♦ Tontosa androany maraina tao Vatican ny fandevenana ny Papa Emérite Benoît  XVI. Nipetraka ho tantara satria tsy mateti-pitranga ny fisian'ny Papa iray mandevina ny Papa izay nodimbiasany toy ny nisy androany... ♦ Manoso-kevitra ny hanatsaràna ny lalàm-pifidianana amin'ny alalan'ny fakan-kevitra isam-paritra ny KMF/Cnoe. Kendrena hatolotra holanian'ireo Parlemanta mpanao lalàna amin'ny volana mey ny volavolan-dalàna voaravona amin'izany... ♦ Efa tena mafy ny teritery matoa nametram-pialàna ny Governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara hoy ny mpahay toe-karena iray eo anivon'ny CREM. Nambarany fa tsy te ho tratra farany amin'ny fakam-bola tsy mety eo anivon'ny BFM Andriamatoa Henri Rabarijohn...

Fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana: aoka tsy hanenenana na inona na inona, andao hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. Zo ny mifidy ary malalaka ny rehetra na te hampiasa ny zony na tsia, torak’izany koa ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana.Na izany aza, mba ho solontenan'ny vahoaka malagasy, ary ho an'ny demokrasia ity lisitra ity, dia atao ny ezaka mba ho maro no ho voasoratra anarana ao anatiny. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.

♦ Tontosa omaly teny amin'ny Ekar Antanimena ny Sorona Masina nitondrana am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI. Niavaka tamin'ny fananany finoana, fanantenana ary fitiavana i Papa Emérite BenoîtXVI, ary teôlôjianina lehibe hoy ny Nonce Apostolique Mgr Thomasz Grysa, nandritry ny Sorona Masina omaly...  ♦ Neken'ny filan-kevitry ny ministra ny fametraham-pialan'ny governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara. Efa voatendry ny handimby azy... ♦ Hotanterahana anio any Vatican ny Sorona Masina ho tarihin'ny Papa François, hitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI sy hanaovam-beloma azy farany, aorian'izay ny fandevenana...

♦ Tontosa androany ny Sorona Masina nitondrana am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite BenoîtXVI nodimandry ny sabotsy 31 desambra 2022 teo. Nitarika ny Sorona Masina ny Nonce Apostolique MGR Thomasz Grysa... ♦ Naverina eny amin'ny Fonjan'Antanimora i Mahery Lanto Manandafy (Malama). Nampanantsoina teny amin'ny brigadin'ny zandary eny Fiadanana indray izy androany... ♦ Miantso ny mponina eny amin'ny faritra avo misy ny Rovan'i Manjakamiadana mba hiala amin'izany faritra izany ny sampana mpamonjy voina noho ireo ambana mety hisian'ny fihotsahan'ny tany...

♦ Nisolo-tena ny fitondram-panjakàna Malagasy, ,nampita ny teny fampiononana sy ny fiaraha-miory amin'ny Eglizy katôlika Romana, tamin'ny Nonce Apostolique Mgr Thomasz Grysa, omaly, ny jeneraly Rakotoniriana Richard, Ministry ny Raharaham-Bahiny mpisolo toerana, noho ny fahalasanan'ny Papa teo aloha Benoît XVI... ♦ Anio tolak'andro no hiarahaba sy hirary soa ny Filohan'ny Repoblika eny Iavoloha, ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta, tarihin'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Heverina fa ho eo anelanelan'ny 19 novambra hatramin'ny 19 desambra ny fifidianana filoham-pirenena amin'ity taona ity hoy ny teo anivon'ny CENI...

Vaovao ny taona (2023), firariantsoa no tsara hifampizarana. Hirina mba hitondra fahatsaram-piainana noho ny vina sy ny tanjona ity taona ity. Mamporisika antsika hanao ezaka ary hijoro amim-pahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ 58,56% hatramin'ny afak'omaly, ny tahan'ny fisoratana anarana ao amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny teo anivon'ny CENI... ♦ Nitokona nanomboka omaly ny mpiasa ao amin'ny sampandraharaha misahana ny maha-olona, ao amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, noho ny tsy fanekeny ny fanalana ny lehiben'izy ireo... ♦ Nihena avoka amin'ny ankapobeny, ireo karazana asa ratsy sy asan-jiolahy tao amin'ny fiadidian'ny vondrotobim-paritr'Imerina Centrale, raha ny tatitra ny zava-nisy tato anatin'ny 2 taona farany... ♦ Tafakatra 89 isa ny olona namoy ny ainy, voakatry ny fanafihan'i Ukrainiens ny trano lehibe iray nitoeran'ireo miaramila Russe...

