Alatsinainy 11 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32
Matetika ny olona dia tsy mampiseho mivantana ny tena iainany marina ohatra amin'ny hafaliana na fahasahirana. Raha tsy miaina amin'ny toe-tsaina mangarahara isika dia mitoetra ao anaty fihatsarambelatsihy. Ny voajanahary dia ny milaza izay iainana amin'ny fihetsika na fiteny, tahaka ny fomban'ny ankizy. Ilaina fandanjalanjana araka izany ny toe-tsaina...
Alahady 10 oktobra 2021 — Alahady fahavalo amby roapolo mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27
♦ Notsenain'ny fitokonana ny fidiran'ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo eny Ankatso omaly. Nakaton'ireo mpandraharaha ny vavahady sy ny efitrano fianarana, noho ny hetsi-pitakiana... ♦ Manohy ny fahampielezan-keviny ho an'ny fifidianana filohan'ny olafitry ny mpanao gazety ny kandidà ho amin'izany. Maro ireo fanambarana navoakan'ireo fikambanan'ny mpanao gazety samihafa mangataka hanemorana ny fifidianana... ♦ Efa any Kinshasa nanomboka androany maraina ny ampahany amin'ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny lalaon'i RD Congo ny alakamisy izao, tsy ho avy i Carolus...
♦ Notsenain'ny mpandraharahan'ny Oniversiten'Antananarivo tamin'ny fitokonana androany, ny fidiran'ny taom-pianarana teny Ankatso... ♦ Mbola tsy mitovy hevitra ny samy mpanao gazety, manoloana ny fifidianana ny filoha vaovaon'ny OJM... ♦ Miisa telo ireo mpilalaon'ny Barea tsy ho avy amin'ny fihaonana amin'ny RDC, Isan'ireny i Carolus...
♦ Nosokafana omaly ny Sinaody faha-7, ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana... ♦ "Eglizy miara-mandray andraikitra, miara-manatontosa ny iraka", io no hafatrafatra natolotr'i Mgr Jean Claude Randianarisoa, nandritra ny fitsofan-drano ny fasana vaovaon'ny fikambanana Trinitera, tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Tsy hoe, manompo ireo madinika, fotsiny ihany, fa mahatsapa ho madinika ihany koa : fampianarana nentin'ny Ray Masina nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera...
♦ Andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana : Natomboka androany teny Isotry ny fandaharan'asa fanadiovana ho fanatsarana ireo toeram-ponenan'ny mponina eny amin'ny faritra iva... ♦ Tsy misy antony tokony hampiakatra ny vidim-bary mihitsy, na ho avy aza ny maitso ahitra, mbola misy tahirim-bary 100 000 taonina ao Toamasina... ♦ Hovelomina ny orinasam-panjakàna Madarail ho fanamaivanana ny fitanterana entana ho an'ny RN2, famatsiam-bola avy amin'ny banky iraisam-pirenena...
♦ Hafainganina ny asa rehetra fampandrosoana ny tanan-dehibe, ho an'ny tontolo tsy misy entona "carbone" manimba ny tontolo iainana, izay no lohahevitry ny andro eran-tany ho an'ny toeram-ponenana, anio... ♦ Ho atao toeram-pitsangatsanganana amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny torapasik'i Libanona-Tolagnaro, natomboka tamin'ny sabotsy ny asa... ♦ Tokandrano 75 000 avy amin'ny distrika 13 no misitraka ny Vatsin'ankohonana izay tanterahan'ny FID...
♦ Natomboka tao amin'ny Faritra Anosy ny tetik'asa hanaraha-maso ny omby eto Madagasikara amin'ny alalan'ny fametrahana kavina elektronika... ♦ Miandry ny fanombohan'ny asa fanamboaran-dalana mampitohy an'Andranofisaka sy Ambatoboeny ny mponina hoy ny Ben'ny Tanàna Rakotonandrasana Valérien... ♦ Nomena lalana handray ireo mpianatra afaka baka farany teo ny Oniversite tsirairay, miankina amin'ny sampam-pianarana ny hamerana ny isan'ireo ho raisina...
Ny aretin'ny nofon'ny fo dia fahatsentsenan'ny lalan-dra, izay mamelona ny fo, ary mahalo ny nofo mandrafitra ny fo. Isan'ny antony mahatonga ny aratin'ny nofon'ny fo ny fahasimbana na fahatsentsenan'ny lalan-dra noho fikorontanan'ny "cholesterol". Amin'ireo tratry ny aretin'ny nofon'ny fo dia lehilahy ny 60%. Manafaigana ny ahazoana io aretina io ny fifohana sigara, fisotroana toaka, tsy ampy fihetseham-batana, mitaitaindava, ny tosi-dra. Fambara : marary ny faritra ambadiky ny ivon'ny taolan-tratra...
♦ Hijoro mialohan'ny taona 2022 ny antokon-draharaha hitantana ny famerenana ireo fananana azo avy amin'ny fomba tsy ara-dalàna na ny ARAI, sampana anatin'ny rafitra iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Navoitra ny filohan'ny repoblika amin'ny fitsidihana ataony any amin'ny Faritra atsimo ny fanamby hametraka vahaolana maharitra mikasika ny rano fisotro madio... ♦ Hivoaka amin'ity volana oktobra ity ny karaman'ny mpandraharahan'ny Oniversite...
♦ Hatomboka amin'ity taona ity ny tetik'asa lehibe hitarihana rano amin'nu pipeline goavana, miala any Efao, mandalo any Amboasary Atsimo hatrany Ambovombe. Hamaha ny olan'ny rano izay nahazo ny mponina tany atsimo hatramin'izay... ♦ Ankizy maherin'ny roa alina sy iray hetsy isan-taona any amin'ny faritra Androy sy Anosy manomboka izao no hisitraka fanampin-tsakafo mitondra hery sy tanjaka...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco