♦ Miroso amin'ny fampihenana ny vidin-jiro eto Madagasikara ny fitondram-panjakàna, amin'ny alalan'ny fampiasàna angovo azo havaozina. Hanomboka amin'ny alatsinainy ho avy izao koa ny tetik'asa " Branchement Mora"... ♦ Mbola azo atao eny amin'ny masoivohon'ny BFM rehetra manerana ny nosy, hatramin'ny 30 jona izao ny fanakalozana ny vola nivoaka tamin'ny tamin'ny taona 2003 sy 2004... ♦ Manodidina ny 30.000 ny olona vita vaksinin'ny Covid-19 hatramin'izao ary mbola mitohy hatrany ny fanaovana ity andiany voalohany ity...
♦ Tsy afaka hankalaza ny fetin'ny Sakramenta Masina toa ny fanao isan-taona ao amin'ny Paroasy Mahamasina ny kristiana eto amin'ny diosezy Antananarivo amin'ny alahady izao... ♦ Kaominina Andranomavo, kaominina Soalala ary kaominina Belobaka isan'ny notsidihan'ny Filoham-pirenena... ♦ Nosokafana ofisaly androany ny toerana hanatanterahana ny fanaovam-baksiny hisorohana ny Covid-19, ho an'ny eo anivon'ny kaominina Antananarivo, ao amin'ny kianja Malacam-Antanimena...
♦ Misy lamina manokana ny fankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina amin'ny alahady ho avy izao, ho an'ny eto amin'ny diosezin'Antananarivo. Manazava ny tsara ho fantatra momba izany ny Arsevekan'Antananarivo... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina Covid-19, miisa 24 ny tranga vaovao tamin'ny fitilina 202 natao omaly. 122 kosa ireo sitrana ary roa ireo marary lavon'ny aretina, teto Analamanga avokoa izy ireo...
Sabotsy 5 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44
♦ Nahemotr'ireo solombavambahoaka amin'ny fotoana manaraka indray ny fandinihana ilay tolo-dalàna momba ny zom-pirenena malagasy... ♦ Azo adika ho fiandanian'ny sampandraharaham-panjakàna iray amin'ny antoko politika ny fandokoana ny birao hitovy amin'ny lokon'ny antoko eo anivon'ny fitondrana, hoy ny mpahay lalàna... ♦ Tsara ny vidin'ny lojy maintsy maso, nisokatra androany ny fotoam-piotazana any amin'ny faritra Boeny...
Tsy atao hifaninànana akory ny olombelona mpiara-belona aminao, sakamalo sy havozo ka samy manana ny hanitra ho azy. Ny olonna tsirairay dia tokony hanana fototra tsara. Mandeha ho azy ny fihetsika rehefa voataiza tsara ny toe-tsaina. Ny mpiara-belona amintsika dia tsy fahavalo fa manana fijery hafa fotsiny, tsy ny olona no atao hoe fahavalo fa ny tranga-piainana no atao hoe fanamby hihorana. Tsy hatao ao an-tsaina loatra ny hoe "ady ny fiainana" mba hitoetra ny fahatokisan-tena sy ny risim-po ary mba handresena ny tahotra...
Zoma 4 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37
♦ Tsy isan'ireo Oniversite hisokatra manomboka ny alarobia izao ny Oniversiten'Andrainjato Fianarantsoa. Nanao fanambarana ny fikatonan'ny Oniversite ny sendikan'ny mpandraharaha any an-toerana... ♦ Mpiadina ho polisim-pirenena iray no namoy ny ainy araka ny fampitam-baovaon'ny polisim-pirenena... ♦ Hanomboka anio eny amin'ny toby fiantsonana Maki eny Andohatapenaka ny fitsirihina ara-teknika ireo fiara hiasa amin'ny zoma ho avy izao...
♦ Tsy anisan'ireo Oniversite hisokatra manomboka ny alarobia izao ny Oniversiten'Andrainjato Fianarantsoa. Nanao fanambarana ny fikatonan'ny Oniversite androany ny sendikan'ny mpandraharaha... ♦ Hisokatra ny alarobia izao ny fahafahan'ireo mpandeha manao famandrihana eny amin'ny toby fiantsonana, araka ny toromariky ny ATT...
Alakamisy 3 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 28b-34
Alarobia 2 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 18-27
♦ Efa miomana amin'ny fandraisana ireo mpizahan-tany any Nosy-Be sy ny Nosy Sainte Marie ny Fanjakàna malagasy. Hisy ezaka manokana amin'ny fanaovam-baksiny any amin'ireo distrika roa ireo... ♦ Nanangona ny hetahetan'ireo Ben'ny Tanàna any amin'ny Faritr'i Vakinankaratra ny iraky ny antenimieran-doholona ho fanarenana ny toe-karena... ♦ Notanterahina omaly ny ivon'ny fankalazàna ny faha-20 taonan'ny Radio Rakama any amin'ny Diôsezin'i Farafangana...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco