♦ Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, ny hira fanevan'ny JMJ Mada faha-10... ♦ Kristianina dimy amby efapolo no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Aomônerian'ny Miaramila, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'ny Arsevekan'Antsiranana, ny alahady 6 marsa 2022... ♦ Nanatitra sakafo sy fanafody ireo mpiasa rehetra tao Vatican androany, ho firaisam-po amin'ny Papa François amin'ireo lasibatry ny ady any Ukraine...

Ary ny fijinjana? Moa tsy ny mba hijinja ve no antony hamafazana? Mazava ho azy. I Paoly ihany no manamafy ny fifandraisana akaiky sy lalina eo amin'ny famafazana sy ny fijinjana, hoy izy : "izay mamafy kely hijinjka kely, ary izay mamafy be dia hijinja be" (2Kôr 9, 6). Ny vokatra tsara voafafy voalohany dia tsy aiza fa ao anatintsika, ao amin'ny fifandraisana andavanandro. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Ny zava-misy dia tsy hioty afa-tsy ampahany kely amin'ny vokatr'izay hafafintsika isika, araka ny ohabolana ao amin'ny Evanjely hoe : "hafa ny mamafy, hafa no mijinja" (Jo 4, 37). Fa eo am-pamafazana ny soa ho an'ny hafa no handraisantsika anjara amin'ny halemem-panahin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Manandratra sy mampivelatra ny fomba fijerintsika ny Tenin'Andriamanitra izay milaza amintsika fa ny vokatra tena izy dia ny vokatra any am-parany, ilay andro farany, andro tsy misy filentehan'ny masoandro intsony. Ny vokatra azo amin'ny fiainantsika sy ny asantsika dia ny " vokatry ny fiainana mandrakizay" (Jo 4,36). Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Manentana an'ireo fanantenana eto an-tany izay miandrandra ilay "fanantenana lehibe" dia ny fiainana mandrakizay ny fitsanganan'i Kristy ho velona ary mampiditra sahady ao amin'ny ankehitriny ny tsimoky ny famonjena. Manoloana ireo fahadisoam-panantenana vokatry ny karazana nofinofy maro. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Aza sasatra mivavaka isika. Nampianatra ny amin'ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy am-paharetana i Jesoa. Tokony hivavaka isika satria mila an'Andriamanitra. Zava-doza ny mihevitra hoe mahavita tena samirery. Tsy manala antsika tsy ho zohim-pahoriana eo amin'ny fiainana ny finoana fa manampy antsika hiombona amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Aza sasatra mamongotra ny ratsy eo amin'ny fiainantsika. Hankahery ny fanahintsika hiady amin'ny fahotana anie ny fifadian-kanina hanentanan'ny karemy antsika. Aza sasatra ny mangata-pamelana amin'ny sakramentan'ny fibebahana sy ny fampihavanana amin'ny fahafantarana fa tsy sasatra ny mamela antsika Andriamanitra. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Aza sasatra manao ny tsara amin'ny namantsika amin'ny asa fitiava-namana azo tsapain-tanana. Mandritra ity karemy ity, manaova asa fiantrana amin-kafaliana. Andriamanitra izay "manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, dia miahy antsika tsirairay, tsy hoe mba hanan-kohanina fotsiny fa mba hahafahantsika maneho fa malala-tanana isika. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Mioty ny vokatra isika rehefa tsy kivy. Ampahatsiahivin'ny karemy antsika isan-taona fa "tahaka ny fitiavana ihany, ny tsara, ny rariny sy ny hitsiny ary ny firaisan-kina dia tsy mba azo indray maka dia vitan'izay, fa tolona ilofosana isan'andro vaky no hananana azy. (Ibid. n°11). Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

♦ Mihamanakaiky an'i Madagasikara ilay andro ratsy any atsinanan'i Cap Masoala. Tombanana hiditra an-tanety rahampitso amin'ny tanjaka " dépression tropicale" izy hoy ny Météo... ♦ Manamafy ny fitakiana Ministera manokana ho an'ny kolontsaina ny Fivondronamben'ireo fikambanana mpandala ny fomban-drazana eto Madagasikara. Tokony sarahina amin'ny Serasera hoy izy ireo, ny resaka Kolontsaina...  ♦ Ny antoandro teo no nosokafana tamin'ny fambolen-kazo any amin'ny farihin'Andraikiba ny fanamarihana nasiônaly ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy any Antsirabe...

Mikasika : entina hilazana zavatra miantefa mivantana. Mahakasika : entina hilazana zavatra miantefa ankolaka. Momba : mifanakaiky hevitra amin'ny hoe mikasika fa mivelatra kokoa ny hevitry ny hoe momba. "Samihafa" no hampiasaina rehefa misy fitanisana karazana fa "samy hafa" kosa raha toa ka manao fampitahana. Ny voambolana " tahaka - noho - araka - momba " dia tsy miova naoviana rehefa soratrana. "Anio" fiteny rehefa hiresaka ny ho avy, "androany" miteny izay efa lasa.

♦ Efa nivoaka ny hira fanevan'ny JMJ-Mada andiany faha-10, hotanterahina any Antsirabe. Efa nahazo ny fankatoavana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka...   ♦ Manomboka mihena ireo trangan'aretina Covid-19 eto Madagasikara. 132 isa ireo tranga vaovao tao anatin'ny herinandro hoy ny MinSanté tamin'ny sabotsy...   ♦ Voafidy ho filoha vaovaon'ny Federasiôna Malagasin'ny Kick Boxing ny Jeneraly Lylison René de Rolland, latsabato tontosa teny amin'ny ANS Ampefiloha...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...