26 septambra — Teraka tamin’ny taonjato fahatelo tany Arabie tany Cilicie i Côme sy i Damien. Kristianina ny reniny. Voalaza fa kambana izy miralahy ireto. Manana zandry telo mirahalahy ihany koa izy. Nandalina momba ny fitsaboana tany Syrie i Côme sy i Damien.

25 septambra — Teraka ny 13 jolay 1013 avy amin’ny taranak’andriana tao Souabe i Hermann. Comte tao Altshausen ny rainy. Vao teraka izy dia voan’ny lefakozatra ka nahatonga ny anarany amin’ny teny latinina hoe “Contractus”. Tsy afaka namindra izy ary sarotra ho azy ny miteny.

24 septambra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Masimbavy Thècle izay resahana amin’ity androany ity. Avy ao amin’ny tanana antsoina hoe Iconium izy, ao Asie Mineure io. Zanak’olona mpanompo sampy sady mpanan-karena i Thècle, Théoclie no reniny.

23 septambra — Teraka ny 25 mey 1887 tao Pietrelcina faritanin’i Bénévent Campanie ao Italie i Francesco Forgione. Orazio Forgione sy Giuseppa Di Nunzio no ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo. Ny ampitson’ny nahaterahany i Francesco dia efa vita batemy tao Sainte Marie des Anges izy, tao Pietrelcina.

22 septambra — Miaramila avy any Thèbes i Masindahy Maurice, ary maty martiry niaraka tamin’ireo miaramila kristianina namany noho ny fiarovana ny finoana. Tamin’ny taonjato fahatelo no voalaza fa vanim-potoana niainan’izy ireo araka ny fitantaran’i Masindahy Eucher.

21 septambra — Ny Matthieu resahana eto dia i Masindahy Matthieu ilay evanjelista. Jody i Matthieu na Matio, teraka tao Capharnaüm izy, tanana avaratra andrefan’ny farihy Génézareth ao Galilée. Zanak’i Alphée izy, ary Lévi no tena anarany. Mpamory hetra no asan’i Matthieu.

20 septambra — Koreanina i André Kim Teagon, izy moa no pretra voalohany tao Korea. Teraka tamin’ny taona 1821 izy ary maty martiry tamin’ny toana 1846. Avy amin’ny fianakaviana Yangban izy. Ignace Kim Che-jun no rainy, ary ireo ray aman-dreniny dia niara-nibebaka nanaraka ny finoana kristianina.

19 septambra — Tao amin’ny diosezin’i Greneoble tao amin’ny tendrombohitr’i La Salette no niseho i Masina Maria ny 19 septambra 1846. Tovolahy kely 11 taona sy tovovavy kely 14 taona no nofidian’i Masina Maria hilazana ny hafatra. Mpiandry ondry izy ireo : i Maximin Giraud ilay tovolahy kely sy i Mélanie Calvat kosa ilay tovovavy.

18 septambra — Araka ny fiantaran’i Jacques de Voragine ao amin’ny Légende dorée dia maty martiry izy efa-mianaka ireto. Sophie moa izany no reniny ary zanany avokoa izy telo miravavy dia i Nadège, i Véra ary i Liouba. Niaina tany amin’ny taonjato faharoa tany izy ireo.

17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.

16 septambra — I Masindahy Corneille dia zanak’i Castinus, fanta-daza tao Roma ny fianakaviana nipoiran’i Corneille. Tao aorian’ny nahafatesan’i papa Fabien ny 20 janoary 250 dia voafidy ho papa i Corneille, dimy ambin’ny folo volana tao aorian’io nahalasanan’ny papa Fabien io. Izany hoe ny taona 251.

15 septambra — Tamin’ny taonjato fahairaika ambin’ny folo no nahitana voalohany sy ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo. Hita tamin’ny asa sotratr’i Pierre Damien sy Masindahy Anselme izany. Ny fijalian’i Masina Maria teo an-tongotry ny hazofijaliana dia namelombelona ny fitiavam-bavaky ny kristianina hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...