♦  Ahiana mafy ny mety hisian'ny rivodoza hahakasika an'i Madagasikara amin'ny herinandro ho avy io, hoy ny Météo. Mety hisy rivodoza hiforona amin'ity herinandro ity ao amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Miahiahy ny tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity ny antoko FIDEM, raha ny fahitan'izy ireo ny fanomanana amin'izao valo volana mialoaha izao... ♦ Nanao hetsika fanairana androany ireo mpiasa niasa an-tsitrapo teny amin'ny CTC-19. Miisa 732 mianadahy ireo teto Antananarivo no nampanantenain'ny Filoham-pirenena fa horaisina ho mpiasam-panjakana, rehefa vita ny asa nampanaovina...

♦ Tsy maintsy hanolotra fifanaraham-piaraha-miasa vaovao amin'ny orinasa QMM ny Fanjakàna Malagasy, araka ny tapaka tanatin'ny filan-kevitry ny ministra omaly, mba hitsinjovana bebe kokoa ny tombontsoan'i Madagasikara... ♦ 12 janoary : andron'ny manam-boninahitra. Fotoana natao hibaikoan'ny zandary, an'ireo manam-boninahitra zokiny, nanomboka ny 12 janoary 1968... ♦ Heverina handalo tsy lavitra ny planeta tany, amin'ny fiandohan'ny volana febroary ny "Comète" izay, izay efa tany ho any amin'ny 9500 taona talohan'i Jesoa Kristy no nisehoany farany...

Samy manana ny toerany sy ny andraikiny ny rehetra ao anaty fianakaviana iray. Ny fiarahan-dian'ny rehetra ao anatin'izany no nitondra ny hasambarana sy hafaliana eo amin'ny fiainan-tokantrano. Na inona na inona olana sedraina dia niaina hasambarana sy fitiavana hatrany ny tsirairay. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.

Ny amin’ireo Konsily Ekomenika sy tena nanan-danja teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana. Taorian’ny Fihaonamben’ny Mpino Kristianina voalohany, niaraka tamin’ny Apostoly, izay natao tao Jerosalema ny taona 50 (na 49) izay notarihin’i Piera, dia miisa 21 ireo Konsily Ekomenika izay samy nanamafy ny finoan’ny Mpino araka ny fampianaran’ny Apostoly, niatrika ireo fanavaozana lehibe, teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana Katolika. Niaro ny zon’ny olona, nitandro ny fandriampahalemana. Ireto avy izany sy ny Papa nitarika azy: 1) Nicée I (325) Silvestra I. 2) Konstantinopla I (381) Damase. 3) Efezy (431) Célestin I. 4) Kalsedoanina (451) Léon le Grand. 5) Konstantinopla II (553) Vigile. 6) Konstantinopla III (680-681) Agatone. 7)

Raha fintinina dia toa izao avy ireo zavatra nodinihina sy tinapaky ny Konsily lehibe samihafa. Ny tao Jerosalema moa (49/50) dia nandinika lalina ny amin’ny fanarahana ny Lalàn’ny Jody. Tapaka àry fa tsy voatery ho foraina hanaraka ny Lalàn’ny Jody ireo olona hafa firenena efa nibebaka, natao Batemy, ka tonga Kristianina. Ny tao Nisea I (325) kosa no namaritra ny amin’Ilay Teny Tonga Nofo, ary nambarany fa i Jesoa dia tena Zanak’Andriamanitra tokoa, iray fomba amin’ny Ray (Homousis), sady tena Andriamanitra marina, natao izany mba ho fanoherana ny Arianisma.

Ny Konsily tao Konstantinopla II (553) dia nanamafy ny fanamelohana ireo hevi-diso teo aloha (mikasika ny Trinité Masina, ny Kristolozia), sady nampahatsiahy ireo famaritana nataon’ny Konsily tany aloha. Nohelohina ireo hevi-diso avy amin’i Origène, miaraka amin’ireo hevitra telo izay fantatry ny Nestorianisma. Tsy tratra ny tena tanjona hampihavana ny samy Mpino Kristianina satria nisy ireo tsy fitovian-kevitra (Roma, Afrika, Antiokia). Nohelohina ireo eveka teolojianina telolahy miankina amin’ny sekolin’i Antiokia: Théodore de Mopsueste (†428), Théodoret de Cyr († vers 466) et Ibas d’Édesse († 457).

Ny Konsily tao Konstantinopla IV (869-870) no nanamelohana an’i Fazio noho ny sisma nataony, nohamafisina tamin’izany ny fampiasàna ireo sary amin’ny fanompoam-pivavahana. Nasiana tsindrim-peo bebe kokoa ny maha Ray iombonana ny Evekan’i Roma, dia ny Papa ray masina izany. Ny Konsily Lateranezy I (1123) tao Roma kosa no nitaky ny zon’ny Fiangonana ny amin’ny fifidianana sy fanendrena ary fanamasinana ireo ho Eveka, mifanandrina amin’ny fampiketrahana ireo mpanjaka (lahika). Nohelohina ho zary herezia koa ny simonia sy ny tokatranomaso ataon’ireo mpandraharaha masina sasany.

Marihina etoana fa nanomboka tamin’ny taonjato faha-12 dia nihamafy ny fifandonan-kevitra teo amin’ny Eglizy Tandrefana sy Tatsinana, ka ny tena zava-nanahirana dia ny tanjak’ireo mpanao politika, izay samy nanindrahindra ny heriny sy ny tanjany. Koa dia voatery niala sy nisintaka miandalana teo ambany vahohon’ireo Mpanjaka sy Amperora ny Eglizy, ary niezaka nizaka tena, sady nandray fepetra maro ho fanamelohana izay rehetra mivoy fampianaran-diso, na iza izy na iza.

Zava-dehibe ny fiatrehan’ny Fiangonana ny Konsily tao Roma, Lateranezy III (1179) izay niandian-kevitra momban’ny fakan’ny mpandraharaha masina sasany tambim-bola rehefa mizara Sakaramanta, ka navoaka ny lalàna ho entina manohitra ny «simonia» . Fanamelohana ireo Katary sy fandraràna ny hifampiraharaha amin’izy ireo. Ny Konsily tao Roma, Lateranezy IV (1215) no namaritra mazava tsara mikasika ny amin’ny Trinité Masina, ny fahariana, i Kristy Mpanavotra, ary ireo Sakramenta. Natao koa ny fanamelohana ny herezian’ireo Alibigezy sy Validezy, ary koa ny amin’ireo fampianaran-diso, izay nataon’i Joachim de Flore, momba ny Trinité Masina. Ny Konsily tao Lyon I (1245) kosa dia nanameloka an’i Frederika II. 

Nanomboka tamin’ny Konsily tao Vienne, France (1311-1312), faha-Papa Clémént V, dia nofoanana ny «Ordre» atao hoe «des Templiers» izay karazana moines sady miaramila mpiady, miaro ny Tany Masina sy nanohitra ireo fahavalon’ny finoana (izany efa nahazo fankatoavan’ny Papa ny 29 Mars 1139). Io Konsily io koa no nanameloka ny fahadisoan’ireo Beguards momba ny fampianarany mikasika ny fahalavorariana ara-panahy. Nambara mazava àry fa ny fanahin’ny olona dia isan’ny mandrafitra tokoa ny tenany sy miray tanteraka aminy (natao izany mba ho fanoherana an’i Pierre de Jean Olivi). 

Ny Konsily anisan’ny goavana indrindra dia ny tao Trente (Trento) satria dia ny 22 mai 1542 no nampiantsoin’ny Papa Paul III izy io, ary notohizan’ireo Papa roa nandimby azy dia i Jules III sy i Pio IV (1545-1563), ka taorian’izany no nahazoantsika ny Mesaly Romanina navoakan’i Papa Pio V, izay mbola misy mampiasa mandraka ankehitriny. Ny Bulle Quo primum tempore navoakany ny 14 Jolay 1570 no namoahany azy ho an’ny Eglizy rehetra manaraka ny fomba Latinina. Maro ireo hevitra sy fampianarana mazava navoakan’ny Konsily tao Trente dia ny : Fiarovana ny Soratra Masina (atao hoe Volgata).

♦ Fanakorontanana saim-bahoaka ary tsy marina ny filazana fa misy renim-pianakaviana mivarotra ny zanany eny an-tsena any amin'ny Distrikan'i Ikongo... ♦ Tanatin'ny filan-kevitry ny ministra omaly, hentitra ny Filohan'ny Repoblika nilaza fa tsy ekena ny fanapariahana vaovao tsy marina izay iniana ahazo vahana amin'izao fotoana izao... ♦ Hita soa aman-tsara ny alin'ny talata teo, tao Ankilimarovahatse-Toliara, ilay zaza menavava nisy naka, tao amin'ny Clinique iray tao an-tampon-tanànan'i Toliara....

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...