♦ Miantso fitoniana ny mpiara-dia amin'ny fitondrana. Tokony hiomana haitrika ny fifidianana ny mpanao pôlitika, hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Fikambanana HIFFI, ny Pasitera Razafindramanitra Nestor... ♦ Hanohana an'i Madagasikara amin'ny sehatry ny angovo sy ny fanodinana sakafo, ny Vondrona Eorôpeana, amin'ny alalan'ny Banky BEI... ♦ Manohana ny tanora, hisitrahan'izy ireo asa mendrika, ny Rafitra Iraisam-pirenena momba ny Asa, na ny OIT. Tanora tantsaha miisa 1500, no kendrena hanana izany asa mendrika izany...

♦ Tsy ny fananan'ny filoha am-perin'asa zom-pirenena roa no olana amin'ny tontolo politika eto amintsika fa ny tsy fizakàny ny zom-pirenena malagasy intsony hoy Jean Jacques Ratsietison. Hitondra ny fanehoan-keviny eto ity kandidà tamin'ny fifidianana tamin'ny 2018 ity... ♦ Hampiakatra saran-dalana indray ireo mpitatitra amin'ny zotra nasiônaly amin'izao vanim-potoanan'ny fialan-tsasatra izao. Nampiaka-peo manoloana izany ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Miahiahy fisomparana ny JIRAMA, noho ny fahatampahan-jiro tamin'ny faritra maro teto Antananarivo ny alahady alina teo, nialoha kely indrindra ny fandaharana manokana nataon'ny Filoham-pirenena. Natao ny fitsirihina rehetra saingy tsy nahitàna tsy fahatomombanana... 

♦ Ny tsy fahampian'ny mpiambina ny fanadinana Bakalorea, no olana hita tamina foibem-panadinana sasany androany... ♦ Tahotra ny mbola ho firotsahan'ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena ho avy, no niezahana nivoizana ny resaka zom-pirenena frantsay nanany, hoy ny Loholon'i Madagasikara, Tsiebo Mahaleo... ♦ Niverina nanatanteraka fiandrasan-draharaha nanomboka androany hatramin'ny alakamisy ho avy izao, ireo mpiasa eo anivon'ny CNaPS...

♦ Mampahomby ny iraka ny fiombonana sy ny fandraisana anjara, hoy ny Evekan'ny diosezin’i Tsiroanomandidy, Mgr Gabriel Randrianantenaina... ♦ Hampiavaka ny Fihanonam-be Nasiônalin’ny Ankizy Katôlika eto Madagasikara ny “Village Laudato Si’” ho tanterahana ny 29 jolay 2023... ♦ Amboaran’ny firahalahiana ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora, hoy ny Papa François...

♦ Nanambara ny Filoham-pirenena fa mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny ny orinasa JIRAMA. Nanome toromarika ny Ministra tompon'andraikitra nefa Andriamatoa Andry Rajoelina fa tsy maintsy mifarana ao anatin'ny roa tokombolana ny fahatapahan'ny herinaratra... ♦ Diso fanantenana amin'ny Filohan'ny repoblika ny mponin'i Toliara ny mpikamban'ny RMDM Justin Tovondrainy. Tsy tanteraka hoy izy ny fampanantenana natao, isan'izany ny fanamboarana ny kianja Maître Kira... ♦ Mivahiny eto Madagasika mandritra ny roa andro ny filoha lefitry ny Banky Eraopeana ho an'ny fampiasam-bola Ambroise Fayolle...

♦ Nanambara ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa nangataka ny zom-pirenena frantsay izy sy ny ankohonany noho ny fitiavan-janaka. Tsy hanova ny fitiavan-tanindrazana ao aminy ny fananany izany araka ny tafa nataony tamin'ny vahoaka malagasy alina... ♦ Mila mametraka ny toe-tsain'ny fisandratana isika eto Madagasikara hoy ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina mba ahafahana mampandroso ny firenena. Isan'izany ny toe-tsaina amin'ny fanohizana ny raharaham-panjakàna... ♦ Manomboka androany ny fanadinana Bakalôrea manerana ny nosy. Mpiadina maherin'ny 205.000 no hiatrika izany...

♦ Iray miliara Ariary ny fatiantoky ny CNaPs vokatry ny fikatonan'ireo masoivoho manerana ny nosy, hoy ny konfederasiôn'ny mpiasa malagasy na ny CTM... ♦ Mitombo isan-taona ireo tanora nahazo ny Master-II, eo anivon'ny UCM. Navoaka omaly ny andiany AMBOARA izay nisy mpianatra miisa 289... ♦ Seranam-piaramanidina fahaenina eto Madagasikara nahazo ny fanamarinana amin'ny maha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena azy ny ao Ravoraha Sainte Marie, izay notokanan'ny Filohan'ny repoblika omaly... ♦ Mihatra ny didy fisamborana iraisam-pirenena ho an'ilay mpisolovava frantsay Juan Branco, araka ny fampahafantaran'ny fitsaràna Senegale...

♦ Mizarazara ny hevitr'ireo mpanao pôlitika eo am-piandrasana ny resaka hataon'ny Filohan'ny repoblika Rajoelina Andry, rahampitso... ♦ Tsy azo terena hanao asa tsy sitraky ny fony ny mpandraharaha na mpiasam-panjakana hoy ny sendika Seces sampana Anananarivo. Ny asa mifandraika amin'ny fanomanana sy fiomanan'ireo mpianatra hanao tezy ihany no azo anerena azy ireo... ♦ Niantso ireo mpiasan'ny CNaPs mba hiverina hiasa tamin'ny alalan'ny naoty ny Filan-kevi-pitantanana... ♦ Tafakatra 289 ireo ankizy maty mandritra ny fiampitàna ny ranomasina Méditeranée, araka ny tatitry ny UNICEF...

♦ Tokanana izao hariva izao ny seranam-piaramanidina any Sainte Marie. Roa sosona ny lanonana tanterahana any an-toerana ho an'ny anio, izay tarihin'ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mitohy ny fifampidinihana eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa amin'ireo Sendikà ao amin'ny CNaPS... ♦ Manaiky ny fandaminana sy ny famindrana azy amin'ny tsena vaovao, ho fanatanterahana ny Tetikasa “Téléphérique”, ny mpivarotra eny amin'ny “Petite vitesse”...

♦ Hotanterahina ny 27 aogositra 2023 ny andron'ny Diosezin'Antananarivo... ♦ Katesista miisa 315 no tonga niofana teny amin'ny foibe FTMTK Ambohipo nanomboka ny 10 jolay 2023, ho fanamafisana ny fahaiza-manao... ♦ Raha mamono ny konsiansa isika dia mamono ny Fanahin'Andriamanitra, hoy i Mgr Francis Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja...

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 14, 21 — 15, 1)

Ny zanak’i Israely nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina.

Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany
dia nohemorin’ny Tompo ny ranomasina tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana
nandritra ny alina,
ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely
ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano.
Nanenjika azy ny Ejipsianina,
ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa
ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina,
dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo tao amin’ny andry afo aman-tsetroka,
dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejipsianina.
Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony.
Ary hoy ny Ejipsianina tamin’izay:

“Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika,
fa ny Tompo no miady ho azy, mamely ny Ejipsianina.”

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao,
hikatonan’ny rano amin’ny Ejipsianina sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”

Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany,
ka vao nangirana ny andro,
dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina.
Nandositra ny Ejipsianina ka tojo azy,
ka dia navarin’ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsianina.
Nony nikatona ny rano,
dia nanafotra ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra
izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely:
tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.
Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina,
fa zary rindrina ho azy ireo ny rano eo akavanany sy eo ankaviany.

Koa novonjen’ny Tompo ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejipsianina i Israely tamin’izany andro izany,
ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejipsianina teny amoron-dranomasina.

Hitan’i Israely ny tanana maherin’ny Tompo,
nasehony tamin’ny namelezany ny Ejipsianina,
ka natahotra ny Tompo ny vahoaka,
ary nino ny Tompo sy i Môizy mpanompony.
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely nanao izao hira izao tamin’ny Tompo.
Hoy izy:

“Hihira ho an’ny Tompo aho,
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly ama-mpitaingina azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Eks. 15, 8-9. 10 sy 12. 17

Hihira ho an’ny Tompo isika, fa efa naneho ny voninahiny Izy.

Noho ny fofon’ain’ny vavoronao,
niangona niavosa ny rano,
niantsavovona ny onjan-drano,
raikitra nandry tao anaty mason-dranomasina ny alon-drano.

Hoy ny fahavalo: Hanenjika ka hahatratra,
dia hizara babo aho.
Ho afa-diana aho amin’ny valy fatiko.
Hotsoahako ny sabatra dia haringan’ny tanako ireny.

Kanjo vao notsofin’ny fofon’ainao, dia safotry ny rano izy,
ka nilentika toy ny firaka anatin’ny ranomasim-be.
Naninjitra ny tananao havanana ianao,
dia nitelina an’ireny ny tany.

Hitondra sy hamponina azy Ianao
eo amin’ny tendrombohitry ny lovanao,
dia eo amin’ilay toerana nataonao ho fonenana, ry Tompo ô!
Eo amin’ny fitoerana masina namboarin’ny tananao, ry Tompo ô!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko,
ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)

Naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany izy, nanao hoe: ireo no reniko sy rahalahiko.

lndray andro, raha mbola niteny tamin’ny vahoaka i Jesoa,
dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,
ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe:

“Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano,
mitady Anao.”

Fa izao no navaliny an’ilay nilaza taminy:

“Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?”

Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko.
Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mbola mitana ny teny nomeny amin'ny handraisany anjara amin'ny fifidianana, Andriamatoa Paraina Auguste, na dia nambarany aza fa fanilihana ny mpanohitra ny fampakarana ny anto-bola ho an'ireo kandidà... ♦ Tsy afa-po tamin'ny didy navoakan'ny Fitsarana, ho an'ilay olona nively tavoahangy azy, i Rado Djo, mpiasan'ny onjam-peo tsy miankina... ♦ Marolafy ireo asa fampandrosoana an-dalam-panamboarana ao Imerintsiatosika. Volan'ny Kaominina madiodio avokoa no hanatanterahana izany...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...