♦ 58,56% ny tahan'ny fisoratana anarana ao anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny CENI androany. Hiroso tsy ho ela amin'ny fanisàna ireo voafonja heverina ho tsy very zo ny CENI... ♦ Nitokona nanomboka androany ny mpiasa ao amin'ny sampandraharaha miandraikitra ny lafiny maha-olona, eo anivon'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena. Tsy eken'izy ireo ny fanalàna tamin'ny toerany ny lehiben'ny sampandraharaha iray eo anivon'ity ministera ity... ♦ Miisa 7 ny fakàna an-keriny nisy tany Anjozorobe tamin'ny taon-dasa ka 155 ireo olona voasambotra tamin'izany...

♦ Tsy ilaina ny fikaonandoham-pirenena, raha hiteraka korontana hoy ny Profesora Ange Andrianarisoa, avy amin'ny AREMA. Manamafy ny tokony hisian'izany ny SFDM, hanovàna ny lalàna hifehy ny fifidianana amin'ity taona 2023 ity... ♦ Voakasiky ny fanalefahan-tsazy, noho ny taom-baovao, ny ministry ny serasera teo aloha, Rolly Mercia. Mety hivoaka ny fonga eo anelanelan''ny tapaky ny volana jolay sy desambra ity gadra pôlitika ity, araka ny filazan'ny gazety iray mpiseho isan'andro androany... ♦ Niteraka resa-be ilay zava-nitranga teny amin'ireo doany eny amin'ny vohitra Ambohimanga. Namoaka fanambaràna ny Ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina fa tsy tokony hisy ny fifanitsahana fomba ara-pinoana...

Misy olana foana matetika eo amin'ny rafozana sy ny vinanto noho ny maha samy hafa ny fiainana nihainana tany amin'ny tokantrano niaviany. Vahaolana ny fampianarana ny olona handray rafozana vaovao sy vinanto vaovao. Ny rafozana dia mila manao ezaka mamantatra ilay vinanto, ao anatin'ny fifanajana, fahanginana, fihainoana. Fanekena sy fandraisana araka ny maha-izy azy ilay vinanto. Tadiavina sy volena ny fiaraha-monina vaovao ahitana : fisokafana. Ny vinanto dia mila mahay mihaino, mila misokatra ny saina, tsy maneho toetra tia mitsara. Miaraka mandrindra ny fifandraisana sy ny fiaraha-monina ny roa tonta. Atao zava-dehibe ny fahasamihafana mba hifamenoana, tsy ny rafozana foana no manana ny marina...

♦ Hisy rahampitso ny Sorona Masina hitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI, eny Antanimena... ♦ Olona roa indray no namoy ny ainy, vokatry ny aretina Covid-19 teto Madagasikara tamin'ny herinandro faran'ny taona 2022 teo. Mbola misy 67 ihany koa ireo trangana Coronavirus "Cas actifs" hatramin'izao... ♦ Mpianatra 50 no tra-boina amin'izao vokatr'ilay firehetan'ny tranon'ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Ireo mpianatra lasa niala sasatra ny ankamaroan'ireo may fananana tao... 

♦ Maherin'ny 50 ireo mpianatra misedra olana amin'ny trano fonenana nitranga teny Vontovorona androany, saika ireo mpianatra nandeha nanao fialantsasatra no tena lasibatra tamin'izany... ♦ Nanamafy ny tsy fanekeny ny firafitry ny CENI ankehitriny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nanao pi-maso amin'ny sehatra iraisam-pirenena koa izy manoloana ny fiatrehana ny fifidianana amin'ity taona ity... ♦ Ilaina ny fanovàna eto amin'ny firenena mba tsy handova fahalovana ireo taranaka fara mandimby, hoy ny Filoha nasiônalin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...