Endrika isehoan'ny fahafahana ny fananana manokana anefa fitaovana ihany io. Tsy tokony ianao irery no hahazo tombotsoa amin'ny fanananao fa ny hafa ihany koa dia tokony hisitraka amin'izany. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny mahantra dia ireo izay ahiliky ny fiaraha-monina, ireo tsy afa-mandroso araka ny tokony izy. Safidy io, hampiharana ny fitiava-namana araky ny finoana kristiana sy ny lovam-panahin'ny Eglizy, ary voakasik'io ny tsirairay avy. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fanampiana dia tsy midika hoe : "misalovan andraikitra". Eto dia apetraka amin'ny toerany ny olona na vondrona tsirairay ary ankinina aminy hatrany ny zara asany. Ny vondrona rehetra eo amin'ny antanantohatra ambony dia tsy maintsy mivonona hitondra fanampiana, ho fanohanana, na ho fampandrosoana an'ireo vondrona ambaniny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Amin'izay misy eo am-pelatananao, na betsaka na kely ny ananana dia mila mampandray anjara ny mahantra hatrany, ary atao ara-drariny. Tsy fitiava-namana fotsiny no ilaina fa ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny ihany koa. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Tokony ho sahy mamaky batsilana ny tsy mety sy ny trangana kolikoly isika. Manana adidy lehibe amin'izany asa fampielezam-baovao izany ireo matihanina amin'io asa io, ary mila manaja ny atao hoe "etika". Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Tafahitsoka anaty fahantrana lalina ny malagasy. Mila mandray andraikitra ny tsirairay indrindra ireo mpitondra isan'ambaratongany mba tsy hisy fipoahana ara-tsosialy. Mba hialana amin'ny fahantrana dia mila manao ezaka ny rehetra mba tsy hiankin-doha amin'ny avy any ivelany na koa haneho hakamoana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fiangonana dia manana anjara amin'ny fampatsiahivana sy ny tari-dalana ary manome ohatra amin'ny fanabeazana. Ny fiangonana dia manana adidy amin'ny fanabeazana sy fanofanana mba hampivoarana ny maha-olona, ary miara misalahy amin'ny fanjakana amin'izany adidy masina izany. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fiangonana dia manana tanjona ho fampivoarana amin'ny alalan'ny fanabeazana sy fanofanana. Ny Sekoly katôlika dia misandrahaka amin'ny faritra maro eto amin'ny firenena. Ny fiofanana atolotry ny fiangonana dia mahasahana seham-pihariana maro toy ny asa-tanana, ny fambolena ary ny fiompiana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fiangonana dia manabe ny olona mba hikajy ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanentanana hamboly hazo sy hanena ny fanapariahana loto amin'ny rivotra. Ny fiangonana dia miahy ny vahoaka nankinina taminy, amin'ny alalan'ireo tolo-draharaha toy ny fitsaboana, ny fitaizana ireo zaza kamboty sy ny sembana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fiangonana dia misehatra amin'ny lafiny serasera, amin'ny alalan'ny gazety, boky, sy ny onjam-peo, ary fitaovana ireny hanohizana ny fanabeazana. Ny fiangonana dia miezaka mampiasa ireo fitaovana misy mba hampielezana ny finoana sy ho fampandrosoana ny firenena ary ny maha-olona. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Endrik'Andriamanitra ny olombelona, noho izany dia tsy zavatra fotsiny isika fa olona. Ny mampiavaka ny olona : afaka mahalala tena, mijoro ho tompon'ny tenany, manolo-tena sy miombona amin'ny hafa an-tsitrapo. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tsy voaary natao hitoka-monina ny olombelona fa lalim-paka ao amin'ny toetra nahariana azy sy ny fifandraisana amin'ny hafa, ary tsy afaka hiaina sy hivelatra araka ny maha izy azy izy raha tsy mifandray amin'ny hafa. Tsy ny olombelona tsirairay ihany no endrik'Andriamanitra fa ny fiombonana ihany koa. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco