Mifanampy ny ray sy ny reny, fa tsy ankinina fotsiny amin'ny reny io karazam-panabeazana saropady io. Ny fiovan'ny toe-batany sy ny baraingo mipetraka aminy momba izany fiovana izany, ny tsy hitovizany amin'ny anadahiny ao an-trano na ny zazalahy hitany eny ivelany dia mila valiny marina sahaza ny taonany. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Mahay manaja ny tenany sy hajain'ny hafa ny vehivavy rehefa hita sy tsapan'ny olona eny aminy ny maha-olom-banona nandray fanabeazana azy. Mila tena mianatra ny vehivavy mba tsy ho lasa fitaovam-pahafinaretana sy fitaovam-piterahana fotsiny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Ny Papa Fransoa dia mampianatra antsika ny lanjan'ny vehivavy eo imason'Andriamanitra : fanivaivana an'Andriamanitra izay natera-behivavy, hoy izy, ny herisetra amin'ny endriny samy hafa atao amin'izy ireny, toy ny teny mandratra, horohorontsaina, ny tsy fanomezana vola hikarakarany ny tokantranony, ny fiheverana ny vehivavy ho toy ny fananan'ny lehilahy manokana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Loharano hipoiran'ny aina sy hitohizan'ny aina eto an-tany ny vehivavy ka mila hajaina. Fanivaivana an'Andriamanitra izay natera-behivavy ny herisetra amin'ny endriny samy hafa atao amin'ny vehivavy. Ny fahamendrehana omena ny vehivavy sy ny fahalalahana atolotra azy no miteraka fiadanana marina ao an-tokantrano sy eny anivon'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Ny zanaka hendry no harena voalohany ho an'ny ray aman-dreny. Zanaka niriana sy vokatry ny fitiavan'ny mpivady ary araka ny sitrapon'Andriamanitra no anisany manampy be dia be amin'ny fitaizana ny zanaka. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Ho tonga olombanona sy tafita eo amin'ny fiainana ary mifikitra amin'ny finoana no fanirian'ny ray aman-dreny ho an'ny zanany. Hany ka rehefa maditra ny zanany dia lazainy fa "tsy mitovy amin'izay zana-bahoaka fa manata-bava". Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Aoka ho tsapan'ny ray aman-dreny fa io zanany io dia manavaka tsara ny ao an-tranony sy ny fifaneraserany amin'ny mpiara-belona namany. Araka izany dia atao izay hahatsapan'ny zanaka fa samy manana ny hanitra ho azy na ny ao an-trano na ny any ivelany, ary samy manampy azy hivelatra eo amin'ny fiainany. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Mifameno mandrakariva ny fanabeazana omena ao an-tokantrano sy ny omen'ny namana eny anivon'ny fiaraha-monina. Anjaran'ny ray aman-dreny niteraka no manampy ny zanany hahafehy tsara ireo sy manampy azy hahay hanavaka ny namana tsara sy ny naman-dratsy. Raha tsy izany dia handringa ny fiainan'ilay zanaka ka na haditra izy na hikombona tsy afaka hivelatra. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Mila miresaka sy mifanakalo hevitra matetika ny zanaka sy ny ray aman-dreny. Atao izay hahatsapan'ny zanaka fa tia sy manohana azy i dada sy i neny, izany tsy midika hoe mampihanta azy. Raiso toy ny namanao akaiky ny zanaka, raiso toy ny olona misaina sy manomboka efa lehibe. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Aoka ho fantatsika fa ny "safidy" ao amin'ny olombelona dia anisan'ny fanomezan'Andriamanitra ambony indrindra, ka na Izy Mpahary aza dia manaja io safidy mipetraka amintsika olombelona io. Apetrany amintsika olombelona ny safidy na hanaraka ny lalan'ny fiainana na ny lalan'ny fahafatesana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Tiana ny zanaka ka atao izay hahatsapany ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ao an-tokantrano sy y lanjan'ny namana. Mila mianatra mandanjalanja sy mahay manavaka ny namana tsara sy ny naman-dratsy ny zanaka. Hajaina ny safidin'ny zanaka mba hitomboany ary mba hahaleo tena izy. Ankaherezina ny ankizy fa tsy disoina raha misy tsy takan'ny sainy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
Sarobidy sy masina ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny fianakaviana iray, satria mamaha olana maro eo amin'ny mpivady ary miteraka fiombonana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny. "Mpifankatia tsy miresaha hono very ny androatokom-pitiavana". Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco