho tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo. Ny fanapoizinana ara-tsakafo dia misy karazany roa : Misy kasinga nivadika poizina mihitsy ao amin'ilay sakafo, misy otrik'aretina na bibin'aretina ilay sakafo. Fambara : marary kibo, mandoa, mivalana... Ny fadiovan'ny mpahandro sakafo sy ireo mpanolotra sakafo na ny mpiara-misakafo dia isan'ny fototra mahatonga io fanapoizinana io ankoatra ny fahadiovan'ireo sakafo karakaraina. Ilàna fitandremana ireo sakafo mifono, amarino tsara ny daty sao efa tsy azo hoanina intsony, ireo sakafo am-bifotsy... 

Matoky sy manankina ny fiainany amin'Andriamanitra ny Kristiana. Marina fa tokony hiezaka hanao izay fara hery isika amin'ny asa fivelomana saingy tokony matoky tanteraka ny fitondran'Andriamanitra ny fiainantsika ihany koa satria " ny fon'ny olona no misaina izay alehany, fa ny Tompo ihany no mitondra ny diany". Apetraho amin'Andriamanitra izay atao rehetra sy ny fikasana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

♦Tsy hisy fiovana amin'ny andavan'andro, tsy hisy hampiavaka azy manokana ny fiatrehana ny fetin'ny Noely ho an'ny ankamaroan'ireo olona nanaovana fanadihadiana... ♦ Voararan'ny lalàna ny famonoana sy fivarotana hena tsy mandalo toerana voatokana, izay mety hampiparitaka valan'aretina hoy ny tale jeneralin'ny fiompiana LeZoma Tsiry Andriamahatola... ♦ Tsy tokony hihoatra ny valo fara-fahabetsany ny isan'ireo ministra handrafitra ny governemanta vaovao hatsangan'ny filoha hoy ny jeneraly misotro ronono sady ministra teo aloha Tsaranazy Jean Emile... ♦ Miantso amin'ny hampitomboana ny fanampiana maha olona sy ny fahalalahana amin'ny fivezivezen'izany ao Gaza ny Filan-kevim-pilaminan'ny firenena mikambana...

Taratasy ôfisialy mikasika ny fitsofan-drano ny mpivady : Tsy manova ninoninona amin'ny foto-pampianaran'ny Eglizy sy ny finoana nifandovana hatramin'ny ela tamin'ireo Apôstôly io taratasy io ; ary hamafisina hatrany fa tsy misy "mariazy" azo atao ho an'ireo olona mitovy fananahana. Isany fahotanana miandry valiny mivantana avy amin'Andriamanitra : famonoana olona an-tsitrapo,  fahotana maloto mifanohitra amin'ny maha voajanahary, fanesoana ny mahantra sy fanimbazimbana. Tsy ny mpanotana no halan'Andriamanitra fa ny fahotana...

♦ Manohy ny asa andavan'androny amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny foloalindahy na eo aza ny fankalazana ny fetin'ny Krismasy hoy ny Ministra ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa... ♦ Nahitana fiakarana ny tahan'ny farim-pahaizan'ny mpianatra sy ny voka-panadinam-panjakàna azo, tamin'ireo sekoly ambaratonga fototra niasan'ny tetik'asa SCORE... ♦ Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ilay tranga faharendrehan'ny lakana misy motera tany amin'ny reniranon'i Manampatrana Farafangana, loza izay nitranga ny harivan'ny 21 desambra lasa teo... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory amin'ireo fianakavian'ireo namoy ny ainy tamin'ilay tranga fitifirana nahafatesana olona 13 tao Prague ny Papa François...

♦ Tsy misy miova ny fampianaran'ny Eglizy Katôlika momba ny mariazy, hoy i Mompera Jean Séraphin Rafanomezantsoa, manoloana ny fanambarana navoakan'ny Dikasteran'ny Fampielezana ny Finoana, momba ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana... ♦ Fanendrena Eveka, Sinaody, fananganana Olomasina, fiainam-pirenena: ireo no nivoitra tamin'ny dian'ireo mpikambana ao amin'ny Birao Maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara tany Rôma, tamin'ny faran'ny volana nôvambra teo...

♦ Nankahery manokana ny mpitandro ny filaminana androany, ny Ministry ny Fiarovam-pirenena. Nampahatsiahy ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa, fa adidy sy andraik'izy ireo ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany... ♦ Hahazo fiahiana ara-tsôsialy atsy ho atsy, ireo Malagasy mpiasa tena amin'ny sehatra tsy manara-drafitra, izay mandrafitra ny 90%-n'ny mpiasa Malagasy... ♦ Natao tao Toamasina ny varotra ampahibemaso ireo fiara nogiazan'ny ARAI. Fiara miisa 17 no voakasik'izany...

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny alalan'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...